Ny Mpitandrina

Ny Mpiandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty, Mivady

ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty, Mpitandrina dia teraka tamin’ny 09 Septambra 1956, Zanak’i RAKOTOARISON Charles Mpitandrina sy RAZAFINDRAMASINORO Justine, samy efa maty, ary manambady an’dRAMAVOARIMANANA Marcelline, Mpitandrina.

Nianatra tao amin’ny sekoly Ambaratonga Voalohany sy faharoa ary Lycée technique Génie Civil (1963-1976). Taorin’izay dia niasa tao amin’ny Entreprise MURRIE Frère tany Antsohihy sy Bealanana sy Befandrina ary Ankify Ambanja rehefa tsy nahavoa tamin’ny Sekoly Ambony.

Tonga ny fiantsoana avy amin’Andriamanitra izay saro-pantarina ka lasa niomana ho Mpitandrina ny taona 1981 ary nanamarika ny fotoam-panirahana ny raharaha KUNG-FU (Pierre Be, Aout 1985). Dia lasa niasa tamin’ireto Synodam-Paritany ireto : ANKAZOBE (nanao evanjelistra), FARATSIHO (nitandrina ny FJKM FARATSIHO sady nampianatra tao amin’ny SEKOLY FJKM). Tao amin’ny FJKM MAHALAVOLONA S/P Ambohipotsy sady TALE tao nandritra ny 11 taona ary notendren’ny FOIBE ho TALE FPMP voalohany teto amin’ny S/P A.A. 11.

Tamin’izany rehetra izany no nanana fotoana kely koa ka nohararaotina nianatra momba ny FIOMPIANA AKOHO AMAM-BORONA (BTS AVICHOL). Ary nahazo fanendrena ho Mpitandrina hitondra ny FJKM ANKANDIMBAHOAKA sady nianatra tao amin’ny FACULTE DE THEOLOGIE AMBATONAKANGA (BACC en théologie-Licence en Théologie ary Maitrise).

Voafidy ho MF sady lasa PCA ny ORINASA FIVATSY no FILOHAN’NY FIFAFI FOIBE FJKM ny taona 2008-2012. Tsy hohadinoina koa anefa ny andraikitra tao amin’ny S/P FHO (FILOHA S/P) ary S/P Ambohipotsy (Filoha Mpanampy Ambohipotsy, SPV A.Atsimo ; ary FILOHA MPANAMPY A.ATSIMO, 17 taona ny fitambarany).

Feno 38 taona nitondrana Fiangonana amin’izao taona 2020 izao. 1982 FJKM AMBATOMARO ; 1983-1984 FJKM AMBOHIJANAKA GARA FITIAVANA ; 1985-1986 ANKAZOBE ; 1986-1991 FJKM FARATSIHO ; 1991-2003 FJKM MAHALAVOLONA ; 2003-2020 FJKM ANKADIMBAHOAKA.

« Isaorana anie Andriamanitra niara-niasa tamin’ny fahasoavany » (I Kor 15/10). « Isaorana Andriamanitra izay tsy niaro ny zanany Lahy fa natolony hamonjy antsika, tsy homeny antsika maimaim-poana koa va ny zavatra rehetra ? » ( Romana 8/32). « Izy anie no omem-boninahitra mandakizay. Amena » (Romana 11/36)

« HALELOIA, Midera an’i JEHOVAH, FA TSARA IZY, FA MANDRAKIZAY NY FAMINDRAMPONY » (Salamo 106/1)