Alahadin’ny Mpitandrina

Alahadin’ny Mpitandrina 14 martsa 2021

« Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.» 2 Kor 8/7

Notontosaina ny Alahady 14 martsa 2021 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana FJKM Ankadimbahoaka, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany sy ny ankohonany. Ramatoa RATSIMANDRESY Estera Mpitandrina, izay vadin’ny Filohan’ny FJKM no nitarika ny fotoana, ary  ny Mpitandrina RATSIMANDISA  Haritiana Zo, Recteur Oniversity FJKM Ravelojaona no nitondra ny tenin’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny 2 Koritiana  8 and 7 manao hoe « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, …, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Notsindriny manokana tamin’izany fa :

  1. Izay tia mahafoy
  2. Izay tia mandray fahasoavana

Toy ny fanao dia ny Biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana. Tsy diso anjara tamin’izany ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky sy naman’ny Mpitandrina.

Nandritra ny lahateny izay nentin’ny Biraon’ny fitandremana no niarahabana sy nirarina soa ho  azy mianakavy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ary nanolorana azy ireo ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe:

« Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba omen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako na inona na inona ».  araka ny Jaona 15 and 16

Tsy mora noho izany ny adidy sy ny asa hanirahan’ny Tompo ny Mpitandrina ka notononina taminy ilay fiteniny manao hoe « MAHEREZA ».

Teo ihany koa ny fanentanana ny mpianakavin’ny finoana rehetra hahatsiaro mandrakariva hitondra am-bavaka azy mianakavy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *