HFM 03: Alarobia 27 may 2020

« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)

« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)

« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)

Raha miverina mamaky ny Lioka 3 /1-22  sy ny 4/1-13 dia izao no tsapa sy voalaza ao.

  •  Rehefa avy natao batisa Jesoa, dia nidina teo amboniny toy ny voromahilala ny Fanahy Masina ary voalaza tamin’ny feo avy any an-danitra fa hoe « HIANAO no zanako malalako ; hianao sitrako. »
  • Dia nentiny Fanahy Masina tany an’efitra Izy mba ho alain’ny devoly fanahy, dia nandresy ary nandao Azy aloha ny devoly.

Araka izany, raha vakiana indray ny Lioka 4/14-19 dia milaza ny tenany i Jesoa Kristy fa Jehovah no NANOSOTRA AZY ho Mpitory teny soa mahafaly. Nomena Azy ny Fanahy Masina rehefa vita batisa izany hoe VITA BATISA= Voahosotra.

Ny voahosota = mpitory ny vaovao mahafaly, tsy i Jesoa Kristy ihany fa ny vita batisa rehetra.

Ny ANDRO PENTEKOSTA izany dia andro mampahatsiahy ny VITA BATISA rehetra fa Mpitory ny VAOVAO Mahafaly izy. INONA AVY NY VAOVAO MAHAFALY ARAKA IZANY ?

Vaovao mahafaly = Toriteny arahin’asa

  • Toriteny ihavian’ny finoana (Rom 10/17)
  • Inona no lazain’io toriteny iavian’ny finoana io ?
    •  Vaovao mahafaly = filazana tsara fa voavela heloka ny mpanota, tsy misy fanamelohana ny mpanota, tsy misy fanamelohana intsony. NOTAKONAN’NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA NY OTA (Ohab 10/12b). « Izay te ho be fitiavana manaron-keloka » (Oha 17/9).

Ny toriteny, ny vaovao mahafaly izany dia Filazana an’Andriamanitra manarona ota, manaron-keloka ary indrindra tsy misaraka amin’ny olona intsony.

  • Ny Teny faha ilazany io teny io dia ny hoe = FINOANA + ASA. « tsy vanona ny finoana tsy misy asa » (Jak 2/20). Fa inona moa ny asa ? Mamonjy  ny very. Manome fitafiana ny tsy manana. Manolotra sakafo ho hanina. Mamangy ny marary…
    • Fa eto amin’ny Perikopa ny asa dia = mitory eny soa mahafaly. Mitory fahafahana. Mampahiratra. Manafaka fahoriana. RAHA TOA TORITENY TSY MISY IREO ASA IREO DIA Toriteny mololo, manidina.

Ohatra : mitory teny amin’ny noana = sarotra. Mitoriteny amin’ny olona tsy nandia fianarana manahirana. NY TENA IZY ary tena maha vaovao mahafaly dia ny MITORY +  ASA : Manome sakafo, mampianatra.

FEHINY

Hitari-dalana antsika lalandava anie ny Fanahy Masina amin’ny Mpitory vaovao mahafaly antsika. Jesoa Kristy + Fanahy Masina + Asa = Vaovao Mahafaly. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *