Alahady 24 may 2020

Fanompoam-pivavahana

TORITENY

Perikopa : II SAM 23/1-7 ; MAT 12/22-30 ; GAL 5/16-26

Raha ny fanaon’ny Fiangonana, dia Alahady fanombohan’ny Fiangonana ny Fankalazana an’Andriamanitra noho ny herin’andron’ny Fanahy Masina. Nefa moa, noho ny asan’ny COVID.19 dia voatery ihany na ny Fiangonana aza no tsy nahatanteraka izany. Na izany aza mahery lalandava isika noho ny Fanahy Masina.

Izao mantsy ao anatin’ny sarotra no maneho hevitra tahaka izay nataony tamin’ny Fiangonan’ny Israely ao amin’ny Jeremia 29/11 hoe : «  Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany ». Zanak’Israely mbola babo, nijaly, 70 taona no nitenenany an’izany. Koa satria mananan toky isika dia vonona hiaina indray ny hafatra, hihinana ny sakafo omena amin’izao andro anio izao. Ndao ary ny Perikopa 3, II Sam 23 : 1-7 ; Mat 12 : 22-30 ary ny Gal 5 : 16-26 no heverina miaraka.

IZAY VOALAZA AO AMIN’NY II SAM 23 : 1-7

Ny amin’i Davida olom-boahosotr’i jehovah

Nampidinina menaka ny loha. Fanosoran’i Jehovah olona iray ho Mpanjaka izany. (I Sam 10/1) (I Sam 16/12-13) Salamo 89/20). Hanan’i Jehovah fahefana ary azy irery ny fahefana amin’ny fitondrana io olombelona io, voahosotra io. Koa ny olona te-hampihatra fahefana amin’ny olona voahosotr’i Jehovah dia MELOKA eo anatrehan’i Jehovah (Rom 13/1-2) : « Izay manohitra ny voatendrin’Andriamanitra dia hahazo fahamelohana ».

Ny olom-boahosotra, voatendrin’Andriamanitra dia olona voasandratr’Andriamanitra. Olona manana talenta. Olona ampitenenin’ny Fanahy Masina. Olona matahotra an’Andriamanitra. Olona mazava.

Ny teny hoe : NY FANAHIN’I Jehovah no mampiteny ahy : NOTARIHIN’NY Fanahy Masina izy. Tsy misandratrandratra amin’izao, na miteniteny, na matahotra an’Andriamanitra fa olona entanin’ny Fanahy Masina ny fisiany sy ny fiainany. Tarihin’ny Fanahy.

ireto avy ny olona voahosotra ao amin’ny Testamenta Taloha : Mpanjaka, Mpaminany, Mpisorona             Ny fanoherana an’ireo, ny fandavana an’ireo : maha meloka : maha fahavalon’Andriamanitra mihitsy aza.

Ireto avy ny olom-boatendry mitovy kilasy, mirazotra amin’ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao : (Mpiandry, Mpitandrina, Diakona, Mpampianatra). Ny fanoherana ireo : heloka atao amin’Andriamanitra.

Fanoherana, filana ady, fitadiavana ny fomba rehetra hahavoa ilay voahosotr’Andriamanitra. Hanao ratsy aminy. Hamely azy.

Mandrara ary ny tenin’Andriamanitra fa : an’Andriamanitra irery ny fahefana hamaly ny voahosony. An’Andriamanitra irery ny fikapohana raha izay no hilazana azy. Tsy misy anjaran’olombelona ny amin’izany.

Eto ary, i Davida dia manolotra lova ara-panahy ary mamerina ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny olon’Andriamanitra izay notenenin’Andriamanitra taminy : FA IZAY MPITONDRA OLONA, izay voahosotr’i Jehovah dia toy ny JIRO mirehitra manomboka maty masoandro ka mandra-paha-mangiran-dratsy. Ny asan’ny Fanahy Masina no mahatanteraka izany eo amin’ny  DAVIDA, eo amin’ny DIMBINY, eo vahoakan’Andriamanitra. Eo amin’ny ho avy rehetra. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina no miantoka.

Ahoana hoy ny perikopa faharoa ?

IZAY VOALAZA AO AMIN’NY MATIO 12/21-30

Ny fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ny hevitry ny FARISEO izay mandesoka ny Fanahy miaa ao amin’I Jesoa Kristy tamin’ny nahasitranany ilay demoniaka sady MOANA no JAMBA. Ny Fanahy niasa tamin’izany dia lazain’ny FARISEO fa BELZEBOBA lohan’ny Demonia no amoahan’i Jesoa ny Demonia.

FITENENAN-DRATSY ny Fanahy Masaina izany. BLASPHEMIA izany. TSY VOAVELA HELOKA ny olona manao izany. ADY AN-TRANO IZANY. FAHARAVANA IZANY. Hevi-diso tanteraka izany.

Ny TENA izy, ny asan’ny Fanahy  Masina namoahan’i Jesoa Kristy ny demonia dia milaza fa efa tonga eo amin’ny olona  ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA. AHOANA IZANY ? Inona indray ny hafatra ?

Tonga ny Fanjakana tsy ho rava mandrakizay. Tonga ny fanapahana mandrakizay, tsy mety tapitra. Tanan’Andrimanitra miasa eo amin’ny olona mandrakizay, izany dia ilay fanjakana ao anatin’ny olona izany hoe Jesoa Kristy + Fahahy Masina no hany Fanjakana afaka mandresy izao tontolo izao sy satana ary ny forongony ary miasa ao amin’ny olona.

Fanjakana ara-panahy. Milaza fahamasinana ; fanjakana maro fahavalo indrindra. Fanjakana madio indrindra.

Koa n’iza n’iza mandray an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina dia maro fahafavalo izy ary ny DEMONY no voalohany amin’izany. Ny demonia no tena fahavalony.

Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy misy maharesy na oviana na oviana. Izany no fanjakana misy an’i Jesoa Kristy Mpanjaka sy ny Fanahy Masina Mpitari-dalana. Jesoa Kristy+ Fanahy Masina Mandresy mandrakizay.

TOKONY TSY HIALA AO AMIN’NY FISAINANA KRISTIANINA ny hoe : « Izay mandresy an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina dia olona voahosotra anarana ao amin’ny fanjakan’Andrimanitra mandrakizay ary tsy azo avoaka ao intsony. INDRAY MANDEHA ny FISORATANA ANARANA. » Mitovy amin’ny commune ankehitriny…

IZAY TARIHIN’NY FANAHY MASINA no manana ny fiainana mandrakizay (araka an’i Jaona) na olon’ny fanjakan’Andriamanitra (araka ny Synoptika) (Matio, Marka, Lioka). (Fanjakana, Fiainana).

Fa ny perikopa faha telo kosa dia :

IZAY VOALAZA AO AMIN’NY GALATIANA 5/16-26

MISY TENY TELO azo heverina ho fanalahidy ireto :

  • MANDEHANA araka ny FANAHY (16)
  • MAMOKATRA ny FANAHY (22)
  • MAHAVELONA ny FANAHY (25)

« Mandehana araka ny Fanahy » izany hoe tsy manan-kery ny OTA, tsy anjakan’ny OTA. Tsy meloka intsony. Mpanara-dalàna. Mahafaty tena mihitsy manao ny asan’Andriamanitra. Mitafy an’i Jesoa Kristy

Ny olona tarihin’ny Fanahy = tena miara-dalaàna amin’i Jesoa Kristy, mihazona an’i Jesoa Kristy, tsy mety misaraka sy tsy mahafoy an’i Jesoa Kristy. Izay mihatra aminy mihatra amin’i Jesoa Kristy. Izany ny hoe MANDEHA. Fanahy monina. Jesoa FITAFIANA.

Izany hoe, asiana heviny ara-panahy avokoa ny zavatra rehetra. Sokafy ny masom-panahinay hahitanay ny zava-mahagaga avy amin’ny teninao. Ohatra hihaino ny finoana mahafindra tendrombohitra, hevi-panahy, ny avonavona voaova fanetre-tena.

Izany hoe, ny fiainana rehetra dia tsy fiainana raha vao miala amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana = Jesoa Kristy = Fiainana. Manana an’i Jesoa Kristy izany manana ny fiainana, ary manana be dia be. Tsy misy lalan-dratsy.

Noho izany ny Kristiana velona mira Kristiana manao ny marina sy Kristiana ara-panahy, ary manana ny fiainana mandrakizay dia manana an’i Jesoa Kristy fiainana Mandrakizay.

FEHINY

Aza manao tsinotsinona ny olom-boahosotra, fa ny fanahin’i Jehovah no ao anatin’ireny.

Aza manao fanohara-poana ny Fanhy Masina sao hanenina mandrakizay.

Meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva dia ho velona araka ny Fanahy, izay mandeha, mamokatra, aoka ho velona ara-panahy.

Izany no fiainana Kristiana eo ampiandrasana an’i Jesoa Kristy ho avy ka hitondra fiainam-baovao tena azo tsapain-tanana amin’izay fotoana izay. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Andro Fiakarana

Alakamisy 21 may 2020

Andro Fiakarana

Fanompoam-Pivavahana: Andro Fiakarana Alakamisy 21 may 2020

Toriteny

« Fa Izaho milaza ny marina aminareo : MAHATSARA ANAREO NY FIALAKO » Jaona 16/7a

Ary amin’i Jaona 14/1 dia mazava fa halahelo ny  mpianatra noho i Jesoa nilaza marina fa handeha hanamboatra fonenanana hivantanana mandrakizay. Rehefa tonga anefa ny Fanahy Masina dia hisinda ihany izay alahelo izany ka hisolo hery, hisolo fiadanana, hisolo finoana matanjaka.

Eto amin’ny Jaona 16 indray, dia miampy ny fanomezan-toky fa mahatsara ny mpianatra ny fialan’i JESOA. Ny teny hoe MIALA moa : FIAINGANA, FANDAOZANA, FANDEHANANA tsy ho eto imaso intsony. Koa satria hiainga i Jesoa, hiala, handao, ho any an-danitra, inona ny hevitry ny hoe MAHATSARA ANAREO izany ?

Nahoana no mahatsara ny mpianatra ny fialany ?

HO AVY NY MPANANATRA

  • Jesoa lasa, ny Mpananatra tonga.
  • Jesoa lasa, ny Mpiaro tonga, ny Mpanampy tonga, ny Solovava tonga
  • Jesoa, nahavita ny asany, ny Fanahy Masina manao ny asany.
  • Asan’ny Fanahy Masina : Mpampahery ny Kristiana. Momba ny Kristiana. Mananmpy Kristiana eo amin’ny ady. Mitondra ny Kristiana hiady mihitsy.
  • Lasa ny don n°1, tonga ny don n°2, LASA Mpamonjy, TONGA ny Mpiaro ny famonjena
  • LASA ny 2ème personne amin’ny TRINITE. Tonga ny 3ème personne amin’ny TRINITE.

FAMONJENA efa VITA, fa ny fijoroana amin’ny maha voavonjy no ilàna ny Fanahy Masina.

HO AVY HO AN’NY MPIANATRA NY FANAHY MASINA

Ho an’ny Mpianatra no nahatongavany. Tsy ho an’izao tontolo izao satria tsy hainy raisina. Ho an’ny mpianatra satria hiara-miasa aminy. Hiara-monina aminy. Ho mpitarika azy. Hain’ny mpianatra ny mandray Azy.

Ny hahatonga ny Mpianatra na ny Krisitiana ho vavolombelona no antony. Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina sy miara-monina ary miara-miasa amin’ny Fanahy Masina dia vavolombelon’i Kristy ary tena sahy milaza ny fahamarinan’ny FILAZANTSARA na ny amin’ny Kristy sy ny FAHAMARINANY. Sarotra sy mafy ny mialaza ny marina sy Kristy sy ny fahamarinany.

Voalaza ny Soratra Masina dia IRAKA’Andriamanitra RAY sy IRAK’ i Jesoa Kritsy ny Fanahy Masina. Teny mampahery aza fa FANOMEZANA MAMPAHATSIARO ny amin’ny famonjena efa vita ny fahatongavany. Hoy ny TENY : «  Fa raha tonga ny Mpananatra Izay hirahiko ho aminareo avy amin’i RAY, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana… IZy no vavolombelon hanambara ahy » (Jaona 15/26)

Mitarika ny Kristiana ho Mpilaza ny an’i Kristy ny Fanahy Masina. Mpitarika hanoa programan’Andriamanitra ho amin’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Mitaona ny olona ho amin’ny AVO na ho amin’ny maha Zanak’Andriamanitra.

Ny TARIN’NY FANAHY MASINA : vavolombelona tahaka ny Fanahy Masina ihany. Mitovy asa amin’ny Fanahy Masina. Samy

  • Mpanampy
  • Solovava
  • Mpampahery

HO AVY HAMPIAIKY AN’IZAO TONTOLO IZAO IZY

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’izany dia ny hahatonga ny olona HANAIKY fa MPANOTA sy HANAIKY ny FAHAMARINANY ary ny FITSARANY

Ny asan’ny Fanahy Masina izany dia ny hahatonga nyolona hanaiky na hano FANEKENA fa i Jesoa Kritsy dia Mpamonjy ary efa vita ny famonjena. Ny mandray azy sisa no ataon’ny Olona. Koa ny olona mandray an’i Jesoa Kristy dia mahafantatra  mazava tsara MPANOTA izy kanefa i Jesoa Kristy manaiky ho ao aminy.

Ary koa ny olona mandray an’i Jesoa kristy dia mahafantatra tsara fa tsy misy marina mihoatra an’i Jesoa Kristy amin’izao fiainana izao na amin’ny hita na amin’ny tsy hita. Ary farany, ny olona mandray an’i Jesoa Kristy dia miharihary mainy fa izay ln’ny tenin’Andriamanitra dia efa toy ny didim-pitsarana.

Araka izany, ny asan’ny Fanahy Masina dia mahatonga ny olona mandray an’i Jesoa Kristy ho zanak’Andriamanitra  koa. Homeny anarana Zanak’Andriamanitra.

Tsy misy fahamarinana na amin’ny iza na amin’ny iza afa tsy ao amin’ny Jesoa Kristy.

Ary ny amin’ny faharesen’i Satana no tena lazaina amin’ny hoe FITSARANA.

NOHO IZANY REHETRA IZANY ARY :

  • Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina : feno ny Fanahy Masina. Olona resy lahatra fa ao amin’i Jesoa Kristy no resy ny OTA, mijoro ny fahamarinana, resy Satana.
  • Ny AFF ataon’ny Fiangonana : maneho ampahibemaso fa ny mpanota tsy maintsy mibebakan tsy maintsy manaiky fa ny marina ao amin’ny Baiboly no hany marina eken’Andriamanitra.
  • Ary ny Asa Fitoriana Filazantsara ataon’ny Fiangonana dia ny maneho fa resy ary efa resy Satana. TSIPAKY ny miala aina sisa ny azy.

fehiny

Ny andro fiakarana azy, dia andro milaza amintsika amin’ny alalan’ny FITARIHAN’NY FANAHY MASINA fa :

  • MIASA NY FANAHY MASINA
  • MAHATSARA ny FIangonana sy asan’ny FIangonana ary tena mahatsara azy
  • NY FANAHY MASINA moa dia tsy Iza fa Andriamanitra manohy ny asan’i Jesoa Kristy eo ampiandrasana ny fiverenany.
  • Ny asany dia : Mampahery, momba ny Fiangonana, vavolombelon’i Jesoa Kristy ary miteraka FANEKENA eo amin’ny Fiangonana fa Jesoa Kristy irery no efa nandresy ny OTA, Izy irery no marina ary Satana efa tsy mahapoitra intsony.

Ary dia ho amin’ny FIBEBAHANA no anton’ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny OLona. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Alahady 17 may 2020

Fanompoam-pivavahana

Fanompoam-pivavahana: Alahady 17 may 2020

TORITENY

PERIKOPA : II Tantara 15/1-7  Lioka 4/1-13 I Jaona 4/12-16

Ny Epistin’ny I Jaona 4 dia misy ireto fahamarinana ireto izay tsy azo avela :

  • Ny Fanahy manaiky fa tonga nofo Kristy no avy amin’Andriamanitra
  • Mandresy fahanin’ny antikristy ny Fanahy manaiky fa tonga nofo Kristy
  • Ny FIFANKATIAVANA no hery lehibe handresana ny fanahy antikristy
  • Ny avy amin’Andriamanitra mihaino ny Soratra Masina

Eto amin’ny Perikopa kosa, andininy 12-16 dia milaza fifandraisan’Andriamanitra Ray Zanaka ary ny Fanahy Masina amin’ny olona mino.

Inona avy no hafatra aterak’izany ?

1- NY MIFANKATIA DIA MANANA NY FANAHY MASINA ( and 12-13)

FITIAVANA iainan’olona mivelona amin’ny fahasoavana dia olona tia an’Andriamanitra, olona tia an’i Jesoa Kristy, olona tia olona. Mitovy ireo fitiavana ireo, porofo fa manana Fanahy Masina ; tarihin’ny Fanahy Masina; miara monina ao amin’Andriamanitra. Manana ny fanahy masina ; tia an’Andriamanitra RAY sy JESOA KRISTY Zanaka ary ny Olona rehetra.

2- NY MANAIKY AN’I JESOA KRISTY HO MPAMONJY = MITOETRA AO AMIN’ANDRIAMANITRA IZY

Ny Manaiky ny Mpamonjy sy vonona hitoetra amin’Andriamanitra dia milaza amin’ny fiainana fa Andriamanitra no tsy maintsy manao ny dingana voalohany vao ny olona. Mety amin’olombelona izany diaTsara ; tsy mety kosa miandry Andriamanitra. Ny Soratr’Andriamanitra aloha vao ny sisa manaraka ihany.

3- MITOETRA AO AMIN’ANDRIAMANITRA NY OLONA MIFANKATIA

Ry zanak’Andriamanitra ô ! tafatoetra va ny fonao ? Mifankatia amin’Andriamanitra va hianao ? mifankatiava amin’ny olombelona rehetra raha azo atao.

FEHINY

Manafatra ho antsika Andriamanitra ankehitriny fa

  • Ny manana ny FANAHY MASINA no manana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy. Tafatoetra amin’Andriamanitra ny FO. Izany no azo lazaina sy ambara fa mifankatia amin’Andriamanitra  ary teren’ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy maintsy mifankatia amin’ny olona toa azy koa.
  • Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia milaza fa feno ny Fiaianana hita maso ary ny tsy hita maso koa. Aoka h oeo ambany FITARIHANY ISIKA, fa izany no maha zanak’Andriamanitra sy olomboavoanjy ary olona masina antsika. « velona amin’ny fanomezana isika dia velona noho ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina aty ny tenin’Andriamanitra. » AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Alahady 10 may 2020

Fanompoam-pivavahana

Alahady 10 may 2020

Toriteny

Joba 27/01-10 ; Lioka 12/08-12 ; Romana 15/14 -21

« Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.»  Romana 15/14

Hoy Paoly tamin’ireo Kristiana tao amin’ny vondron’olona mpiara-miangona tao Roma eto amin’ity Romana 15/14 « Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo…. »; azoko antoka hianareo ; azo iambohoana hianareo. Mahefa hianareo na dia tsy mifanatrika aza. Ny tian’i Paoly ambara dia ny lalàm-pivavahana izay lany andro, raha vao mandray an’i Kristy ny Mpino ary indrindra indrindra honenan’ny Fanahy Masina, fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina (Romana 14/17), lany andro ny resaka sakafo sy resaka andro sns.

Ny tena manana ny Fanahy Masina ary dia ny olona mahatoky, tsy mora mihozongonzona na mevembena tsy mirona atsy sy arao, izany hoe tsy mahajoro tsara fa mihilangilana tsy mitsahatra. Ny azo itokiana izany dia tsotra ny valin-teny omen’ny hafatra azy dia izao :

  1. Feno fahatsarana
  2. Feno fahalalana
  3. Mahay mifananatra

FEHINY

Ny fiangonan’Andriamanitra dia :

  • Matoky azy ny Tompo
  • Mpanompon’i Jesoa Krsity Tokana
  • Sahy amin’ny zavatra rehetra
  • Mirehareha noho ny asan’ny Fiangonana

Ny Fiangonana izany dia fiangonana Velona noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena tao amin’i Kristy Jesoa sy ny Fanahy Masina. Noho izany dia mivelona :

  • Amin’ny fahatsarana, amin’ny fo madio
  • Amin’ny fahalalana, amin’ny saina hendry
  • Amin’ny fananarana, amin’ny anaran’ny Tompo sy a :in’ny herin’ny tenin’ny Tompo

Ny Fiangonan’Andriamanitra izany dia MADIO = HENDRY = MIFANANATRA ary atao hoe MAHATOKY.

AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fanompoam-pivavahana Alahady 03 May 2020

IZA MOA NY FANAHY MASINA (JAONA 15/26-27)

Alahady 03 May 2020

TORITENY ALAHADY 03 MaY 2020

Iza moa ny Fanahy
Masina ? inona ny asany ? Hatraiza ny fetrany ? Ahoana ny
fiasany ? Inona avy ny soa azo avy Aminy ? sns… Tamin’ny fotoana
nanoratana izao teny izao dia mbola tsy tonga ny FANAHY MASINA. Ny Mpampianatra
mbola saro-tahotra. I Jesoa koa aza, sady tsy mbola maty no tsy nitsangana
rahateo koa.

Ny hafatra izany dia izao : TSY MITOVY NY OLONA efa manana ny Fanahy Masina  sy ny tsy mbola manana. Ny tsy manana ny FANAHY MASINA na mbola tsy nandray ny FANAHY MASINA dia olona saro-tahotra. Manaotao foana. Tsy mifankatia. Ny efa nandray kosa, nahazo toky izy fa ny manenjika sy mankahala sy mampianatra dia Jesoa Kritsy mihitsy no ataony an’izany. Ary miasa mafy rehefa tonga ny FANAHY MASINA na tonga ao anatiny ao.

Ny manana ny FANAHY MASINA = miara miasa amin’ny FANAHY MASINA. Mitovy asa amin’ny FANAHY MASINA. Ny hevitry ny teny ery amin’ny 14/16 = Mpanampy, Mpampahery, Solovava. Asan’ny Mpianatry ny Tompo ny MANAMPY sy MAMPAHERY ary SOLOVAVAn’ny Olon’Andriamanitra izany hoe ny asan’ny FANAHY MASINA dia asan’ny olon’ny FANAHY MASINA. Koa na izy na ny FANAHY MASINA no miasa dia asa iray ihany izany. Noho izany ary, ny asan’ny FANAHY MASINA dia ireto na asan’ny olon’ny FANAHY MASINA :

I- NY FANAHY MASINA = MPANANATRA

  • Mpanafy hery ny mpino Izy.
  • Fanahin’ny fahamarinana Izy : ( Jaona 14/17).
  • Soloni Jesoa Kristy (Jaona 16/17).
  • Teny fikasana tanteraka (Asa 2/33).

Ry havana malala ô.
Manana ny hery tsy hanan’i Kristy ny  Fiangonana. Marina noho  i Kristy  ny Fiangonana. Tsy matahotra na inona na inona
ny Fiangonana noho ny asan’ny Fanahy Masina satria ny Fanahy Masina no solon’i
Jesoa Kristy ary tena mahatsara ny Fiangonana. Andriamanitra rahateo koa moa
rehefa mikasa dia hotanterahany izany, ary tanterahany ho fanehoana ny
voninahiny. Voninahitr’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kritsy ao amin’ny
Fiangonana ny asan’ny Fanahy Masina.

Hoy ny Mpitoriteny iray izay hoe : « Andriamanitra tsy misy Jesoa Kristy dia tsy Andriamanitra ». « Ny Fiangonana tsy hiasan’ny Fanahy Masina dia tsy Fiangonana » izany hoe ny Fiangonana dia ny Fanahy Masina no nampijoro azy. Ny Fanahy Masina no nampiaina azy. Ny Fanahy masina no heriny. Ny Fanahy Masina no handreseny na dia ny vavahadin’ny fiainantsihita aza. Iraka avy amin’y Fanahy Masina ny Fiangonana.

II – NY FANAHY MASINA = VAVOLOMBELONA

Ireo vavalombelona telo:

  1. Ny FANAHY MASINA : vavolombelona milaza an’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinany (voalaza teo aloha)
  2. Ny RANO : manadio, manavao. Kristy maty teo amin’ny hazo fijaliana : manadio sy manavao ny mpanota. Koa izay mino an’izany dia olom-baovao ; olona madio na voadio, olona nohamasinina sy nohamarinina, olona efa maty ka novelomina. Toy ny zanak’Israely nidina tany ambany ranomasina, dia nivoaka tao indray rehefa tafita (Batisa : vonoina dia velomina).
  3. RA : sorona, vidin’ny voavonjy. Raha tsy misy rà latsaka, tsy misy famonjena. Fanambarana fa vita ny famonjena, olom-boavonjy izay rehetra manaiky izany, manaiky ny ràn’i Jesoa Kristy. FANAHY+RANO+RA= Fanambarana feno.

Hevi-panahy milaza fa ny Kristianina dia olona madio, ny Kristianina dia olona marina, olona masina (SATRIA NODIOVINA SY NAMARININA ary NAMASININA).

Ny FANAHY MASINA – NY RANO -NY RA – KRISTIANINA= 4. KRISTIANINA-RA-RANO-FANAHY MASINA. KRISTIANINA = MARITIORA DAHOLO.

Ny Fiangonana izany :

  • MAHERY, noho ny asan’ny Fanahy Masina
  • VAVOLOMBELONA noho ny asan’ny Fanahy Masina
  • IRAKA noho ny asan’ny Fanahy Masina
  • Mitondra ny ràn’i Jesoa Kristy sy rano raraka niaraka tamin’izany
  • Fiangonana andry sy fiorenan’ny fahamarinana
  • Madio ka hanadio ny firenena
  • Marina ary mitarika ho amin’ny fahamarinana

FEHINY

Ny FANAHY MASINA
=  IRAK’ANDRIAMANITRA sy JESOA KRISTY dia

  • VAVOLOMBELONA manambara an’i Jesoa Kristy
  • VAVOLOMBELONA VOANTSO ho akaiky, akaiky ny mino. Mpanampy
    ny mino. Mpampahery ny mino ….
  • MAMPANANKERY ny rà sy rano latsaka tao amin’i Jesoa
    Kristy
  • MANAMARINA, MANADIO, MANAMASINA. Ekena fa SOA MANDRAKIZAY
    ho an’ny Mpino izany.

AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fanompoam-pivavahana alahady 26 aprily 2020

« Fa ny hita dia vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay » . 2Kor4:18b

Fanompoam-pavavahana Alahady 26 Aprily 2020

Toriteny: 26 aprily 2020

 « Fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrikizay» 2Kor 4 18b

Hoy ny dikan-teny fototra « fa ny hitan’ny maso dia vonjimaika ihany, fa ny tsy hitan’ny maso kosa dia ny mandrakizay », hoy ny DIEM « ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay ».

Izao hita maso izao izany dia miserana sy vonjimaika, tsy tena izy ary mandalo ihany. Fa ny tsy hita kosa dia maharitra mandrakizay na ny mandrakizay tena izy. Ny fiainana izany dia miserana sy vonjimaika ary mandalo. Toy ny trano lay, trano mora simba,trano mora mikoro. Fa ny tsy hita ny an’Andriamanitra, miaraka amin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay na MANDRAKIZAY. Tsy azo ferana, tsy mety simba, tsy mety lo, tsy mety mikoro. Trano tsy natao tanana.

Milaza inona amin’ny finoana Kristiana izany ? Mampaninona antsika Kristiana izany teny izany ? Inona ny fahamarinana amin’izany eo amin’ny fiainana ? Betsaka ny valin-teny azo atolotra, fa ireto telo ireto no sainina vetivety ka hodinihina :

  1. Ny fiheverana ny tsy hita dia manafoana ny fahaketrahana
  2. Ny fiheverana ny tsy hita dia fanavaozana ny fiainana anaty
  3. Ny fiheverana ny tsy hita dia ahazahoana ny satro-boninahitra mandrakizay

FEHINY

Ny olombelona mino, manantena, tia ny fiainana tsy hita izay maharitra mandrakizay dia olombelona :

  • Tsy ketraka. « Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany» 2Kor4/16a
  • Olom-baovao. « dia havaozina isan’andro isan’andro kosa ny toetray anatiny. » 2Kor4/16b
  • Ho voatafy voninahitra mandrakizay. « voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay » 2Kor4/17

Izany hoe ho Mpandresy eto an-tany, mandroso ho amin’ny fiainana Mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra hahazo ny satro-boninahitra mandrakizay. Miara mandova amin’ny Kristy. Marina amin’ny hita maso noho ilay tsy hita maso. Amin’izay fotoana izay dia mazava fa zanak’Andriamanitra isika ary zanak’Andriamanitra Mandrakizay.

AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Fanompoam-pivavahana Alahady 19 Aprily 2020

« Ny olom-boavonjy amin’ny andro farany » Araka ny Daniela 12/1-3

Fandaharam-potoana

  • Fiarahabana Apostolika 
  • Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra
    • Salamo 146 1-4
    • Hira  Salamo 145
    • Vavaka
    • Feon’ORGA
  • Fankalazana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny TENINY
    • Hira  HF 6 1
    • Vavaka
    • Soratra Masina : Daniela 12 1-3 ; Lioka 24 44-49 ; ASA 2 29-36
    • Hira  HF 6 2
    • TORITENY
    • Feon’ORGA
    • VAVAKA
  • Famaranana
    • Tsodrano ( I Petera 5 10-11)
    • Hira 141 1,3,5

« Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. AMENA »

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Toriteny Alahady 12 Aprily 2020

Toriteny Paska 2020

 « … fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry. … Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra … »I KOR 15 20-23

« JESOA KRISTY no LAHIMATOA amin’ny maty » (Kol 1/18). Milaza fiombonam-piainana eo amin’ny samy Zanak’Andriamanitra izany. Samy efa maty dia samy ho velona. Saingy amin’ny filaharany avy, amin’ny fotoany avy. Amin’ny fananganana amin’ny maty amin’ny andro farany dia ho hita miharihary fa mitovy daholo, samy tsy mety maty intsony, samy ho velona mandrakizay, mitovy amin’i Enoka, Elia sy Mosesy ary i Jesoa Kristy daholo, ary ireo rehetra efa any amin’ny Tompo (Anjely, Maritiora, Apostoly). Saingy izao KRISTY NO SANTATRA izany hoe ny làlan’i Kristy no làlan’ny MINO, satria :

  1. JESOA KRISTY no vavolombelona fa izay atsangana amin’ny maty dia tsy ho faty intsony
  2. JESOA KRISTY no vavolombelona fa mbola hitsangana ao Aminy ny Fiangonana
  3. JESOA KRISTY dia vavolombelona milaza fa karazam-bokatra tsara no ho any Aminy

FEHINY

Voatory, nambara, nanafarana antsika eto ary fa i KRISTY izay efa nodimandry lahimatoa amin’ny maty, no Tompon’ny LOVA MANDRAKIZAY, koa mirotsaha ho ankohonan’Andriamanitra dia ho anao ny FIAINANA MANDRAKIZAY.

Koa rehefa hitsangana amin’ny maty ianao dia hiaraka amin’ny Kristy. Tsy ho any amin’ny latsa na ny fikotroha-nify na ny fanamelohana fa ho any amin’ny Fiaraha – monin’Andriamanitra.

Ary dia meteza ho voa tsara mendrika ny fibebahana. Mavesa-boa mety amin’ny Jesoa. Sahaza ny maha Zanak’Andriamanitra. JESOA amin’ny maha santatra azy dia loha-làlana tsy maintsy arahina avy ato aoriana koa : MIOVA – MINOA – MITOMBOA.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra! AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Paska 2020

Alahady 12 Aprily 2020

Miarahaba ny Kristiana zanaky ny FJKM Ankadimbahoaka rehetra na ny lavitra na ny akaiky, nahatratra ny PASKA 2020. Arahabaina tra-pamonjena. Velona tokoa JESOA TOMPO.

« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Ho an’izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny ràny ». AMENA

FANDAHARAM-POTOANA ALAHADY 12 Aprily 2020

Ny mpitarika : RAMAVOARIMANANA Marcelline, Mpitandrina

Ny mitondra ny tenin’Andriamanitra : ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty, Mpitandrina

  • Fiarahabana Apostolika 
  • Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra
    • Apo 1 5b-8
    • Hira  144
    • Vavaka
  • Fankalazana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny TENINY
    • Chorale CFM
    • Vavaka
    • Vakiteny : Joba 19 25-29 ; Marka 16 9-20 ; I kor 15 12-23
    • Hira 141 1, 4,5
    • TORITENY
    • Feon’ORGA
    • VAVAKA
  • Famaranana
    • Hira 146
    • Tsodrano (Nomery 6 24-26)
    • Hira 142 1,4

« Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra!

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. AMENA »