STK

« …Na ny antitra, na ny tanora, samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa… ».     Salamo 148: 12b-13a

Ry Havana, feno 25 Taona amin’ity Taona 2020 ity (1995-2020) ny Sampana Tanora Kristiana eto amin’ny Fitandremana FJKM Ankadimbahoaka. Ny STK dia sampana iray eto amin’ny FJKM Ankadimbahoaka. Amin’ny maha Sampana Tanora Kristiana azy dia sehatra iray hitaizana ny tanora mba handray sy hitory an’I Jesoa Kristy. Ny STK RENINY dia miahy sy mandrindra ny asan’ny rantsana ary miaro ny firaisana sy fifankatiavan’ny mpikambana rehetra. Izy koa no miantoka ny fifandraisana amin’ny STK Synodamparitany sy STK Foibe ary ny Fiangonana ary manatanteraka ny adidy rehetra isan-tsokajiny avy amin’izany, sy manaja ny rafitra arakany ambaratongam-pahefana isantsokajiny.

Ireo rantsana kosa dia samy miasa araka ny sokajin-taonany sy talenta nomen’Andriamanitra azy avy. Fa tokana kosa ny tanjona dia ny hitory an’i Jesoa Kristy Tompo.

Ny zava-kendren’ny STK dia mandray ho adidy ny mitory ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra (Mar16:15), mba ahatonga ny Tanora hahery sy hitoetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy (IJaona2:4-14b), manabe sy mikolokolo ny Tanora amin’ny lafim-piainany rehetra, mba ahatonga azy ho vavolombelon’i Kristy (ITim4:12).

Ireo Rantsana nandrafitra ny STK eto amin’ny Fitandremana:

  1. Rantsana “Tanora Kristiana Zokiny”
  2. Rantsana “Tanora Kristiana Zandriny”
  3. Rantsana “Antoko Mpihira Feo Miantso” CFM
  4. Rantsana “Fanatanjahantena”
  5. Rantsana “Antoko Mpihira Maintimolaly” CMA

Ny Birao STK

  • RAKOTOARIVELO Rado Tiana Soloherimalala, Filoha
  • RABETAHAFINA Miarisoa Mamy, Filoha Mpanampy I
  • HERIMAMPIONONA Georges, Filoha Mpanampy II
  • RANDRIANARISON Nomenaharimora Tahiry, Mpitantsora-draharaha
  • RASOLOFO JOELINIRINA Ravaka, Mpitahiry vola
  • ANDRIAMIARASOA Mendrika Malalatiana, Mpitantsoratry ny vola