Fampianarana Alakamisy MASIANA 09 Aprily 2020

Ny fanompoan’i Jesoa Kristy Mpisoronabe

Ny fanompoan’i Jesoa Kristy Mpisoronabe

Lohahevitra : « NY FANOMPON’I JESOA KRISTY MPISORONABE »

SORATRA MASINA : Salamo 83 1-10 ; Marka 14 32-42 ; Hebreo 5 7-10

Ny anarana hoe MELKIZEDEKA dia hoe MELKI = MPANJAKA ary ny ZEDEKA (ZADOKA) = MPISORONA, noho izany sady MPANJAKA no MPISORONA i MELKIZEDEKA.

JESOA KRISTY MESIA = MPANJAKA – MPISORONA – MPAMINANY, izay tonga ho olombelona ho famonjena ny olombelona, manompo ny olombelona tamin’ny alalan’ny vavaka sy fangatahana sy fitairanana ary tamin’ny fahoriana. Lasa loharanon’ny FAMONJENA = NAMONJY. Dia notononina hoe MPISORONABE araka ny fanaon’i MELKIZEDEKA.

Miseho amin’ny fiasa telo (03) ary ny fanaon’i MELKIZEDEKA amin’ny fanompoany an’Andriamanitra :

  1. Vavaka sy fangatahana sy fitairanana mafy ary an-dranomaso be ;
  2. Mianatra fanarahana sy fahoriana ;
  3. Manaiky ho loharanon’ny Famonjena.

FEHINY : Hafatry ny ALAKAMISY MASINA 2020

  • Tiava vavaka
  • Mianara manetry tena
  • Ho fiasam-pamonjena

Manatoana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny VAVAKA, miasa ny asan’Andriamanitra amin’ny FANETRE TENA, ary ho fantsona ho fiasam-pamonjena homban’ny Fanahy Masina ho an’ny hafa anie ianao.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *