Lohahevitra : « NY FANOMPON’I JESOA KRISTY MPISORONABE »
SORATRA MASINA :
Salamo 83 1-10 ; Marka 14 32-42 ; Hebreo 5 7-10
Ny anarana hoe MELKIZEDEKA dia
hoe MELKI = MPANJAKA ary ny ZEDEKA (ZADOKA) = MPISORONA, noho izany sady MPANJAKA
no MPISORONA i MELKIZEDEKA.
JESOA KRISTY MESIA = MPANJAKA –
MPISORONA – MPAMINANY, izay tonga ho olombelona ho famonjena ny olombelona,
manompo ny olombelona tamin’ny alalan’ny vavaka sy fangatahana sy fitairanana
ary tamin’ny fahoriana. Lasa loharanon’ny FAMONJENA = NAMONJY. Dia notononina
hoe MPISORONABE araka ny fanaon’i MELKIZEDEKA.
Miseho amin’ny fiasa telo (03)
ary ny fanaon’i MELKIZEDEKA amin’ny fanompoany an’Andriamanitra :
Vavaka sy fangatahana sy fitairanana mafy ary an-dranomaso
be ;
Mianatra fanarahana sy fahoriana ;
Manaiky ho loharanon’ny Famonjena.
FEHINY :
Hafatry ny ALAKAMISY MASINA 2020
Tiava
vavaka
Mianara
manetry tena
Ho
fiasam-pamonjena
Manatoana an’Andriamanitra
amin’ny alalan’ny VAVAKA, miasa ny asan’Andriamanitra amin’ny FANETRE TENA, ary
ho fantsona ho fiasam-pamonjena homban’ny Fanahy Masina ho an’ny hafa anie
ianao.
Ho
an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA
Lohahevitra : « NY EFESIANA TALOHA SY ANKEHITRINY »
SORATRA MASINA :
Salamo 22 12-18 ; Marka 14 1-2 ; Efesiana 2 1-7
Ny Efesiana taloha sy ny ankehitriny na isika taloha sy ny ankehitrinintsika arak’izany nisy lalana nizorana taloha, kanjo noho ny amin’ny Kristy, dia nialana io lalana io ka nandeha tamin’ny lalam-baovao. Fa manao ahoana moa izany lalan’ny Efesiana taloha izany? Feno ota, fahafatesana, feno ny fomban’izao tontolo izao, zanaky ny tsy fanarahana, tsy miraharaha afa tsy ny nofo, zanaky ny fahatezerana, miantehitra amin’ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia fanjakan’ny devoly. Fara fahakeliny ny fiainana ratsy fito (07) izay midika fa ny fahafenoan’ny faharatsiana.
Fa rehefa ao amin’ny Kristy Jesoa
kosa dia indro fiainana vaovao, ny Efesiana ankehitriny dia :
Velona amin’ny fahasoavana
Velona amin’ny hamoram-panahy
Velona miaraka amin’ny Kristy izay efa any
an-danitra
FEHINY :
Ny
Kristiana mivelona amin’ny FAHASOAVANA sy ny FAHAMARINANA avy amin’Andriamanitra
dia manorina ny fanantenany amin’ny Kristy any an-danitra. AMENA
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra. AMENA