ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA (Matio 10/16-20)
ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA
Eto amin’ny filazantsara eto dia latsaka ankaterena ny Irak’i Jesoa Kristy
- « ONDRY EO AMPOVOAN’NYAMBODIA »
- « TORIAN’NY OLONA TSY AHOANTSIAHONA ANY AMIN’NY FITSARANA »
Izao anefa ny fanomezan-toky :
- Rehefa HENDRY sy MORA dia mandresy fa tsy resy
- Raha MAHATOKY ny Fanahy Masina dia TAFAVOAKA
Inona ny hafatra amin’izany ?
Inona ny fahamarinana lazain’izany ?
MAHEREZA
Azo lazaina ireto teny ireto= Miorena tsara aza miova. Mahefa be. Tsy misy very maina izany. Misy valiny daholo ny atao.
Samy hahazo satroboninahitra.
Samy ho tolorana ny valin’ny fisasarany avy ny tsirairay. VALISOA = KARAMA= TOMBONY
- ONDRY TAFAVOAKA eo afovoan’ny AMBODIA ve, tsy hahazo ny VALIM-PITIA LEHIBE avy amin’ny Andriamanitra ? Tsy mendrika ny homena FIFALIANA sy FIADANANA mandrakizay ?
- FAHAVALO MARO. FAHAVALO MATANJAKA. FAHAVALO MAHERY SETRA. TSY MITSITSY. Nefa noho ny FAHENDRENA sy FAHAMORANA dia hiala maina sy hangahiahy. Lava hoho maro anaka, maranitra nify, henjana hozape mahereza.
MATOKIA NY TENY NOMENA
« Hendre – Morà – Aza manahy »
- Hendre (aoka ho fetsy). Menarana= kinga maso fa be marenina. TSY MAHENO FA MAHARAKA. Ilaina ny be marenina. Ilaina ihany izany.
- Morà = (Aoka ho tsotra). Aza manasaro-javatra. Minoa fotsiny. Mandehana fotsiny. Mihinana fotsiny. Miasa fotsiny.
- Aza manahy = Andriamanitra no miady fa hianareo mangina. « TSY MITENY FA ALEO NY FANAHY MASINA NO HITENY »
Ny tenin’Andriamanitra dia hamarininy rehefa matoky an’Andriamanitra isika. Io tenin’Andrimanitra io di amarina amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny anonton-javatra rehetra. TSY MISY DISO NY TENIN’ANDRIAMANITRA.
FEHINY
ny Fanahy Masina rehefa miasa dia tsy misy mahasakana. Miasa mampahery ka sahy miatrika fahavalo maro sady matanjaka. Ny Fanahy Masina rehefa miasa dia mampiala maina ny mahery rehetra.
Jesoa Kristy tsy nanome Fanahy osa fa nanome Fanahy Masina Izay Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra ihany koa no nomeny.
Amena.
Ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty