Alahady 21 jona 2020

Aza matahotra (Zakaria 8/15d)

Toriteny: Aza matahotra

Aza matahotra

Aza matahotra intsony. Nahoana ? taloha dia natahotra noho ny heloky ny ray aman-dreny. Kanefa ny heloky ny ray aman-dreny dia tsy heloky ny zanaka. Rehefa miova fo ny zanaka dia tsara ny ho avy eo amin’Andriamanitra, tsy matahotra intsony. Andriamanitra mantsy rehefa tezitra no ny otan’ny ray aman-dreny teo amin’ny zanaka dia ataony mahita loza ny olombelona mampahatezitra Azy. Mahatezitra = mira olombelona manompo sampy. Fa rehefa miverina kosa dia honoiny vavaka sy hasiany soa, ary ilazany hoe « aza matahotra ». Milaza inona amin’ny finoana izany ? Manambara inona amin’ny mpino izany ?

Milaza sy manambara izany fa :

Tsara Jehovah

Teny telo fanalahidy :

Tsara = tsy miangatra amin’ny fiainan’ny olona Izy

Sampy = tezitra Izy miala Izy

Tezitra = nalainy ny Fanahy nataony ao anaty (Saoly mpanjaka no voa tamin’izany).

Koa ny kapoka ataony dia milaza fa tsara Izy, ny olombelona mantsy andrianin’Andriamanitra saingy ny olona no tia fanambaniana. Nivadika amin’Andriamanitra dia manolo an’Andriamanitra amin’ny sampy, koa satria tsara Izy dia mikapoka. Kapoka = fahatsaran’Andriamanitra.

Ny anarana hoe Jehovah Tompon’ny maro dia manana ny fahefana rehetra amin’ny voary rehetra satria lehiben’ny tafika any an-danitra.

Tsy misy hahatohitra Azy. Milaza izany fa ny hoe, tsy misy mahatohitra Azy dia tsara Jehovah. Toloroana Fanahy hendry mahatoky. Esoriny ny Fanahy Masina amin’ny mivadika aminy.

Ohatra :  Solomona dia nomena fahefana tahaka ny fasika ny habetsany, Saoly tsara tarehy lava ranjanana, nongotan’i Jehovah taminy ny Fanahy Masina dia lasa gaigy. Fa ny hoe « aza matahotra » ny heviny dia izao, tsy ho voakasiky ny loza, porofo fa tsara Jehovah. Famonjena tombony ny dikany, lasa ny fanandevozana sy ny ozona ary mitahiry ny fitahiany. Vita ihany ny 70 taona tany babilona.

I Hagay sy Zakaria dia samy ahitana fiverenana avy amin’ny Babilona hanorina indray an’ny Jerosalema (manda lapa tempoly). Noho izany ny fanorenana indray ny lapa sy ny tempoly dia midika fa aza matahotra miara-monina amin’Andriamanitra indray ny zanak’Israely, izany hoe ny fanjakana ampiana fivavahana (Saoly, Davida, Solomona miampy fivavahana) (Mosesy + vahoaka + didy folo). Tsy misaraka amin’ny fivavahana ny fitondrana.

Misy andriamanitra ratsy eto an-tany hivavahan’ny olona (andriamanitra lina ady, andriamanitra manome fanahy iray hahafaty ny fahavalo). Fa Jehovah kosa dia Andriamanitra tsara, manitsy amin’ny alalan’ny kapoka ka manome fahendrena sy fahazavana ary famonjena.

Ny finoana an’i Jehovah ary dia tsy mandeha ila fa misy lainy roa hatrany : kapoka = tsara Jehovah, fitahiana = tsara Jehovah.

Manisy soa Izy

Inona ny soa lazaina fa ataon’i Jehovah ? eo amin’ny andininy faha 11-13 dia izao : « hamoha amin’ny fiadanana ny voaloboka » (tsy vanona ny voaloboka amin’ny fotoana mikorotona na be rivotra). Ny tany hahavokatra dia tany matsiro, ny andon’ny tany hirotsaka. Tso-drano tanteraka izany. Ny famonjena iainana.  Ny Israely no ilazana izany. Ny soa izany = fiadanana, vokatra, ando ary tso-drano. Fiadanana avy amin’Andriamanitra. Vokatra avy amin’ny tany, andon’ny lanitra avy amin’Andriamanitra ary tso-drano avy amin’Andriamanitra.

Andriamanitra dia niasa mialoha tany Kanana tamin’ny alalan’ny tso-drano, jereo ny Deotoronomia 28/3-12. Tsy mbola nitsaka rano ny zanak’Israely dia nomena azy ny fitahiana.  Jehovah hanandratra ny zanak’Israely, Jehovah ny hamoha ny lanitra ho an’Israely. Ary nampanatena fa ho lasa firenena manankarena ny Israely. Dia tanteraka daholo ireo rehefa nonina tao Kanana  ny zanak’Israely.

Voky hanina sy maro anaka ny Israely, misokatra isan’andro ny fitahiana, misandratra sy mitombo hery.

Voky ny soa (kapoka ohatra). Dia niova ny Israely, rehefa nibebaka ny Israely dia nomen’Andriamanitra mpamonjy : Deobra, Gideona sns.

Andriamanitra miverina amin’izay miverina Aminy dia manisy soa « miverena amin’Andriamanitra dia miverina aminao Izy, izany hoe hanisy soa anao Izy. » Fibebahana = fahazahoana soa, soa azo = Andrimanitra. Miveren-dàlana amin’ny olona.

Hoy ny Salamo 34/8-10 : « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra ny olona izay mialoka AMiny ». Miverena amin’Andriamanitra dia ho sambatra ianao, tsy hanan-java-mahory, tsy ho orin-javatsoa.

I Petera, rehefa tena niverina teo amin’i Jesoa Kristy teo amin’ny tantara dia niteny hoe : « aza atao mitovy fahafatesana amin’ny Tompo aho, aoka hitsingolika ny hazo fijaliako ».

Ny devoly hoy Petera dia toy ny liona mandehandeha mierona mitady izay ho arapany. Ny devoly izany dia mijoko, masiaka, mitady izay hahafaty haingana. Koa rehefa tsy matahotra dia soa avy amin’i Jehovah ny tsy matahotra ny devoly.

Ao amin’ny Zakaria 8/14-17 : « maro ny olona manaradia ny Israely noho ny soa sesehena azon’ny Israely tamin’i Jehovah satria ny olona mahazo soa = omban’Andriamanitra, izany hoe tsy very mandeha, ny olon’Andriamanitra dia omban’Andriamanitra sy ny Anjely »

Fehiny

Aza matahotra intsony fa tsara Jehovah, manisy soa ny olona Izy. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *