Ny Tantaran’ny Fiangonana

Ny tantaran’ny FJKM ANKADIMBAHOAKA (SPAA 11)

Feno 155 taona niorenana ny FJKM Ankadimbahoaka amin’ity Taona 2020 ity (1865-2020).

Ny faritra misy azy:

Hita ao amin’ny Firaketana fa Ankadimbahoaka no tanàna farany Atsimo indrindra amin’Antananarivo hatry ny fahagola. Ankehitriny, ny Fokotany Ankadimbahoaka dia ao anatin’ny Firaisana faha-efatra eto Antananarivo Renivohitra.

Inona ary no nahatonga ny anarana hoe « Ankadimbahoaka »?

Lovan-tsofina, sy fanadihadihana nohamarinina araka izay azo natao no nahazoana izao fanazavana izao.

Fantatsika fa misy heviny avokoa ny anaran-toerana satria misy tantarany. ANDRIANJAKA Mpanjaka zana-dRALAMBO sy RATSITOHA no niakatra naka an’Alamanga (Antananarivo fahizay). Izy no niady sy nandroaka ny vazimba tompontany. Dia mampihady an’Ankadimbahoaka Andrianjaka toy ireny tanàna hodidinin’ny hadivory ireny amin’ny tanàna nonenan’Andriana. Izany no HADY VOALOHANY nampanaovin’ny Mpanjaka ny vahoaka nahatonga azy hoe  “ANKADIMBAHOAKA”.

Ny fivoaran’ny Trano Fiangonana sy ireo foto-drafitrasa miaraka aminy

  • Fiangonana vonjimaika voalohany: trano zozoro
  • Ny trano fiangonana faharoa: trano tany
  • Ny trano fiangonana fahatelo: biriky sy tafo tanimanga. Nitokanana ny volana Jolay 1881
  • 29 Jolay 1951: nitokanana ny trano fiangonana noavaozina
  • 1970: Fitokanana ny trano vaovao ankehitriny
  • 29 Desambra 1990: Nitokanana ny trano vadin’ny trano fiangonana.
  • Jolay 2010: Fanokanana ny rihana faharoa Dispansera
  • 25 Janoary 2015: Fanokanana ny Sekoly

Ireo Mpitandrina nifandimby