Tongasoa

Teny fanoloran’ny Mpitandrina

Isaorana Andriamanitra Izay Tompon’ny fahalalana rehetra. Isaorana Izy fa avy aminy ny zavatra rehetra izay ivelomantsika maimaimpoana. « Izy tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? » Romana 8/32. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

Ny Fiangonana dia tsy afa-miala amin’izao tontolon’ny fandrosoana misy eto amin’ity tany ity. Tsy ny fandrosoana no manery ny Fiangonana handroso, fa ny Fiangonana no mampiasa ny fandrosoana hahavitany ny IRAKA hampanaovina azy.

Koa indro ary ny tranokalan’ny Fiangonana ampiasaina ho amin’ny asa fampandrosoana ny Fiangonana sy izay miara – miasa aminy, atolotra mba :

  • Hilazalaza ny mombamomba ny Fiangonana
  • Ny asa ny Fiangonana
  • Ny fikasan’ny Fiangonana
  • Ny fifandraisan’ny Fiangonana etsy sy eroa
  • Ny sampana sy ny sampan’Asa ary ny Asa sy ny Fikambanana velona ao aminy
  • Ny fampianarany
  • Sy ny sisa

Dia amin’ny Anaran’i KRISTY JESOA ary, Ilay momba mandrakariva ny Fiangonana ambarapahatongavan’ny fahataperan’izao tontolo izao no anaovana izao teny fanoloroana izao. MIORENA – AZA MIOVA – MAHEREZA – MAHARETA – MAHAVITA.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra AMENA