Fampianarana Alarobia MASINA 08 Aprily 2020

Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny.

Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny

Alarobia MASINA 08 Aprily 2020

Lohahevitra : « NY EFESIANA TALOHA SY ANKEHITRINY »

SORATRA MASINA : Salamo 22 12-18 ; Marka 14 1-2 ; Efesiana 2 1-7

Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny na isika taloha sy ny ankehitrinintsika arak’izany nisy lalana nizorana taloha, kanjo noho ny amin’ny Kristy, dia nialana io lalana io ka nandeha tamin’ny lalam-baovao. Fa manao ahoana moa izany lalan’ny Efesiana taloha izany? Feno ota, fahafatesana, feno ny fomban’izao tontolo izao, zanaky ny tsy fanarahana, tsy miraharaha afa tsy ny nofo, zanaky ny fahatezerana, miantehitra amin’ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia fanjakan’ny devoly. Fara fahakeliny ny fiainana ratsy fito (07) izay midika fa ny fahafenoan’ny faharatsiana.

Fa rehefa ao amin’ny Kristy Jesoa kosa dia indro fiainana vaovao, ny Efesiana ankehitriny dia :

  1. Velona amin’ny fahasoavana
  2. Velona amin’ny hamoram-panahy
  3. Velona miaraka amin’ny Kristy izay efa any an-danitra

FEHINY :

Ny Kristiana mivelona amin’ny FAHASOAVANA sy ny FAHAMARINANA avy amin’Andriamanitra dia manorina ny fanantenany amin’ny Kristy any an-danitra. AMENA

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *