HFM 02: Talata 26 may 2020

ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)

ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)

ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)

Eto amin’ny Filazantsara eto dia misy FOTO-PINOANA toy izao :

  • Maro dia maro ny asa tsy azo atao amin’ny andro SABATA
  • Saingy, misy ASA KOSA, tsy hanana fitsaharana fa manainga ny olona mba hiatrika izany amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra.

Ireto avy ny asa azo atao amin’ny SABATA : mamonjy biby latsaka ankady. Manasitrana. Manao soa sy miantra. Mitory vaovao mahafaly.

Fa ny FARISEO tsy faly noho izay asa famonjena na asa soa izay ka niara-nisaina hahafaty an’i Jesoa Kristy. Amin’ny Fariseo dia FAHOTANA mahafaty ny manao asa soa amin’ny SABATA. Amin’i Jesoa Kristy kosa= TSIA. Andro hiasam-pamonjena ny SABATA.

OLOM-BOAFIDIN’ANDRIAMANITRA NY MANAO ASA

« Mpanompo voafidy ». Olona navahan’Andriamanitra manokana haneho ny voninahiny. Nataon’Andriamanitra misongadina amin’ny mpiara-belona aminy.

Ohatra : Mpaminany, mitondra ny hafatr’Andriamanitra. Mpisorona, Mpitsabo…

Amin’ny andro ankehitriny : Pompier, Police, Mpitsabo sns. Manao soa ireny. Eken’Andriamanitra ny ASA SABATA ataon’ireny.

MALALAN’ANDRIAMANITRA KOA 

Hoy ny teny eto ; « izay sitraky ny foko indrindra. Jesoa Kritsy no voalaza amin’izany eto. Nefa ny Fiangonana dia voalaza koa fa malalan’Andriamanitra sdy voantso no marina.

Afaka manao asa famonjena ny Fiangonana na dia andro alahady aza. Tombotsoa ny hoe malalan’Andriamanitra sady voantso no masina= adidy amin’ny Andraikitra no miandry sy manentana ary maniraka. Adidy amin’ny andraikitra = manao soa, mamonjy, mitory filazantsara. Asan’ny Fiangonana ny manao asa TSARA amin’ny SABATA.

IZAY IPETRAHAN’NY FANAHY MASIN’ANDRIAMANITRA

« Hapetrako ao aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny Izy. »

Ny hoe « rariny » eto = lalàna ho an’ny olona rehetra. Mampitovy ny olona rehetra ny lalàna. Mampitovy . samy MILA FAMONJENA.SAMY mila soa. Samy mila ny tsara ho eo amin’ny fiainany. MITORY FAMPITOVIANA ny ipetrahan’ny Fanahy Masina.

Koa ilay lehilahy maty tanana, n’iza n’iza teo amin’ny toerany dia te-ho sitrana daholo. Anisan’izany ny FARISEO izay tsy tia manasitrana andro sabata.

Koa ny asan’ny Fanahy Masina dia mamonjy ny olona rehetra misy fahavoazana ary mampitovy ny olona rehetra amin’izany.

FEHINY

Ry olom-boafidin’Andriamanitra ô ! RY malalan’Andriamanitra ô ! Ry Fiangonana fonenan’ny Fanahy Masina ô ! Miasà – Manaova soa. Mamonje. Aza mitsahatra. Fa i Jesoa Kristy izay maniraka INDRO MOMBA  ANAO. Amena.

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *