Fampianarana Zoma Masina 10 Aprily 2020

NY FAHORIAN’ILAY MPANOPON’I JEHOVAH

Lohahevitra : « NY FAHORIAN’ILAY MPANOPON’I JEHOVAH »

SORATRA MASINA : Isaia 53 7-12 ; Marka 15 16-26 ; Hebreo 10 1-7

Misy hevitra telo (03) milaza ny momba ilay fahoriana nahazo ny Mpanompon’i Jehovah izay voalaza ento :

  1. Fahoriana mahafaty
  2. Fahoriana ankasitrahan’i Jehovah
  3. Fahorian’ny mpanota

FEHINY :

Fahoriana mahafaty no nahazo an’i Kristy, ankasitrahan’i Jehovah anefa izany. Fahoriana sahaza ny mpanota no nahatra Taminy. Noho izany FIKIRO MAFY NY FAMONJENA. AMENA

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fampianarana Alakamisy MASIANA 09 Aprily 2020

Ny fanompoan’i Jesoa Kristy Mpisoronabe

Ny fanompoan’i Jesoa Kristy Mpisoronabe

Lohahevitra : « NY FANOMPON’I JESOA KRISTY MPISORONABE »

SORATRA MASINA : Salamo 83 1-10 ; Marka 14 32-42 ; Hebreo 5 7-10

Ny anarana hoe MELKIZEDEKA dia hoe MELKI = MPANJAKA ary ny ZEDEKA (ZADOKA) = MPISORONA, noho izany sady MPANJAKA no MPISORONA i MELKIZEDEKA.

JESOA KRISTY MESIA = MPANJAKA – MPISORONA – MPAMINANY, izay tonga ho olombelona ho famonjena ny olombelona, manompo ny olombelona tamin’ny alalan’ny vavaka sy fangatahana sy fitairanana ary tamin’ny fahoriana. Lasa loharanon’ny FAMONJENA = NAMONJY. Dia notononina hoe MPISORONABE araka ny fanaon’i MELKIZEDEKA.

Miseho amin’ny fiasa telo (03) ary ny fanaon’i MELKIZEDEKA amin’ny fanompoany an’Andriamanitra :

  1. Vavaka sy fangatahana sy fitairanana mafy ary an-dranomaso be ;
  2. Mianatra fanarahana sy fahoriana ;
  3. Manaiky ho loharanon’ny Famonjena.

FEHINY : Hafatry ny ALAKAMISY MASINA 2020

  • Tiava vavaka
  • Mianara manetry tena
  • Ho fiasam-pamonjena

Manatoana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny VAVAKA, miasa ny asan’Andriamanitra amin’ny FANETRE TENA, ary ho fantsona ho fiasam-pamonjena homban’ny Fanahy Masina ho an’ny hafa anie ianao.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fampianarana Alarobia MASINA 08 Aprily 2020

Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny.

Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny

Alarobia MASINA 08 Aprily 2020

Lohahevitra : « NY EFESIANA TALOHA SY ANKEHITRINY »

SORATRA MASINA : Salamo 22 12-18 ; Marka 14 1-2 ; Efesiana 2 1-7

Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny na isika taloha sy ny ankehitrinintsika arak’izany nisy lalana nizorana taloha, kanjo noho ny amin’ny Kristy, dia nialana io lalana io ka nandeha tamin’ny lalam-baovao. Fa manao ahoana moa izany lalan’ny Efesiana taloha izany? Feno ota, fahafatesana, feno ny fomban’izao tontolo izao, zanaky ny tsy fanarahana, tsy miraharaha afa tsy ny nofo, zanaky ny fahatezerana, miantehitra amin’ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia fanjakan’ny devoly. Fara fahakeliny ny fiainana ratsy fito (07) izay midika fa ny fahafenoan’ny faharatsiana.

Fa rehefa ao amin’ny Kristy Jesoa kosa dia indro fiainana vaovao, ny Efesiana ankehitriny dia :

  1. Velona amin’ny fahasoavana
  2. Velona amin’ny hamoram-panahy
  3. Velona miaraka amin’ny Kristy izay efa any an-danitra

FEHINY :

Ny Kristiana mivelona amin’ny FAHASOAVANA sy ny FAHAMARINANA avy amin’Andriamanitra dia manorina ny fanantenany amin’ny Kristy any an-danitra. AMENA

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fampianarana Talata MASINA 07 Aprily 2020

ADY HEVITRA NY AMIN’NY MAHA ZANAK’I DAVIDA AN’I KRISTY JESOA 

Ady hevitra ny amin’ny maha zanak’i Davida an’i KISTY JESOA.

Talata MASINA 07 Aprily 2020

Lohahevitra : « ADY HEVITRA NY AMIN’NY MAHA ZANAK’I DAVIDA AN’I KRISTY JESOA »

SORATRA MASINA : Salamo 110 1-7 ; Marka 12 35-37 ; I Kor 15 24-28

Iza moa KRISTY JESOA ary iza moa ny MESIA ?

  1. Ny Mesia dia zanak’i Davida ara-nofo
  2. Ny Mesia araka ny hevitry ny SALAMO
  3. NY Mesia dia avy amin’i JEHOVAH

FEHINY :

  1. JESOA = ANDRIAMANITRA TONGA NOFO Avo razana kanefa tsy ilain’ny famonjena izany.
  2. JESOA = ANDRIAMANITRA TONGA NOFO, izay MPAMINANY, MPISORONA, MPANJAKA, MPITSARA MARINA, ary natao SORONA.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fampianarana Alatsinainy Masina 06 Aprily 2020

Araraoty ny fahavelomanao fanompoana an’Andriamanitra

Fampianarana: Araraoty ny fahavelomanao hanompoana an’Andriamanitra

Alatsinainy MASINA 06 Aprily 2020

Lohahevitra : « ARARAOTY NY FAHAVELOMANAO HANOMPOANA AN’ANDRIAMANITRA »

SORATRA MASINA : Isaia 38 18-20 ; Marka 12 18-27 ; Asa 15 22-28

Araraoty ny fahavelomanao hanompoana an’Andriamanitra, ny manompo an’Andriamanitra dia miseho amin’ny endrika telo (3) eto :

  1. Manompo amin’ny fiderana
  2. Manompo an’Andriamanitra amin’ny fitaizana zanaka
  3. Manompo an’Andriamanitra amin’ny asa ao amin’ny Tempoly

FEHINY : MANOMPO = MIDERA + MITAIZA + ASA AO @ TEMPOLY

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra. AMENA

Fanompoam-pivavahana Alahadin’ny SAMPANDROFIA 05 aprily 2020

Alahadin’ny SAMPANDROFIA

Toriteny Alahadin’ny SAMPANDROFIA 2020
  • Fiarahabana Apostolika : I Pet ½
  • Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra
    • Apo 15 3,4
    • Hira  SALAMO 34 (Feony Ankadimbahoaka)
    • Vavaka
  • Fankalazana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny TENINY
    • Hira 205 1,2
    • Vavaka
    • Vakiteny : Salamo 118 24-29 ; Marka 11 1-11 ; Apo 15 1-4
    • Hira SAMBATRA RE
    • TORITENY
    • Feon’ORGUE (Zava-maneno)
    • Hira SALAMO 145
  • Famaranana
    • Vavaka
    • Hira Ny Fitondran’ANDRIAMANITRA
    • Tsodrano

« Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. AMENA »

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDIDON Timoty