Ny fanompoan’i Jesoa Kristy Mpisoronabe
Lohahevitra : « NY FANOMPON’I JESOA KRISTY MPISORONABE »
SORATRA MASINA : Salamo 83 1-10 ; Marka 14 32-42 ; Hebreo 5 7-10
Ny anarana hoe MELKIZEDEKA dia hoe MELKI = MPANJAKA ary ny ZEDEKA (ZADOKA) = MPISORONA, noho izany sady MPANJAKA no MPISORONA i MELKIZEDEKA.
JESOA KRISTY MESIA = MPANJAKA – MPISORONA – MPAMINANY, izay tonga ho olombelona ho famonjena ny olombelona, manompo ny olombelona tamin’ny alalan’ny vavaka sy fangatahana sy fitairanana ary tamin’ny fahoriana. Lasa loharanon’ny FAMONJENA = NAMONJY. Dia notononina hoe MPISORONABE araka ny fanaon’i MELKIZEDEKA.
Miseho amin’ny fiasa telo (03) ary ny fanaon’i MELKIZEDEKA amin’ny fanompoany an’Andriamanitra :
- Vavaka sy fangatahana sy fitairanana mafy ary an-dranomaso be ;
- Mianatra fanarahana sy fahoriana ;
- Manaiky ho loharanon’ny Famonjena.
FEHINY : Hafatry ny ALAKAMISY MASINA 2020
- Tiava vavaka
- Mianara manetry tena
- Ho fiasam-pamonjena
Manatoana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny VAVAKA, miasa ny asan’Andriamanitra amin’ny FANETRE TENA, ary ho fantsona ho fiasam-pamonjena homban’ny Fanahy Masina ho an’ny hafa anie ianao.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA
Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty