Alahady 07 jona 2020

MIFANKATIAVA

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » Jaona 13/34-35

PERIKOPA: Salamo  133 ; Jaona 13/31-35 ; Romana 13/8-10

FITARIHANA

  1. Fanasana tongotra : fanetre-tena. Fidinana ho ambany. Fitaizana ho mpanompo. Mpampianatra sady Tompo aza manao izany ; nahoana moana raha samy mpianatra tsy hahavita ve ?
  2. Misy mpamadika anefa : Jesoa vao avy nampianatra fanetren-tena teo anefa, no nilaza mazava fa anankiray amin’ny mpianatra no hamadika Azy. Niteraka alahelo na horohorom-panahy izany ; tsy ny hanatanteraka an’ny gologota anefa, fa noho ny amin’ny iray izay ho very mantsy kanefa dia niray aina taminy ihany.
  3. Araka ny andininy 28-30 hoe : « Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana nahalala ny antony nilazany izany taminy. Fa nataon’ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesoa taminy hoe : vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ny malahelo. Ary rehefa mandry ny sombin-kanina izy dia nivoaka niaraka tamin’izay ; ary efa alina ny andro ». Noheverin’ny Apostoly fa zavatra hafa mihitsy ny resaka ka tsy dia nahoany ny nandre izay voalaza.

Fa ny zava-dehibe, tohin’ny fivadihan’ny anankiray tamin’ny Apostoly dia ny fifankatiavana. Hianareo 11 lahy, mifankatiava, didiko izany, fanaoko izany, fijoroana amin’ny maha mpianatro izany.

MIFANKATIAVA FA DIDIKO IZANY

Aza mamaly ratsy no dikany. Mamaly ratsy = fomban’ny olona mpanao andolom-po. Fitiavana soloina lolompo. Ny didin’i Jesoa Kristy = ovana lolompo. Koa raha misy olona hanaovana lolompo, itrangan-javatra sarotra dia lalovana fotsiny na iviliana làlana.

Ohatra : levita sy Mpisorona ao amin’ny Lioka 10/25-41

Satria tsy Jiosy voaendaka no hita ao, na dia misy lolo-po aza angamba eo amin’ny Samaritana sy Jiosy, tsy nandao na nandalo ilay Samaritana fa namonjy. Ny olona mitahiry lolom-po = avelao ho voa any.

Fianarana avy amin’Andriamanitra izany. Ny devoly tokana ihany no fahavalon’Andriamanitra. Mianara avy amin’Andrimanitra. Aza miangatra. Aza mizaha tavan’olona. Eny an-tsena dia misy olona mizaha tavan’olona. Ny fitafinao ivelany no jereny vao tombanany ny vidin-javatra. Asiako ity. Voako ity. Tsy misy fitiavana izany fa mety lolom-po tsy ahoan-tsy ahoana.

Ry malala, ny mahatehotia, ny voantson’Andriamanitra, ry masin’Andriamanitra. Raha tia an’Andriamanitra hianao, aza mankahala olona fa mpandainga eo imason’Andriamanitra ny toy izany. Manao ny asan’ny devoly ny toy izany. Izao no didy : « Izay tia an’Andriamanitra tsy maintsy tia ny rahalahiny ». Fitiavana mitovy lanja, mitovy refy ny fitiavana enti-mitia an’Andriamanitra sy ny manana.

Tsy misy AGAPE samy hafa.

  • Samy tsy misy fepetra
  • Izay olona mbola tian’Andriamanitra, tsy maintsy tiavina
  • Na faran’izay ratsy eo amin’ny fiaraha-monina aza. Andriamanitra tia azy = tiavo izy.

« Raha velona koa aho hoy Jehovah, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany ». Didy izany. Tsy lany andro izany. Mahantra mandrakizay izany. Tsy ho levona izany.

MIFANKATIAVA AO AMIN’NY TOMPO

« Tahaka ny nitiavako anareo no aoka hifankatiavanareo koa. » Mifankatiava ao amin’ny Tompo. Araka ny fomban’ny Tompo.  Araka ny fomba tsara ny Tompo. Fomba tsy misy tsiny, tsy misy kianina, tsy misy fanamarihana azo atao. Fomban’Andriamanitra = ny Azy irery no marina, ambony, tsy tratra ho hazavaina.

Mifankatiava ao amin’ny Tompo = fifankatiavana tokana no miseho eo amin’ny kristianina rehetra. Tsy manam-paharoa izany hoe tsy maintsy Jesoa eo amin’ny fiainana sy atao rehetra ary aleha rehetra. Mifankatia tsy maintsy misy Jesoa.

Raha mbola misy hoe ao amin’ny Tompo, sarotra ny tsy hifankatia, sarotra ny miziriziry. Miziriziry = nialan’ny fanahin’i Jesoa Kristy Mpampihavana.

Raha mbola mino isika fa Jesoa Kristy no niteny hoe : « Tahaka ny nitiavako ….. kosa » sarotra ny tsy hifankatia. Ny olombelona  efa mibasy efa maty angamba : olombelona tsy miraharaha izay mety ho vokatry ny teniny.

Ny mpianatry ny Tompo : tia ny Tompo. Tia ny teniny. Ao anatin’izany mifankatia ao amin’ny Tompo.

MIFANKATIA DIA FIJOROANA HO VAVOLOMBELON’I KRISTY

« Izany no hahafantaran’ny olona fa mpianatro hianareo rehefa mifankatia ».

Anisan’ny marina sy rariny tsy maintsy ijoroana ny fifankatiavana, mijoro tarihin’ny Fanahy Masina anefa. Mitandrina ny didy eo imason’ny olona. Atao azo tsapain-tanana fa mifankatia sy mitoetra amin’ny fifankatiavana ny Kristianina no dikany.

  • Ny olona tia fifankatiavana : olona manan-kaja, milaza fa olona ambony fiainana. (Zanak’Andriamanitra ny mpampihavana)
  • Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mahita soa ny manodidina ary misandratra (samaritana tsara fanahy)
  • Manao izay nataon’Andriamanitra. Manome ny sarobidy indrindra (Zanany lahy tokana)
  • Madio ny olona mifankatia satria tsy misy ratsy miserana akory eo aminy.

Noho izany ny olona ambony tarihin’ny Fanahy Masina tia manome ny sarobidy indrindra ary madio dia lazain’ny Jesoa Kristy fa mivelona, mandeha, manaraka ny didy tsy mavesatra (I Jaona 5/3) izany hoe azo lanjaina tsara miaraka amin’ny tena eny rehetra eny ny fitiavana. Sampona raha tsy manana izany.

Misy ohatra tsara lazain’ny Salamo 133 dia ny mpirahalahy miara-monina, izay oharina amin’ny diloilo. Diloilo : menaka fanosorana mpisorona : milaza fitahiana sy fahaoavana ary fiadanana.

Azo itarina amin’ny mpirahavavy miara-monina. Azo velarina any amin’ny rafozana sy vinanto (Vavolombelon’i Kristy). Ahoana ny hoe ny havantiana tsy hiara-monina ? Ahoana hoy ny Soratra Masina : « raha azo atao dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra ». Tsy rariny hoe havan-tiana tsy iaraha-monina. « Aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara » (II Jaona 11). Tsara : tsara ataon’ny olon’Andriamanitra ka halain’ny olona tahaka.

FEHINY

Hoy ny hafatra

  • Mifankatiava
  • Mifankatiava ao amin’ny Tompo
  • Mifankatiava fa vavolombelon’ny Tompo ny manao izany.

Ireo no hevitr’Andriamanitra rehefa mifankatia.

Mifankatia ao amin’ny Tompo, vavolombelon’ny Tompo.

Ny vavolombelon’ny Tompo dia mifankatia ao Aminy ary mifankatia amin’ny olona rehetra.

Trosa tsy mety voaloa io izany hoe na tsy voaloa aza ny fifankatiavana no ambony. Aleo very tsikalakalam-bola …

Betsaka ny trosa tsy voaloa. Tsy maintsy aloa anefa. Kanefa na tsy voaloa aza simbana ny fifankatiavana.

Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *