Alahady 24 may 2020

Fanompoam-pivavahana

TORITENY

Perikopa : II SAM 23/1-7 ; MAT 12/22-30 ; GAL 5/16-26

Raha ny fanaon’ny Fiangonana, dia Alahady fanombohan’ny Fiangonana ny Fankalazana an’Andriamanitra noho ny herin’andron’ny Fanahy Masina. Nefa moa, noho ny asan’ny COVID.19 dia voatery ihany na ny Fiangonana aza no tsy nahatanteraka izany. Na izany aza mahery lalandava isika noho ny Fanahy Masina.

Izao mantsy ao anatin’ny sarotra no maneho hevitra tahaka izay nataony tamin’ny Fiangonan’ny Israely ao amin’ny Jeremia 29/11 hoe : «  Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany ». Zanak’Israely mbola babo, nijaly, 70 taona no nitenenany an’izany. Koa satria mananan toky isika dia vonona hiaina indray ny hafatra, hihinana ny sakafo omena amin’izao andro anio izao. Ndao ary ny Perikopa 3, II Sam 23 : 1-7 ; Mat 12 : 22-30 ary ny Gal 5 : 16-26 no heverina miaraka.

IZAY VOALAZA AO AMIN’NY II SAM 23 : 1-7

Ny amin’i Davida olom-boahosotr’i jehovah

Nampidinina menaka ny loha. Fanosoran’i Jehovah olona iray ho Mpanjaka izany. (I Sam 10/1) (I Sam 16/12-13) Salamo 89/20). Hanan’i Jehovah fahefana ary azy irery ny fahefana amin’ny fitondrana io olombelona io, voahosotra io. Koa ny olona te-hampihatra fahefana amin’ny olona voahosotr’i Jehovah dia MELOKA eo anatrehan’i Jehovah (Rom 13/1-2) : « Izay manohitra ny voatendrin’Andriamanitra dia hahazo fahamelohana ».

Ny olom-boahosotra, voatendrin’Andriamanitra dia olona voasandratr’Andriamanitra. Olona manana talenta. Olona ampitenenin’ny Fanahy Masina. Olona matahotra an’Andriamanitra. Olona mazava.

Ny teny hoe : NY FANAHIN’I Jehovah no mampiteny ahy : NOTARIHIN’NY Fanahy Masina izy. Tsy misandratrandratra amin’izao, na miteniteny, na matahotra an’Andriamanitra fa olona entanin’ny Fanahy Masina ny fisiany sy ny fiainany. Tarihin’ny Fanahy.

ireto avy ny olona voahosotra ao amin’ny Testamenta Taloha : Mpanjaka, Mpaminany, Mpisorona             Ny fanoherana an’ireo, ny fandavana an’ireo : maha meloka : maha fahavalon’Andriamanitra mihitsy aza.

Ireto avy ny olom-boatendry mitovy kilasy, mirazotra amin’ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao : (Mpiandry, Mpitandrina, Diakona, Mpampianatra). Ny fanoherana ireo : heloka atao amin’Andriamanitra.

Fanoherana, filana ady, fitadiavana ny fomba rehetra hahavoa ilay voahosotr’Andriamanitra. Hanao ratsy aminy. Hamely azy.

Mandrara ary ny tenin’Andriamanitra fa : an’Andriamanitra irery ny fahefana hamaly ny voahosony. An’Andriamanitra irery ny fikapohana raha izay no hilazana azy. Tsy misy anjaran’olombelona ny amin’izany.

Eto ary, i Davida dia manolotra lova ara-panahy ary mamerina ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny olon’Andriamanitra izay notenenin’Andriamanitra taminy : FA IZAY MPITONDRA OLONA, izay voahosotr’i Jehovah dia toy ny JIRO mirehitra manomboka maty masoandro ka mandra-paha-mangiran-dratsy. Ny asan’ny Fanahy Masina no mahatanteraka izany eo amin’ny  DAVIDA, eo amin’ny DIMBINY, eo vahoakan’Andriamanitra. Eo amin’ny ho avy rehetra. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina no miantoka.

Ahoana hoy ny perikopa faharoa ?

IZAY VOALAZA AO AMIN’NY MATIO 12/21-30

Ny fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ny hevitry ny FARISEO izay mandesoka ny Fanahy miaa ao amin’I Jesoa Kristy tamin’ny nahasitranany ilay demoniaka sady MOANA no JAMBA. Ny Fanahy niasa tamin’izany dia lazain’ny FARISEO fa BELZEBOBA lohan’ny Demonia no amoahan’i Jesoa ny Demonia.

FITENENAN-DRATSY ny Fanahy Masaina izany. BLASPHEMIA izany. TSY VOAVELA HELOKA ny olona manao izany. ADY AN-TRANO IZANY. FAHARAVANA IZANY. Hevi-diso tanteraka izany.

Ny TENA izy, ny asan’ny Fanahy  Masina namoahan’i Jesoa Kristy ny demonia dia milaza fa efa tonga eo amin’ny olona  ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA. AHOANA IZANY ? Inona indray ny hafatra ?

Tonga ny Fanjakana tsy ho rava mandrakizay. Tonga ny fanapahana mandrakizay, tsy mety tapitra. Tanan’Andrimanitra miasa eo amin’ny olona mandrakizay, izany dia ilay fanjakana ao anatin’ny olona izany hoe Jesoa Kristy + Fahahy Masina no hany Fanjakana afaka mandresy izao tontolo izao sy satana ary ny forongony ary miasa ao amin’ny olona.

Fanjakana ara-panahy. Milaza fahamasinana ; fanjakana maro fahavalo indrindra. Fanjakana madio indrindra.

Koa n’iza n’iza mandray an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina dia maro fahafavalo izy ary ny DEMONY no voalohany amin’izany. Ny demonia no tena fahavalony.

Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy misy maharesy na oviana na oviana. Izany no fanjakana misy an’i Jesoa Kristy Mpanjaka sy ny Fanahy Masina Mpitari-dalana. Jesoa Kristy+ Fanahy Masina Mandresy mandrakizay.

TOKONY TSY HIALA AO AMIN’NY FISAINANA KRISTIANINA ny hoe : « Izay mandresy an’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina dia olona voahosotra anarana ao amin’ny fanjakan’Andrimanitra mandrakizay ary tsy azo avoaka ao intsony. INDRAY MANDEHA ny FISORATANA ANARANA. » Mitovy amin’ny commune ankehitriny…

IZAY TARIHIN’NY FANAHY MASINA no manana ny fiainana mandrakizay (araka an’i Jaona) na olon’ny fanjakan’Andriamanitra (araka ny Synoptika) (Matio, Marka, Lioka). (Fanjakana, Fiainana).

Fa ny perikopa faha telo kosa dia :

IZAY VOALAZA AO AMIN’NY GALATIANA 5/16-26

MISY TENY TELO azo heverina ho fanalahidy ireto :

  • MANDEHANA araka ny FANAHY (16)
  • MAMOKATRA ny FANAHY (22)
  • MAHAVELONA ny FANAHY (25)

« Mandehana araka ny Fanahy » izany hoe tsy manan-kery ny OTA, tsy anjakan’ny OTA. Tsy meloka intsony. Mpanara-dalàna. Mahafaty tena mihitsy manao ny asan’Andriamanitra. Mitafy an’i Jesoa Kristy

Ny olona tarihin’ny Fanahy = tena miara-dalaàna amin’i Jesoa Kristy, mihazona an’i Jesoa Kristy, tsy mety misaraka sy tsy mahafoy an’i Jesoa Kristy. Izay mihatra aminy mihatra amin’i Jesoa Kristy. Izany ny hoe MANDEHA. Fanahy monina. Jesoa FITAFIANA.

Izany hoe, asiana heviny ara-panahy avokoa ny zavatra rehetra. Sokafy ny masom-panahinay hahitanay ny zava-mahagaga avy amin’ny teninao. Ohatra hihaino ny finoana mahafindra tendrombohitra, hevi-panahy, ny avonavona voaova fanetre-tena.

Izany hoe, ny fiainana rehetra dia tsy fiainana raha vao miala amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana = Jesoa Kristy = Fiainana. Manana an’i Jesoa Kristy izany manana ny fiainana, ary manana be dia be. Tsy misy lalan-dratsy.

Noho izany ny Kristiana velona mira Kristiana manao ny marina sy Kristiana ara-panahy, ary manana ny fiainana mandrakizay dia manana an’i Jesoa Kristy fiainana Mandrakizay.

FEHINY

Aza manao tsinotsinona ny olom-boahosotra, fa ny fanahin’i Jehovah no ao anatin’ireny.

Aza manao fanohara-poana ny Fanhy Masina sao hanenina mandrakizay.

Meteza ho tarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva dia ho velona araka ny Fanahy, izay mandeha, mamokatra, aoka ho velona ara-panahy.

Izany no fiainana Kristiana eo ampiandrasana an’i Jesoa Kristy ho avy ka hitondra fiainam-baovao tena azo tsapain-tanana amin’izay fotoana izay. AMENA

Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *