Alahadin’ny Mpitandrina

Alahadin’ny Mpitandrina 14 martsa 2021

« Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.» 2 Kor 8/7

Notontosaina ny Alahady 14 martsa 2021 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana FJKM Ankadimbahoaka, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany sy ny ankohonany. Ramatoa RATSIMANDRESY Estera Mpitandrina, izay vadin’ny Filohan’ny FJKM no nitarika ny fotoana, ary  ny Mpitandrina RATSIMANDISA  Haritiana Zo, Recteur Oniversity FJKM Ravelojaona no nitondra ny tenin’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny 2 Koritiana  8 and 7 manao hoe « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, …, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Notsindriny manokana tamin’izany fa :

  1. Izay tia mahafoy
  2. Izay tia mandray fahasoavana

Toy ny fanao dia ny Biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana. Tsy diso anjara tamin’izany ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky sy naman’ny Mpitandrina.

Nandritra ny lahateny izay nentin’ny Biraon’ny fitandremana no niarahabana sy nirarina soa ho  azy mianakavy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ary nanolorana azy ireo ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe:

« Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba omen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako na inona na inona ».  araka ny Jaona 15 and 16

Tsy mora noho izany ny adidy sy ny asa hanirahan’ny Tompo ny Mpitandrina ka notononina taminy ilay fiteniny manao hoe « MAHEREZA ».

Teo ihany koa ny fanentanana ny mpianakavin’ny finoana rehetra hahatsiaro mandrakariva hitondra am-bavaka azy mianakavy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Alahady 21 jona 2020

Aza matahotra (Zakaria 8/15d)

Toriteny: Aza matahotra

Aza matahotra

Aza matahotra intsony. Nahoana ? taloha dia natahotra noho ny heloky ny ray aman-dreny. Kanefa ny heloky ny ray aman-dreny dia tsy heloky ny zanaka. Rehefa miova fo ny zanaka dia tsara ny ho avy eo amin’Andriamanitra, tsy matahotra intsony. Andriamanitra mantsy rehefa tezitra no ny otan’ny ray aman-dreny teo amin’ny zanaka dia ataony mahita loza ny olombelona mampahatezitra Azy. Mahatezitra = mira olombelona manompo sampy. Fa rehefa miverina kosa dia honoiny vavaka sy hasiany soa, ary ilazany hoe « aza matahotra ». Milaza inona amin’ny finoana izany ? Manambara inona amin’ny mpino izany ?

Milaza sy manambara izany fa :

Tsara Jehovah

Teny telo fanalahidy :

Tsara = tsy miangatra amin’ny fiainan’ny olona Izy

Sampy = tezitra Izy miala Izy

Tezitra = nalainy ny Fanahy nataony ao anaty (Saoly mpanjaka no voa tamin’izany).

Koa ny kapoka ataony dia milaza fa tsara Izy, ny olombelona mantsy andrianin’Andriamanitra saingy ny olona no tia fanambaniana. Nivadika amin’Andriamanitra dia manolo an’Andriamanitra amin’ny sampy, koa satria tsara Izy dia mikapoka. Kapoka = fahatsaran’Andriamanitra.

Ny anarana hoe Jehovah Tompon’ny maro dia manana ny fahefana rehetra amin’ny voary rehetra satria lehiben’ny tafika any an-danitra.

Tsy misy hahatohitra Azy. Milaza izany fa ny hoe, tsy misy mahatohitra Azy dia tsara Jehovah. Toloroana Fanahy hendry mahatoky. Esoriny ny Fanahy Masina amin’ny mivadika aminy.

Ohatra :  Solomona dia nomena fahefana tahaka ny fasika ny habetsany, Saoly tsara tarehy lava ranjanana, nongotan’i Jehovah taminy ny Fanahy Masina dia lasa gaigy. Fa ny hoe « aza matahotra » ny heviny dia izao, tsy ho voakasiky ny loza, porofo fa tsara Jehovah. Famonjena tombony ny dikany, lasa ny fanandevozana sy ny ozona ary mitahiry ny fitahiany. Vita ihany ny 70 taona tany babilona.

I Hagay sy Zakaria dia samy ahitana fiverenana avy amin’ny Babilona hanorina indray an’ny Jerosalema (manda lapa tempoly). Noho izany ny fanorenana indray ny lapa sy ny tempoly dia midika fa aza matahotra miara-monina amin’Andriamanitra indray ny zanak’Israely, izany hoe ny fanjakana ampiana fivavahana (Saoly, Davida, Solomona miampy fivavahana) (Mosesy + vahoaka + didy folo). Tsy misaraka amin’ny fivavahana ny fitondrana.

Misy andriamanitra ratsy eto an-tany hivavahan’ny olona (andriamanitra lina ady, andriamanitra manome fanahy iray hahafaty ny fahavalo). Fa Jehovah kosa dia Andriamanitra tsara, manitsy amin’ny alalan’ny kapoka ka manome fahendrena sy fahazavana ary famonjena.

Ny finoana an’i Jehovah ary dia tsy mandeha ila fa misy lainy roa hatrany : kapoka = tsara Jehovah, fitahiana = tsara Jehovah.

Manisy soa Izy

Inona ny soa lazaina fa ataon’i Jehovah ? eo amin’ny andininy faha 11-13 dia izao : « hamoha amin’ny fiadanana ny voaloboka » (tsy vanona ny voaloboka amin’ny fotoana mikorotona na be rivotra). Ny tany hahavokatra dia tany matsiro, ny andon’ny tany hirotsaka. Tso-drano tanteraka izany. Ny famonjena iainana.  Ny Israely no ilazana izany. Ny soa izany = fiadanana, vokatra, ando ary tso-drano. Fiadanana avy amin’Andriamanitra. Vokatra avy amin’ny tany, andon’ny lanitra avy amin’Andriamanitra ary tso-drano avy amin’Andriamanitra.

Andriamanitra dia niasa mialoha tany Kanana tamin’ny alalan’ny tso-drano, jereo ny Deotoronomia 28/3-12. Tsy mbola nitsaka rano ny zanak’Israely dia nomena azy ny fitahiana.  Jehovah hanandratra ny zanak’Israely, Jehovah ny hamoha ny lanitra ho an’Israely. Ary nampanatena fa ho lasa firenena manankarena ny Israely. Dia tanteraka daholo ireo rehefa nonina tao Kanana  ny zanak’Israely.

Voky hanina sy maro anaka ny Israely, misokatra isan’andro ny fitahiana, misandratra sy mitombo hery.

Voky ny soa (kapoka ohatra). Dia niova ny Israely, rehefa nibebaka ny Israely dia nomen’Andriamanitra mpamonjy : Deobra, Gideona sns.

Andriamanitra miverina amin’izay miverina Aminy dia manisy soa « miverena amin’Andriamanitra dia miverina aminao Izy, izany hoe hanisy soa anao Izy. » Fibebahana = fahazahoana soa, soa azo = Andrimanitra. Miveren-dàlana amin’ny olona.

Hoy ny Salamo 34/8-10 : « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra ny olona izay mialoka AMiny ». Miverena amin’Andriamanitra dia ho sambatra ianao, tsy hanan-java-mahory, tsy ho orin-javatsoa.

I Petera, rehefa tena niverina teo amin’i Jesoa Kristy teo amin’ny tantara dia niteny hoe : « aza atao mitovy fahafatesana amin’ny Tompo aho, aoka hitsingolika ny hazo fijaliako ».

Ny devoly hoy Petera dia toy ny liona mandehandeha mierona mitady izay ho arapany. Ny devoly izany dia mijoko, masiaka, mitady izay hahafaty haingana. Koa rehefa tsy matahotra dia soa avy amin’i Jehovah ny tsy matahotra ny devoly.

Ao amin’ny Zakaria 8/14-17 : « maro ny olona manaradia ny Israely noho ny soa sesehena azon’ny Israely tamin’i Jehovah satria ny olona mahazo soa = omban’Andriamanitra, izany hoe tsy very mandeha, ny olon’Andriamanitra dia omban’Andriamanitra sy ny Anjely »

Fehiny

Aza matahotra intsony fa tsara Jehovah, manisy soa ny olona Izy. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Alahady 07 jona 2020

MIFANKATIAVA

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » Jaona 13/34-35

PERIKOPA: Salamo  133 ; Jaona 13/31-35 ; Romana 13/8-10

FITARIHANA

  1. Fanasana tongotra : fanetre-tena. Fidinana ho ambany. Fitaizana ho mpanompo. Mpampianatra sady Tompo aza manao izany ; nahoana moana raha samy mpianatra tsy hahavita ve ?
  2. Misy mpamadika anefa : Jesoa vao avy nampianatra fanetren-tena teo anefa, no nilaza mazava fa anankiray amin’ny mpianatra no hamadika Azy. Niteraka alahelo na horohorom-panahy izany ; tsy ny hanatanteraka an’ny gologota anefa, fa noho ny amin’ny iray izay ho very mantsy kanefa dia niray aina taminy ihany.
  3. Araka ny andininy 28-30 hoe : « Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana nahalala ny antony nilazany izany taminy. Fa nataon’ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesoa taminy hoe : vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an’ny malahelo. Ary rehefa mandry ny sombin-kanina izy dia nivoaka niaraka tamin’izay ; ary efa alina ny andro ». Noheverin’ny Apostoly fa zavatra hafa mihitsy ny resaka ka tsy dia nahoany ny nandre izay voalaza.

Fa ny zava-dehibe, tohin’ny fivadihan’ny anankiray tamin’ny Apostoly dia ny fifankatiavana. Hianareo 11 lahy, mifankatiava, didiko izany, fanaoko izany, fijoroana amin’ny maha mpianatro izany.

MIFANKATIAVA FA DIDIKO IZANY

Aza mamaly ratsy no dikany. Mamaly ratsy = fomban’ny olona mpanao andolom-po. Fitiavana soloina lolompo. Ny didin’i Jesoa Kristy = ovana lolompo. Koa raha misy olona hanaovana lolompo, itrangan-javatra sarotra dia lalovana fotsiny na iviliana làlana.

Ohatra : levita sy Mpisorona ao amin’ny Lioka 10/25-41

Satria tsy Jiosy voaendaka no hita ao, na dia misy lolo-po aza angamba eo amin’ny Samaritana sy Jiosy, tsy nandao na nandalo ilay Samaritana fa namonjy. Ny olona mitahiry lolom-po = avelao ho voa any.

Fianarana avy amin’Andriamanitra izany. Ny devoly tokana ihany no fahavalon’Andriamanitra. Mianara avy amin’Andrimanitra. Aza miangatra. Aza mizaha tavan’olona. Eny an-tsena dia misy olona mizaha tavan’olona. Ny fitafinao ivelany no jereny vao tombanany ny vidin-javatra. Asiako ity. Voako ity. Tsy misy fitiavana izany fa mety lolom-po tsy ahoan-tsy ahoana.

Ry malala, ny mahatehotia, ny voantson’Andriamanitra, ry masin’Andriamanitra. Raha tia an’Andriamanitra hianao, aza mankahala olona fa mpandainga eo imason’Andriamanitra ny toy izany. Manao ny asan’ny devoly ny toy izany. Izao no didy : « Izay tia an’Andriamanitra tsy maintsy tia ny rahalahiny ». Fitiavana mitovy lanja, mitovy refy ny fitiavana enti-mitia an’Andriamanitra sy ny manana.

Tsy misy AGAPE samy hafa.

  • Samy tsy misy fepetra
  • Izay olona mbola tian’Andriamanitra, tsy maintsy tiavina
  • Na faran’izay ratsy eo amin’ny fiaraha-monina aza. Andriamanitra tia azy = tiavo izy.

« Raha velona koa aho hoy Jehovah, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany ». Didy izany. Tsy lany andro izany. Mahantra mandrakizay izany. Tsy ho levona izany.

MIFANKATIAVA AO AMIN’NY TOMPO

« Tahaka ny nitiavako anareo no aoka hifankatiavanareo koa. » Mifankatiava ao amin’ny Tompo. Araka ny fomban’ny Tompo.  Araka ny fomba tsara ny Tompo. Fomba tsy misy tsiny, tsy misy kianina, tsy misy fanamarihana azo atao. Fomban’Andriamanitra = ny Azy irery no marina, ambony, tsy tratra ho hazavaina.

Mifankatiava ao amin’ny Tompo = fifankatiavana tokana no miseho eo amin’ny kristianina rehetra. Tsy manam-paharoa izany hoe tsy maintsy Jesoa eo amin’ny fiainana sy atao rehetra ary aleha rehetra. Mifankatia tsy maintsy misy Jesoa.

Raha mbola misy hoe ao amin’ny Tompo, sarotra ny tsy hifankatia, sarotra ny miziriziry. Miziriziry = nialan’ny fanahin’i Jesoa Kristy Mpampihavana.

Raha mbola mino isika fa Jesoa Kristy no niteny hoe : « Tahaka ny nitiavako ….. kosa » sarotra ny tsy hifankatia. Ny olombelona  efa mibasy efa maty angamba : olombelona tsy miraharaha izay mety ho vokatry ny teniny.

Ny mpianatry ny Tompo : tia ny Tompo. Tia ny teniny. Ao anatin’izany mifankatia ao amin’ny Tompo.

MIFANKATIA DIA FIJOROANA HO VAVOLOMBELON’I KRISTY

« Izany no hahafantaran’ny olona fa mpianatro hianareo rehefa mifankatia ».

Anisan’ny marina sy rariny tsy maintsy ijoroana ny fifankatiavana, mijoro tarihin’ny Fanahy Masina anefa. Mitandrina ny didy eo imason’ny olona. Atao azo tsapain-tanana fa mifankatia sy mitoetra amin’ny fifankatiavana ny Kristianina no dikany.

  • Ny olona tia fifankatiavana : olona manan-kaja, milaza fa olona ambony fiainana. (Zanak’Andriamanitra ny mpampihavana)
  • Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mahita soa ny manodidina ary misandratra (samaritana tsara fanahy)
  • Manao izay nataon’Andriamanitra. Manome ny sarobidy indrindra (Zanany lahy tokana)
  • Madio ny olona mifankatia satria tsy misy ratsy miserana akory eo aminy.

Noho izany ny olona ambony tarihin’ny Fanahy Masina tia manome ny sarobidy indrindra ary madio dia lazain’ny Jesoa Kristy fa mivelona, mandeha, manaraka ny didy tsy mavesatra (I Jaona 5/3) izany hoe azo lanjaina tsara miaraka amin’ny tena eny rehetra eny ny fitiavana. Sampona raha tsy manana izany.

Misy ohatra tsara lazain’ny Salamo 133 dia ny mpirahalahy miara-monina, izay oharina amin’ny diloilo. Diloilo : menaka fanosorana mpisorona : milaza fitahiana sy fahaoavana ary fiadanana.

Azo itarina amin’ny mpirahavavy miara-monina. Azo velarina any amin’ny rafozana sy vinanto (Vavolombelon’i Kristy). Ahoana ny hoe ny havantiana tsy hiara-monina ? Ahoana hoy ny Soratra Masina : « raha azo atao dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra ». Tsy rariny hoe havan-tiana tsy iaraha-monina. « Aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara » (II Jaona 11). Tsara : tsara ataon’ny olon’Andriamanitra ka halain’ny olona tahaka.

FEHINY

Hoy ny hafatra

  • Mifankatiava
  • Mifankatiava ao amin’ny Tompo
  • Mifankatiava fa vavolombelon’ny Tompo ny manao izany.

Ireo no hevitr’Andriamanitra rehefa mifankatia.

Mifankatia ao amin’ny Tompo, vavolombelon’ny Tompo.

Ny vavolombelon’ny Tompo dia mifankatia ao Aminy ary mifankatia amin’ny olona rehetra.

Trosa tsy mety voaloa io izany hoe na tsy voaloa aza ny fifankatiavana no ambony. Aleo very tsikalakalam-bola …

Betsaka ny trosa tsy voaloa. Tsy maintsy aloa anefa. Kanefa na tsy voaloa aza simbana ny fifankatiavana.

Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Pentekosta 2020

« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra » (Jaona 3/3)

Fanompoam-pivavahana: Alahadin’ny PENTEKOSTA 31 may 2020

Toriteny

« Nanatrika fampakaram-bady tao kana i Jesoa. Lany vatsy ny tompon’ny fanasana, lany divay. I Jesoa dia manala fahasahiranana ny olona. Nataony tonga divay ny rano tamin’ny siny vato 6. (6X6=36l). manampahefana hanova ny zava-boary i Jesoa.

Tamin’ny fotoana niakaran’i Jesoa voalohany tany Jerosalema dia nandroaka mpivarotra Izy sy nadrava tsena tao amin’ny kianjan’ny tempoly. Fahefan’ny mesia izany, fahefana miseho izany. (Sal 69/5) Mesia i Jesoa.

Fa eto amin’izao Jaona izao dia fahefana milaza fa fahefana ara-panahy koa dia ao amin’i Jesoa Kristy. Ka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanahy mandrakizay dia alalana avy aminy irery ihany no hahazoana miditra ao na any. Inona izany fahefana izany ? «  Raha tsy ateraka indray ny olona… »

Ahoana sy ahoana indray ary izany ?

Mandray ny fanahin’Andriamanitra

Ny hevitry ny soratra masina amin’izany : nilatsahan’ny fanahy masina. Nofenoina ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masia. N’iza iharan’izany dia lazaina fa ateraka indray : tarihin’ny fanahy masina.

Mandray ny fanahy masina : miara monina amin’ny fanahy masina. Ny sitrapon’ny fanahy masina no sitrapony. Départ zéro. Lasa ny taloha, tonga vaovao ? vao teraka. Mitombo. Miha lehibe.

Ohatra : ra-olona : ra olombaovao, ambony, ambony. Osa : sahy sns…

Petera : mientana, mivadika. Nony mandray ny fanahy masina (nilatsahany, feno ny fanahy masina, indro olom-baovao, sahy, mientana, miteny amin’ny manam-pahefana hoe : tsy ekena mihoatrano ho Andriamanitra ianareo. Andriamanitra no ekena mihoatra noho ianareo.

Stefana : niteny mazava nohon ny fanahy masina tao aminy. Indro ny zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Izay anisan’ny nampirodana ny olona hanome azy.  Finoana mahafaty kanefa mahavonjy mandrakizay. Teraka indray : olom-baovao mitombo, miova tsikelikely.  Tsy misy dia tonga lasa avy hatrany amin’ny fahaterahana. Ny fanahy masina mahery kanefa miasa miandalana (pas à pas ; petit à petit)

Ny fanahy masina tsy manova ny momba anateo rehetra tampotampoka eo. Manova tsikelikely Izy. Misy olona te hiova tampoka, tsy mahandry, fanahy masina ka lasa toy ny olona mifoha tampoka amin’ny torimaso, ka izy no miasa fa tsy ny fanahy masina, vokany miraparapa, manaonao foana.

Ateraka avy any ambony (tamin’ny voalohany teraka teo an-tany)

Avy amin’Andriamanitra.a vy amin’ny tenin’Andriamanitra. Mandray Azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Tsy azoazo amin’izao fa katsahina, sainina ny any amin’Andriamanitra. Omena anaram-baovao. (ny 70 lahy) nanaiky satana. Hitako nilatsaka tahaka ny varatra. Mifaly fa voasoratra any…. Tsy hoe manaiky anareo ny fanahy fa vaosoratra… lasa olon’ny lanitra : citoyen n’ny lanitra. Rehefa tonga ny fotoana dia hita maso izany.

Nikodemosy : hefa mihitsy ny heviny. Hiverina ho any ankibo. Teraka, hirombo, départ zéro. Hafahaha te ho ela velona eto. Samy fariseo i Paoly, na i NIcodeme f any an’i Paoly : mampiasa saina sy fo ary fanahy izanh hoe mikatsaka. Fiovana mahery vaika indray izy amin’izany : saoly = Paoly. Jodaisma : kristianina : olona mafy toto. Tsara orina. Mahefa be. Manana tanjona avo dia avo. Manadino ny any aoriana fa manatratra ny eo aloha. Olona karazany hefa noho ny olona rehetra. Tena Eugène na Eugénie. (tsara karazana)

Tsy hoe olona super fa olona tsara no ilazan’ny voambolana azy. Tsara orina. Tsy miova. Mafy toto. Mahatanty. Mahalala tena mahalala ny ataony.

Ao amin’ny batisa ny olona no ateraka indray. Eo no voasoratra ho isan’ny fiangonana sy ao amin’Andriamanitra na ao amin’ny  fanjakan’Andriamanitra. Ny EEM dia ery aoriana ery ny fanaovana batisa.

Olom-baovao tanteraka

Manana ny fiainan-danitra. Manana ny fitiavana sy fifaliana ary fiadanana. Manana vokatra betsaka amin’izany satria ny fanahy masina mihitsy no mikarakara azy. Voafafy ny voa, dia maniry, dia ampitomboin’ny fanahy masina. Tsy safidin’ny olona ny fitomboana fa asan’ny fanahy masina. Saingy ny olona manaiky ny fanahy masina no toy izany. Manaiky iasan’ny fanahy masina = tarihin’ny fanany masina ny fombany, ny fanao, ny fiasa ary ny fiteny … ka ny eritreritra mifanaraka amin’izay ianarana izay ianarana mifanaraka amin’izay lazaina ; ary izay lazaina mifanaraka amin’izay atao. Tsy misy fifanoherana ny fiaina rehefa olom-baovao tanteraka. Mazava fiaina ny olom-baovao tiaa dia tia. Faly dia faly. Fiadanana dia fiadanana.

Ohatra : misy olona mifady kisoa kanefa miompy kisoa (Pasteur Adventiste izay)

Fiangonana tsy tia croix bleu, tsy tia safif kanefa izy ihany no nanangana ireo. Fanahin’ny fampiviliana izany. DO RE MI = DOEMI

Vaovao fiaina ?

  1. Manao izay tiana atao
  2. Tsy maintsy tarihin’ny fanahy masina ka tsy misy fifanoherana ny fiainany.

Nahatanteraka ny fihazakazahako aho. Nefa noho ny mena miraviravy any amin’ny izao tontolo izao any dia mivadika izany hoe tsy tonga hatrany amin’ny farany akory.

Tanteraka ao amin’Andriamanitra ny fitiavana

Rha misy reservoir iray misy menaka na rano na rivotra, mafy be ny colle natao tamin’ny fanamboarana ny reservoir matoa tsy misy manary. (Intense) ny fitiavana intense (intense relation d’amour) dia tsara orina ka ny olom-baovao na olona nateraka indray dia olona miankina amin’ny fitiavana mahery, tsy misy fepetra, lalina ny fitiavany.

I Petera  raha nanontanian’i Jesoa dia namaly ny fanontanian’i Jesoa tsy araka ny izy

Moa tia ahy va hianao ? fitiavana agape va ny fitiavanao ahy ? tsy misy fepetra va ny fitiavanao ahy ? ianao no mahalala fa izaho tia anao. Tia anao : fitiavan-kavana na sakaiza no lazaina amin’izany. Misy fepetra. Fepetra : havana ka tiana (filia).

Tsy tanteraka ny fitiavana misy fepetra.

Hoy Jaona ao amin’ny I Jaona 4/7 : « ry malala (ry mahate ho tia) aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra. »

Kristianina teraka indray = mahatehotia no iantsoan’ny soratra masina azy.

Andriamanitra tia an’i Jesoa. Jesoa tia antsika. Isika tia an’Andriamanitra. Isika tia ny olona.

Tia = mitovy daholo eto, na ny an’Andriamanitra na ny an’i Jesoa Kristy, na ny antsika. Mitovy fitiavana. Eo no milaza fa azo atao ny mitovy amin’Andriamanitra. « aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo ».

FEHINY

aAteraka indray ?

« lazaiko aminareo marina dia marina , raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra »

  • Tsy maintsy mandray ny fanahy masina
  • Ateraka avy any ambony
  • Olom-baovao tanteraka
  • Tanteraka amin’ny fitiavana anefa

Mifamatotra amin’ny fanahy masina

Tsy misy lalan-kafa intsony. Làlana tokana io.

Miala tamin’ny fatoran’ny devoly fa mandroso kosa ho fatoran’ny fanahy masina. Tarihin’ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masina.

Tonge eo amin’ny teboka tsy afaka miverin-dàlana intsony. Point de non retour. Tsy mahazo miala intsony fa m/sy. Miaraka amin’i Jesoa Kristy Mpamponjy sy amin’ny Fanahy Masina mpanavao, ka tonga voaray vaovao mandrakizay. Mpandova miaraka amin’i Jesoa.

Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Andro Fiakarana

Alakamisy 21 may 2020

Andro Fiakarana

Fanompoam-Pivavahana: Andro Fiakarana Alakamisy 21 may 2020

Toriteny

« Fa Izaho milaza ny marina aminareo : MAHATSARA ANAREO NY FIALAKO » Jaona 16/7a

Ary amin’i Jaona 14/1 dia mazava fa halahelo ny  mpianatra noho i Jesoa nilaza marina fa handeha hanamboatra fonenanana hivantanana mandrakizay. Rehefa tonga anefa ny Fanahy Masina dia hisinda ihany izay alahelo izany ka hisolo hery, hisolo fiadanana, hisolo finoana matanjaka.

Eto amin’ny Jaona 16 indray, dia miampy ny fanomezan-toky fa mahatsara ny mpianatra ny fialan’i JESOA. Ny teny hoe MIALA moa : FIAINGANA, FANDAOZANA, FANDEHANANA tsy ho eto imaso intsony. Koa satria hiainga i Jesoa, hiala, handao, ho any an-danitra, inona ny hevitry ny hoe MAHATSARA ANAREO izany ?

Nahoana no mahatsara ny mpianatra ny fialany ?

HO AVY NY MPANANATRA

  • Jesoa lasa, ny Mpananatra tonga.
  • Jesoa lasa, ny Mpiaro tonga, ny Mpanampy tonga, ny Solovava tonga
  • Jesoa, nahavita ny asany, ny Fanahy Masina manao ny asany.
  • Asan’ny Fanahy Masina : Mpampahery ny Kristiana. Momba ny Kristiana. Mananmpy Kristiana eo amin’ny ady. Mitondra ny Kristiana hiady mihitsy.
  • Lasa ny don n°1, tonga ny don n°2, LASA Mpamonjy, TONGA ny Mpiaro ny famonjena
  • LASA ny 2ème personne amin’ny TRINITE. Tonga ny 3ème personne amin’ny TRINITE.

FAMONJENA efa VITA, fa ny fijoroana amin’ny maha voavonjy no ilàna ny Fanahy Masina.

HO AVY HO AN’NY MPIANATRA NY FANAHY MASINA

Ho an’ny Mpianatra no nahatongavany. Tsy ho an’izao tontolo izao satria tsy hainy raisina. Ho an’ny mpianatra satria hiara-miasa aminy. Hiara-monina aminy. Ho mpitarika azy. Hain’ny mpianatra ny mandray Azy.

Ny hahatonga ny Mpianatra na ny Krisitiana ho vavolombelona no antony. Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina sy miara-monina ary miara-miasa amin’ny Fanahy Masina dia vavolombelon’i Kristy ary tena sahy milaza ny fahamarinan’ny FILAZANTSARA na ny amin’ny Kristy sy ny FAHAMARINANY. Sarotra sy mafy ny mialaza ny marina sy Kristy sy ny fahamarinany.

Voalaza ny Soratra Masina dia IRAKA’Andriamanitra RAY sy IRAK’ i Jesoa Kritsy ny Fanahy Masina. Teny mampahery aza fa FANOMEZANA MAMPAHATSIARO ny amin’ny famonjena efa vita ny fahatongavany. Hoy ny TENY : «  Fa raha tonga ny Mpananatra Izay hirahiko ho aminareo avy amin’i RAY, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana… IZy no vavolombelon hanambara ahy » (Jaona 15/26)

Mitarika ny Kristiana ho Mpilaza ny an’i Kristy ny Fanahy Masina. Mpitarika hanoa programan’Andriamanitra ho amin’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Mitaona ny olona ho amin’ny AVO na ho amin’ny maha Zanak’Andriamanitra.

Ny TARIN’NY FANAHY MASINA : vavolombelona tahaka ny Fanahy Masina ihany. Mitovy asa amin’ny Fanahy Masina. Samy

  • Mpanampy
  • Solovava
  • Mpampahery

HO AVY HAMPIAIKY AN’IZAO TONTOLO IZAO IZY

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’izany dia ny hahatonga ny olona HANAIKY fa MPANOTA sy HANAIKY ny FAHAMARINANY ary ny FITSARANY

Ny asan’ny Fanahy Masina izany dia ny hahatonga nyolona hanaiky na hano FANEKENA fa i Jesoa Kritsy dia Mpamonjy ary efa vita ny famonjena. Ny mandray azy sisa no ataon’ny Olona. Koa ny olona mandray an’i Jesoa Kristy dia mahafantatra  mazava tsara MPANOTA izy kanefa i Jesoa Kristy manaiky ho ao aminy.

Ary koa ny olona mandray an’i Jesoa kristy dia mahafantatra tsara fa tsy misy marina mihoatra an’i Jesoa Kristy amin’izao fiainana izao na amin’ny hita na amin’ny tsy hita. Ary farany, ny olona mandray an’i Jesoa Kristy dia miharihary mainy fa izay ln’ny tenin’Andriamanitra dia efa toy ny didim-pitsarana.

Araka izany, ny asan’ny Fanahy Masina dia mahatonga ny olona mandray an’i Jesoa Kristy ho zanak’Andriamanitra  koa. Homeny anarana Zanak’Andriamanitra.

Tsy misy fahamarinana na amin’ny iza na amin’ny iza afa tsy ao amin’ny Jesoa Kristy.

Ary ny amin’ny faharesen’i Satana no tena lazaina amin’ny hoe FITSARANA.

NOHO IZANY REHETRA IZANY ARY :

  • Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina : feno ny Fanahy Masina. Olona resy lahatra fa ao amin’i Jesoa Kristy no resy ny OTA, mijoro ny fahamarinana, resy Satana.
  • Ny AFF ataon’ny Fiangonana : maneho ampahibemaso fa ny mpanota tsy maintsy mibebakan tsy maintsy manaiky fa ny marina ao amin’ny Baiboly no hany marina eken’Andriamanitra.
  • Ary ny Asa Fitoriana Filazantsara ataon’ny Fiangonana dia ny maneho fa resy ary efa resy Satana. TSIPAKY ny miala aina sisa ny azy.

fehiny

Ny andro fiakarana azy, dia andro milaza amintsika amin’ny alalan’ny FITARIHAN’NY FANAHY MASINA fa :

  • MIASA NY FANAHY MASINA
  • MAHATSARA ny FIangonana sy asan’ny FIangonana ary tena mahatsara azy
  • NY FANAHY MASINA moa dia tsy Iza fa Andriamanitra manohy ny asan’i Jesoa Kristy eo ampiandrasana ny fiverenany.
  • Ny asany dia : Mampahery, momba ny Fiangonana, vavolombelon’i Jesoa Kristy ary miteraka FANEKENA eo amin’ny Fiangonana fa Jesoa Kristy irery no efa nandresy ny OTA, Izy irery no marina ary Satana efa tsy mahapoitra intsony.

Ary dia ho amin’ny FIBEBAHANA no anton’ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny OLona. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Alahady 17 may 2020

Fanompoam-pivavahana

Fanompoam-pivavahana: Alahady 17 may 2020

TORITENY

PERIKOPA : II Tantara 15/1-7  Lioka 4/1-13 I Jaona 4/12-16

Ny Epistin’ny I Jaona 4 dia misy ireto fahamarinana ireto izay tsy azo avela :

  • Ny Fanahy manaiky fa tonga nofo Kristy no avy amin’Andriamanitra
  • Mandresy fahanin’ny antikristy ny Fanahy manaiky fa tonga nofo Kristy
  • Ny FIFANKATIAVANA no hery lehibe handresana ny fanahy antikristy
  • Ny avy amin’Andriamanitra mihaino ny Soratra Masina

Eto amin’ny Perikopa kosa, andininy 12-16 dia milaza fifandraisan’Andriamanitra Ray Zanaka ary ny Fanahy Masina amin’ny olona mino.

Inona avy no hafatra aterak’izany ?

1- NY MIFANKATIA DIA MANANA NY FANAHY MASINA ( and 12-13)

FITIAVANA iainan’olona mivelona amin’ny fahasoavana dia olona tia an’Andriamanitra, olona tia an’i Jesoa Kristy, olona tia olona. Mitovy ireo fitiavana ireo, porofo fa manana Fanahy Masina ; tarihin’ny Fanahy Masina; miara monina ao amin’Andriamanitra. Manana ny fanahy masina ; tia an’Andriamanitra RAY sy JESOA KRISTY Zanaka ary ny Olona rehetra.

2- NY MANAIKY AN’I JESOA KRISTY HO MPAMONJY = MITOETRA AO AMIN’ANDRIAMANITRA IZY

Ny Manaiky ny Mpamonjy sy vonona hitoetra amin’Andriamanitra dia milaza amin’ny fiainana fa Andriamanitra no tsy maintsy manao ny dingana voalohany vao ny olona. Mety amin’olombelona izany diaTsara ; tsy mety kosa miandry Andriamanitra. Ny Soratr’Andriamanitra aloha vao ny sisa manaraka ihany.

3- MITOETRA AO AMIN’ANDRIAMANITRA NY OLONA MIFANKATIA

Ry zanak’Andriamanitra ô ! tafatoetra va ny fonao ? Mifankatia amin’Andriamanitra va hianao ? mifankatiava amin’ny olombelona rehetra raha azo atao.

FEHINY

Manafatra ho antsika Andriamanitra ankehitriny fa

  • Ny manana ny FANAHY MASINA no manana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy. Tafatoetra amin’Andriamanitra ny FO. Izany no azo lazaina sy ambara fa mifankatia amin’Andriamanitra  ary teren’ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy maintsy mifankatia amin’ny olona toa azy koa.
  • Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia milaza fa feno ny Fiaianana hita maso ary ny tsy hita maso koa. Aoka h oeo ambany FITARIHANY ISIKA, fa izany no maha zanak’Andriamanitra sy olomboavoanjy ary olona masina antsika. « velona amin’ny fanomezana isika dia velona noho ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina aty ny tenin’Andriamanitra. » AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Alahady 10 may 2020

Fanompoam-pivavahana

Alahady 10 may 2020

Toriteny

Joba 27/01-10 ; Lioka 12/08-12 ; Romana 15/14 -21

« Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.»  Romana 15/14

Hoy Paoly tamin’ireo Kristiana tao amin’ny vondron’olona mpiara-miangona tao Roma eto amin’ity Romana 15/14 « Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo…. »; azoko antoka hianareo ; azo iambohoana hianareo. Mahefa hianareo na dia tsy mifanatrika aza. Ny tian’i Paoly ambara dia ny lalàm-pivavahana izay lany andro, raha vao mandray an’i Kristy ny Mpino ary indrindra indrindra honenan’ny Fanahy Masina, fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina (Romana 14/17), lany andro ny resaka sakafo sy resaka andro sns.

Ny tena manana ny Fanahy Masina ary dia ny olona mahatoky, tsy mora mihozongonzona na mevembena tsy mirona atsy sy arao, izany hoe tsy mahajoro tsara fa mihilangilana tsy mitsahatra. Ny azo itokiana izany dia tsotra ny valin-teny omen’ny hafatra azy dia izao :

  1. Feno fahatsarana
  2. Feno fahalalana
  3. Mahay mifananatra

FEHINY

Ny fiangonan’Andriamanitra dia :

  • Matoky azy ny Tompo
  • Mpanompon’i Jesoa Krsity Tokana
  • Sahy amin’ny zavatra rehetra
  • Mirehareha noho ny asan’ny Fiangonana

Ny Fiangonana izany dia fiangonana Velona noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena tao amin’i Kristy Jesoa sy ny Fanahy Masina. Noho izany dia mivelona :

  • Amin’ny fahatsarana, amin’ny fo madio
  • Amin’ny fahalalana, amin’ny saina hendry
  • Amin’ny fananarana, amin’ny anaran’ny Tompo sy a :in’ny herin’ny tenin’ny Tompo

Ny Fiangonan’Andriamanitra izany dia MADIO = HENDRY = MIFANANATRA ary atao hoe MAHATOKY.

AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fanompoam-pivavahana alahady 26 aprily 2020

« Fa ny hita dia vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay » . 2Kor4:18b

Fanompoam-pavavahana Alahady 26 Aprily 2020

Toriteny: 26 aprily 2020

 « Fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrikizay» 2Kor 4 18b

Hoy ny dikan-teny fototra « fa ny hitan’ny maso dia vonjimaika ihany, fa ny tsy hitan’ny maso kosa dia ny mandrakizay », hoy ny DIEM « ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay ».

Izao hita maso izao izany dia miserana sy vonjimaika, tsy tena izy ary mandalo ihany. Fa ny tsy hita kosa dia maharitra mandrakizay na ny mandrakizay tena izy. Ny fiainana izany dia miserana sy vonjimaika ary mandalo. Toy ny trano lay, trano mora simba,trano mora mikoro. Fa ny tsy hita ny an’Andriamanitra, miaraka amin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay na MANDRAKIZAY. Tsy azo ferana, tsy mety simba, tsy mety lo, tsy mety mikoro. Trano tsy natao tanana.

Milaza inona amin’ny finoana Kristiana izany ? Mampaninona antsika Kristiana izany teny izany ? Inona ny fahamarinana amin’izany eo amin’ny fiainana ? Betsaka ny valin-teny azo atolotra, fa ireto telo ireto no sainina vetivety ka hodinihina :

  1. Ny fiheverana ny tsy hita dia manafoana ny fahaketrahana
  2. Ny fiheverana ny tsy hita dia fanavaozana ny fiainana anaty
  3. Ny fiheverana ny tsy hita dia ahazahoana ny satro-boninahitra mandrakizay

FEHINY

Ny olombelona mino, manantena, tia ny fiainana tsy hita izay maharitra mandrakizay dia olombelona :

  • Tsy ketraka. « Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany» 2Kor4/16a
  • Olom-baovao. « dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny. » 2Kor4/16b
  • Ho voatafy voninahitra mandrakizay. « voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay » 2Kor4/17

Izany hoe ho Mpandresy eto an-tany, mandroso ho amin’ny fiainana Mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra hahazo ny satro-boninahitra mandrakizay. Miara mandova amin’ny Kristy. Marina amin’ny hita maso noho ilay tsy hita maso. Amin’izay fotoana izay dia mazava fa zanak’Andriamanitra isika ary zanak’Andriamanitra Mandrakizay.

AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty