« Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.» 2 Kor 8/7
Notontosaina ny Alahady 14 martsa 2021 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana FJKM Ankadimbahoaka, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany sy ny ankohonany. Ramatoa RATSIMANDRESY Estera Mpitandrina, izay vadin’ny Filohan’ny FJKM no nitarika ny fotoana, ary ny Mpitandrina RATSIMANDISA Haritiana Zo, Recteur Oniversity FJKM Ravelojaona no nitondra ny tenin’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny 2 Koritiana 8 and 7 manao hoe « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, …, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Notsindriny manokana tamin’izany fa :
Izay tia
mahafoy
Izay tia
mandray fahasoavana
Toy ny fanao dia ny Biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana. Tsy diso anjara tamin’izany ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky sy naman’ny Mpitandrina.
Nandritra ny lahateny izay nentin’ny Biraon’ny fitandremana no niarahabana sy nirarina soa ho azy mianakavy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ary nanolorana azy ireo ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe:
« Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry
anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba omen’ny Ray
anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako na inona na inona ». araka ny Jaona 15 and 16
Tsy mora noho izany ny adidy sy ny asa hanirahan’ny
Tompo ny Mpitandrina ka notononina taminy ilay fiteniny manao hoe « MAHEREZA ».
Teo ihany koa ny fanentanana ny mpianakavin’ny finoana rehetra hahatsiaro mandrakariva hitondra am-bavaka azy mianakavy.
Aza matahotra intsony. Nahoana ? taloha dia natahotra noho ny heloky ny ray aman-dreny. Kanefa ny heloky ny ray aman-dreny dia tsy heloky ny zanaka. Rehefa miova fo ny zanaka dia tsara ny ho avy eo amin’Andriamanitra, tsy matahotra intsony. Andriamanitra mantsy rehefa tezitra no ny otan’ny ray aman-dreny teo amin’ny zanaka dia ataony mahita loza ny olombelona mampahatezitra Azy. Mahatezitra = mira olombelona manompo sampy. Fa rehefa miverina kosa dia honoiny vavaka sy hasiany soa, ary ilazany hoe « aza matahotra ». Milaza inona amin’ny finoana izany ? Manambara inona amin’ny mpino izany ?
Tezitra = nalainy ny Fanahy nataony ao anaty (Saoly mpanjaka
no voa tamin’izany).
Koa ny kapoka ataony dia milaza fa tsara Izy, ny olombelona
mantsy andrianin’Andriamanitra saingy ny olona no tia fanambaniana. Nivadika amin’Andriamanitra
dia manolo an’Andriamanitra amin’ny sampy, koa satria tsara Izy dia mikapoka. Kapoka
= fahatsaran’Andriamanitra.
Ny anarana hoe Jehovah Tompon’ny maro dia manana ny fahefana
rehetra amin’ny voary rehetra satria lehiben’ny tafika any an-danitra.
Tsy misy hahatohitra Azy. Milaza izany fa ny hoe, tsy misy
mahatohitra Azy dia tsara Jehovah. Toloroana Fanahy hendry mahatoky. Esoriny ny
Fanahy Masina amin’ny mivadika aminy.
Ohatra :
Solomona dia nomena fahefana tahaka ny fasika ny habetsany, Saoly tsara
tarehy lava ranjanana, nongotan’i Jehovah taminy ny Fanahy Masina dia lasa
gaigy. Fa ny hoe « aza matahotra » ny heviny dia izao, tsy ho
voakasiky ny loza, porofo fa tsara Jehovah. Famonjena tombony ny dikany, lasa
ny fanandevozana sy ny ozona ary mitahiry ny fitahiany. Vita ihany ny 70 taona
tany babilona.
I Hagay sy Zakaria dia samy ahitana fiverenana avy amin’ny
Babilona hanorina indray an’ny Jerosalema (manda lapa tempoly). Noho izany ny
fanorenana indray ny lapa sy ny tempoly dia midika fa aza matahotra
miara-monina amin’Andriamanitra indray ny zanak’Israely, izany hoe ny fanjakana
ampiana fivavahana (Saoly, Davida, Solomona miampy fivavahana) (Mosesy +
vahoaka + didy folo). Tsy misaraka amin’ny fivavahana ny fitondrana.
Misy andriamanitra ratsy eto an-tany hivavahan’ny olona
(andriamanitra lina ady, andriamanitra manome fanahy iray hahafaty ny
fahavalo). Fa Jehovah kosa dia Andriamanitra tsara, manitsy amin’ny alalan’ny
kapoka ka manome fahendrena sy fahazavana ary famonjena.
Ny finoana an’i Jehovah ary dia tsy mandeha ila fa misy lainy roa hatrany : kapoka = tsara Jehovah, fitahiana = tsara Jehovah.
Manisy soa Izy
Inona ny soa lazaina fa ataon’i
Jehovah ? eo amin’ny andininy faha 11-13 dia izao : « hamoha
amin’ny fiadanana ny voaloboka » (tsy vanona ny voaloboka amin’ny fotoana
mikorotona na be rivotra). Ny tany hahavokatra dia tany matsiro, ny andon’ny
tany hirotsaka. Tso-drano tanteraka izany. Ny famonjena iainana. Ny Israely no ilazana izany. Ny soa izany =
fiadanana, vokatra, ando ary tso-drano. Fiadanana avy amin’Andriamanitra. Vokatra
avy amin’ny tany, andon’ny lanitra avy amin’Andriamanitra ary tso-drano avy
amin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia niasa mialoha
tany Kanana tamin’ny alalan’ny tso-drano, jereo ny Deotoronomia 28/3-12. Tsy mbola
nitsaka rano ny zanak’Israely dia nomena azy ny fitahiana. Jehovah hanandratra ny zanak’Israely, Jehovah
ny hamoha ny lanitra ho an’Israely. Ary nampanatena fa ho lasa firenena
manankarena ny Israely. Dia tanteraka daholo ireo rehefa nonina tao Kanana ny zanak’Israely.
Voky hanina sy maro anaka ny
Israely, misokatra isan’andro ny fitahiana, misandratra sy mitombo hery.
Voky ny soa (kapoka ohatra). Dia niova
ny Israely, rehefa nibebaka ny Israely dia nomen’Andriamanitra mpamonjy :
Deobra, Gideona sns.
Andriamanitra miverina amin’izay
miverina Aminy dia manisy soa « miverena amin’Andriamanitra dia miverina
aminao Izy, izany hoe hanisy soa anao Izy. » Fibebahana = fahazahoana soa,
soa azo = Andrimanitra. Miveren-dàlana amin’ny olona.
Hoy ny Salamo 34/8-10 : « Andramo
ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra ny olona izay mialoka AMiny ».
Miverena amin’Andriamanitra dia ho sambatra ianao, tsy hanan-java-mahory, tsy
ho orin-javatsoa.
I Petera, rehefa tena niverina
teo amin’i Jesoa Kristy teo amin’ny tantara dia niteny hoe : « aza
atao mitovy fahafatesana amin’ny Tompo aho, aoka hitsingolika ny hazo fijaliako ».
Ny devoly hoy Petera dia toy ny
liona mandehandeha mierona mitady izay ho arapany. Ny devoly izany dia mijoko,
masiaka, mitady izay hahafaty haingana. Koa rehefa tsy matahotra dia soa avy
amin’i Jehovah ny tsy matahotra ny devoly.
Ao amin’ny Zakaria 8/14-17 : « maro ny olona manaradia ny Israely noho ny soa sesehena azon’ny Israely tamin’i Jehovah satria ny olona mahazo soa = omban’Andriamanitra, izany hoe tsy very mandeha, ny olon’Andriamanitra dia omban’Andriamanitra sy ny Anjely »
Fehiny
Aza matahotra intsony fa tsara Jehovah, manisy soa ny olona Izy. Amena.
« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » Jaona 13/34-35
PERIKOPA: Salamo 133 ; Jaona 13/31-35 ; Romana 13/8-10
FITARIHANA
Fanasana
tongotra : fanetre-tena. Fidinana ho ambany. Fitaizana ho mpanompo.
Mpampianatra sady Tompo aza manao izany ; nahoana moana raha samy
mpianatra tsy hahavita ve ?
Misy
mpamadika anefa : Jesoa vao avy nampianatra fanetren-tena teo anefa, no
nilaza mazava fa anankiray amin’ny mpianatra no hamadika Azy. Niteraka alahelo
na horohorom-panahy izany ; tsy ny hanatanteraka an’ny gologota anefa, fa
noho ny amin’ny iray izay ho very mantsy kanefa dia niray aina taminy ihany.
Araka
ny andininy 28-30 hoe : « Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka
nihinana nahalala ny antony nilazany izany taminy. Fa nataon’ny sasany fa
satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesoa taminy hoe : vidio
ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho
an’ny malahelo. Ary rehefa mandry ny sombin-kanina izy dia nivoaka niaraka
tamin’izay ; ary efa alina ny andro ». Noheverin’ny Apostoly fa
zavatra hafa mihitsy ny resaka ka tsy dia nahoany ny nandre izay voalaza.
Fa ny zava-dehibe, tohin’ny fivadihan’ny anankiray tamin’ny Apostoly dia ny fifankatiavana. Hianareo 11 lahy, mifankatiava, didiko izany, fanaoko izany, fijoroana amin’ny maha mpianatro izany.
MIFANKATIAVA FA DIDIKO IZANY
Aza mamaly ratsy no dikany.
Mamaly ratsy = fomban’ny olona mpanao andolom-po. Fitiavana soloina lolompo. Ny
didin’i Jesoa Kristy = ovana lolompo. Koa raha misy olona hanaovana lolompo,
itrangan-javatra sarotra dia lalovana fotsiny na iviliana làlana.
Ohatra : levita sy Mpisorona
ao amin’ny Lioka 10/25-41
Satria tsy Jiosy voaendaka no
hita ao, na dia misy lolo-po aza angamba eo amin’ny Samaritana sy Jiosy, tsy nandao
na nandalo ilay Samaritana fa namonjy. Ny olona mitahiry lolom-po = avelao ho
voa any.
Fianarana avy amin’Andriamanitra
izany. Ny devoly tokana ihany no fahavalon’Andriamanitra. Mianara avy
amin’Andrimanitra. Aza miangatra. Aza mizaha tavan’olona. Eny an-tsena dia misy
olona mizaha tavan’olona. Ny fitafinao ivelany no jereny vao tombanany ny
vidin-javatra. Asiako ity. Voako ity. Tsy misy fitiavana izany fa mety lolom-po
tsy ahoan-tsy ahoana.
Ry malala, ny mahatehotia, ny
voantson’Andriamanitra, ry masin’Andriamanitra. Raha tia an’Andriamanitra
hianao, aza mankahala olona fa mpandainga eo imason’Andriamanitra ny toy izany.
Manao ny asan’ny devoly ny toy izany. Izao no didy : « Izay tia
an’Andriamanitra tsy maintsy tia ny rahalahiny ». Fitiavana mitovy lanja,
mitovy refy ny fitiavana enti-mitia an’Andriamanitra sy ny manana.
Na faran’izay ratsy eo amin’ny fiaraha-monina
aza. Andriamanitra tia azy = tiavo izy.
« Raha velona koa aho hoy Jehovah, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany ». Didy izany. Tsy lany andro izany. Mahantra mandrakizay izany. Tsy ho levona izany.
MIFANKATIAVA AO AMIN’NY TOMPO
« Tahaka ny nitiavako anareo
no aoka hifankatiavanareo koa. » Mifankatiava ao amin’ny Tompo. Araka ny
fomban’ny Tompo. Araka ny fomba tsara ny
Tompo. Fomba tsy misy tsiny, tsy misy kianina, tsy misy fanamarihana azo atao.
Fomban’Andriamanitra = ny Azy irery no marina, ambony, tsy tratra ho hazavaina.
Mifankatiava ao amin’ny Tompo =
fifankatiavana tokana no miseho eo amin’ny kristianina rehetra. Tsy
manam-paharoa izany hoe tsy maintsy Jesoa eo amin’ny fiainana sy atao rehetra
ary aleha rehetra. Mifankatia tsy maintsy misy Jesoa.
Raha mbola misy hoe ao amin’ny
Tompo, sarotra ny tsy hifankatia, sarotra ny miziriziry. Miziriziry = nialan’ny
fanahin’i Jesoa Kristy Mpampihavana.
Raha mbola mino isika fa Jesoa
Kristy no niteny hoe : « Tahaka ny nitiavako ….. kosa » sarotra
ny tsy hifankatia. Ny olombelona efa mibasy
efa maty angamba : olombelona tsy miraharaha izay mety ho vokatry ny
teniny.
Ny mpianatry ny Tompo : tia ny Tompo. Tia ny teniny. Ao anatin’izany mifankatia ao amin’ny Tompo.
MIFANKATIA DIA FIJOROANA HO VAVOLOMBELON’I KRISTY
« Izany no hahafantaran’ny
olona fa mpianatro hianareo rehefa mifankatia ».
Anisan’ny marina sy rariny tsy
maintsy ijoroana ny fifankatiavana, mijoro tarihin’ny Fanahy Masina anefa.
Mitandrina ny didy eo imason’ny olona. Atao azo tsapain-tanana fa mifankatia sy
mitoetra amin’ny fifankatiavana ny Kristianina no dikany.
Ny olona tia fifankatiavana : olona
manan-kaja, milaza fa olona ambony fiainana. (Zanak’Andriamanitra ny
mpampihavana)
Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mahita
soa ny manodidina ary misandratra (samaritana tsara fanahy)
Manao izay nataon’Andriamanitra. Manome ny
sarobidy indrindra (Zanany lahy tokana)
Madio ny olona mifankatia satria tsy misy ratsy
miserana akory eo aminy.
Noho izany ny olona ambony
tarihin’ny Fanahy Masina tia manome ny sarobidy indrindra ary madio dia
lazain’ny Jesoa Kristy fa mivelona, mandeha, manaraka ny didy tsy mavesatra (I
Jaona 5/3) izany hoe azo lanjaina tsara miaraka amin’ny tena eny rehetra eny ny
fitiavana. Sampona raha tsy manana izany.
Misy ohatra tsara lazain’ny
Salamo 133 dia ny mpirahalahy miara-monina, izay oharina amin’ny diloilo.
Diloilo : menaka fanosorana mpisorona : milaza fitahiana sy
fahaoavana ary fiadanana.
Azo itarina amin’ny mpirahavavy miara-monina. Azo velarina any amin’ny rafozana sy vinanto (Vavolombelon’i Kristy). Ahoana ny hoe ny havantiana tsy hiara-monina ? Ahoana hoy ny Soratra Masina : « raha azo atao dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra ». Tsy rariny hoe havan-tiana tsy iaraha-monina. « Aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara » (II Jaona 11). Tsara : tsara ataon’ny olon’Andriamanitra ka halain’ny olona tahaka.
FEHINY
Hoy ny hafatra
Mifankatiava
Mifankatiava ao amin’ny Tompo
Mifankatiava fa vavolombelon’ny Tompo ny manao
izany.
Ireo no hevitr’Andriamanitra
rehefa mifankatia.
Mifankatia ao amin’ny Tompo, vavolombelon’ny
Tompo.
Ny vavolombelon’ny Tompo dia
mifankatia ao Aminy ary mifankatia amin’ny olona rehetra.
Trosa tsy mety voaloa io izany
hoe na tsy voaloa aza ny fifankatiavana no ambony. Aleo very tsikalakalam-bola
…
Betsaka ny trosa tsy voaloa. Tsy
maintsy aloa anefa. Kanefa na tsy voaloa aza simbana ny fifankatiavana.
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra » (Jaona 3/3)
Fanompoam-pivavahana: Alahadin’ny PENTEKOSTA 31 may 2020
Toriteny
« Nanatrika fampakaram-bady tao kana i Jesoa. Lany
vatsy ny tompon’ny fanasana, lany divay. I Jesoa dia manala fahasahiranana ny
olona. Nataony tonga divay ny rano tamin’ny siny vato 6. (6X6=36l).
manampahefana hanova ny zava-boary i Jesoa.
Tamin’ny fotoana niakaran’i Jesoa voalohany tany Jerosalema
dia nandroaka mpivarotra Izy sy nadrava tsena tao amin’ny kianjan’ny tempoly.
Fahefan’ny mesia izany, fahefana miseho izany. (Sal 69/5) Mesia i Jesoa.
Fa eto amin’izao Jaona izao dia fahefana milaza fa fahefana ara-panahy koa dia ao amin’i Jesoa Kristy. Ka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanahy mandrakizay dia alalana avy aminy irery ihany no hahazoana miditra ao na any. Inona izany fahefana izany ? « Raha tsy ateraka indray ny olona… »
Ahoana sy ahoana indray ary izany ?
Mandray ny fanahin’Andriamanitra
Ny hevitry ny soratra masina amin’izany : nilatsahan’ny
fanahy masina. Nofenoina ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masia. N’iza
iharan’izany dia lazaina fa ateraka indray : tarihin’ny fanahy masina.
Mandray ny fanahy masina : miara monina amin’ny fanahy
masina. Ny sitrapon’ny fanahy masina no sitrapony. Départ zéro. Lasa ny taloha,
tonga vaovao ? vao teraka. Mitombo. Miha lehibe.
Ohatra : ra-olona : ra olombaovao, ambony, ambony.
Osa : sahy sns…
Petera : mientana, mivadika. Nony mandray ny fanahy
masina (nilatsahany, feno ny fanahy masina, indro olom-baovao, sahy, mientana,
miteny amin’ny manam-pahefana hoe : tsy ekena mihoatrano ho Andriamanitra
ianareo. Andriamanitra no ekena mihoatra noho ianareo.
Stefana : niteny mazava nohon ny fanahy masina tao
aminy. Indro ny zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Izay
anisan’ny nampirodana ny olona hanome azy.
Finoana mahafaty kanefa mahavonjy mandrakizay. Teraka indray :
olom-baovao mitombo, miova tsikelikely.
Tsy misy dia tonga lasa avy hatrany amin’ny fahaterahana. Ny fanahy
masina mahery kanefa miasa miandalana (pas à pas ; petit à petit)
Ny fanahy masina tsy manova ny momba anateo rehetra tampotampoka eo. Manova tsikelikely Izy. Misy olona te hiova tampoka, tsy mahandry, fanahy masina ka lasa toy ny olona mifoha tampoka amin’ny torimaso, ka izy no miasa fa tsy ny fanahy masina, vokany miraparapa, manaonao foana.
Ateraka avy any ambony (tamin’ny voalohany teraka teo an-tany)
Avy amin’Andriamanitra.a vy amin’ny tenin’Andriamanitra.
Mandray Azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Tsy azoazo amin’izao
fa katsahina, sainina ny any amin’Andriamanitra. Omena anaram-baovao. (ny 70
lahy) nanaiky satana. Hitako nilatsaka tahaka ny varatra. Mifaly fa voasoratra
any…. Tsy hoe manaiky anareo ny fanahy fa vaosoratra… lasa olon’ny
lanitra : citoyen n’ny lanitra. Rehefa tonga ny fotoana dia hita maso
izany.
Nikodemosy : hefa mihitsy ny heviny. Hiverina ho any
ankibo. Teraka, hirombo, départ zéro. Hafahaha te ho ela velona eto. Samy
fariseo i Paoly, na i NIcodeme f any an’i Paoly : mampiasa saina sy fo ary
fanahy izanh hoe mikatsaka. Fiovana mahery vaika indray izy amin’izany :
saoly = Paoly. Jodaisma : kristianina : olona mafy toto. Tsara
orina. Mahefa be. Manana tanjona avo dia avo. Manadino ny any aoriana fa
manatratra ny eo aloha. Olona karazany hefa noho ny olona rehetra. Tena Eugène
na Eugénie. (tsara karazana)
Tsy hoe olona super fa olona tsara no ilazan’ny voambolana
azy. Tsara orina. Tsy miova. Mafy toto. Mahatanty. Mahalala tena mahalala ny
ataony.
Ao amin’ny batisa ny olona no ateraka indray. Eo no voasoratra ho isan’ny fiangonana sy ao amin’Andriamanitra na ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny EEM dia ery aoriana ery ny fanaovana batisa.
Olom-baovao tanteraka
Manana ny fiainan-danitra. Manana ny fitiavana sy fifaliana
ary fiadanana. Manana vokatra betsaka amin’izany satria ny fanahy masina
mihitsy no mikarakara azy. Voafafy ny voa, dia maniry, dia ampitomboin’ny
fanahy masina. Tsy safidin’ny olona ny fitomboana fa asan’ny fanahy masina.
Saingy ny olona manaiky ny fanahy masina no toy izany. Manaiky iasan’ny fanahy
masina = tarihin’ny fanany masina ny fombany, ny fanao, ny fiasa ary ny fiteny
… ka ny eritreritra mifanaraka amin’izay ianarana izay ianarana mifanaraka
amin’izay lazaina ; ary izay lazaina mifanaraka amin’izay atao. Tsy misy
fifanoherana ny fiaina rehefa olom-baovao tanteraka. Mazava fiaina ny
olom-baovao tiaa dia tia. Faly dia faly. Fiadanana dia fiadanana.
Fiangonana tsy tia croix bleu, tsy tia safif kanefa izy
ihany no nanangana ireo. Fanahin’ny fampiviliana izany. DO RE MI = DOEMI
Vaovao fiaina ?
Manao izay tiana atao
Tsy maintsy tarihin’ny fanahy masina ka tsy misy
fifanoherana ny fiainany.
Nahatanteraka ny fihazakazahako aho. Nefa noho ny mena
miraviravy any amin’ny izao tontolo izao any dia mivadika izany hoe tsy tonga
hatrany amin’ny farany akory.
Tanteraka ao amin’Andriamanitra ny fitiavana
Rha misy reservoir iray misy menaka na rano na rivotra, mafy
be ny colle natao tamin’ny fanamboarana ny reservoir matoa tsy misy manary.
(Intense) ny fitiavana intense (intense relation d’amour) dia tsara orina ka ny
olom-baovao na olona nateraka indray dia olona miankina amin’ny fitiavana
mahery, tsy misy fepetra, lalina ny fitiavany.
I Petera raha
nanontanian’i Jesoa dia namaly ny fanontanian’i Jesoa tsy araka ny izy
Moa tia ahy va hianao ? fitiavana agape va ny
fitiavanao ahy ? tsy misy fepetra va ny fitiavanao ahy ? ianao no
mahalala fa izaho tia anao. Tia anao : fitiavan-kavana na sakaiza no
lazaina amin’izany. Misy fepetra. Fepetra : havana ka tiana (filia).
Tsy tanteraka ny fitiavana misy fepetra.
Hoy Jaona ao amin’ny I Jaona 4/7 : « ry malala (ry
mahate ho tia) aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana
ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra. »
Kristianina teraka indray = mahatehotia no iantsoan’ny
soratra masina azy.
Andriamanitra tia an’i Jesoa. Jesoa tia antsika. Isika tia
an’Andriamanitra. Isika tia ny olona.
Tia = mitovy daholo eto, na ny an’Andriamanitra na ny an’i Jesoa Kristy, na ny antsika. Mitovy fitiavana. Eo no milaza fa azo atao ny mitovy amin’Andriamanitra. « aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo ».
FEHINY
aAteraka indray ?
« lazaiko aminareo marina dia marina , raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra »
Tsy maintsy mandray ny fanahy masina
Ateraka avy any ambony
Olom-baovao tanteraka
Tanteraka amin’ny fitiavana anefa
Mifamatotra amin’ny fanahy masina
Tsy misy lalan-kafa intsony. Làlana tokana io.
Miala tamin’ny fatoran’ny devoly fa mandroso kosa ho
fatoran’ny fanahy masina. Tarihin’ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masina.
Tonge eo amin’ny teboka tsy afaka miverin-dàlana intsony.
Point de non retour. Tsy mahazo miala intsony fa m/sy. Miaraka amin’i Jesoa
Kristy Mpamponjy sy amin’ny Fanahy Masina mpanavao, ka tonga voaray vaovao
mandrakizay. Mpandova miaraka amin’i Jesoa.
Fanompoam-Pivavahana: Andro Fiakarana Alakamisy 21 may 2020
Toriteny
« Fa Izaho milaza ny marina aminareo : MAHATSARA ANAREO NY FIALAKO » Jaona 16/7a
Ary amin’i Jaona 14/1 dia mazava
fa halahelo ny mpianatra noho i Jesoa
nilaza marina fa handeha hanamboatra fonenanana hivantanana mandrakizay. Rehefa
tonga anefa ny Fanahy Masina dia hisinda ihany izay alahelo izany ka hisolo
hery, hisolo fiadanana, hisolo finoana matanjaka.
Eto amin’ny Jaona 16 indray, dia
miampy ny fanomezan-toky fa mahatsara ny mpianatra ny fialan’i JESOA. Ny teny
hoe MIALA moa : FIAINGANA, FANDAOZANA, FANDEHANANA tsy ho eto imaso
intsony. Koa satria hiainga i Jesoa, hiala, handao, ho any an-danitra, inona ny
hevitry ny hoe MAHATSARA ANAREO izany ?
Nahoana no mahatsara ny mpianatra ny fialany ?
HO AVY NY MPANANATRA
Jesoa lasa, ny Mpananatra tonga.
Jesoa lasa, ny Mpiaro tonga, ny Mpanampy tonga,
ny Solovava tonga
Jesoa, nahavita ny asany, ny Fanahy Masina manao
ny asany.
Asan’ny Fanahy Masina : Mpampahery ny
Kristiana. Momba ny Kristiana. Mananmpy Kristiana eo amin’ny ady. Mitondra ny
Kristiana hiady mihitsy.
Lasa ny don n°1, tonga ny don n°2, LASA
Mpamonjy, TONGA ny Mpiaro ny famonjena
LASA ny 2ème personne amin’ny
TRINITE. Tonga ny 3ème personne amin’ny TRINITE.
FAMONJENA efa VITA, fa ny fijoroana amin’ny maha voavonjy no ilàna ny Fanahy Masina.
HO AVY HO AN’NY MPIANATRA NY FANAHY MASINA
Ho an’ny Mpianatra no nahatongavany. Tsy ho an’izao tontolo izao satria tsy hainy raisina. Ho an’ny mpianatra satria hiara-miasa aminy. Hiara-monina aminy. Ho mpitarika azy. Hain’ny mpianatra ny mandray Azy.
Ny hahatonga ny Mpianatra na ny Krisitiana ho vavolombelona no antony. Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina sy miara-monina ary miara-miasa amin’ny Fanahy Masina dia vavolombelon’i Kristy ary tena sahy milaza ny fahamarinan’ny FILAZANTSARA na ny amin’ny Kristy sy ny FAHAMARINANY. Sarotra sy mafy ny mialaza ny marina sy Kristy sy ny fahamarinany.
Voalaza ny Soratra Masina dia IRAKA’Andriamanitra RAY sy IRAK’ i Jesoa Kritsy ny Fanahy Masina. Teny mampahery aza fa FANOMEZANA MAMPAHATSIARO ny amin’ny famonjena efa vita ny fahatongavany. Hoy ny TENY : « Fa raha tonga ny Mpananatra Izay hirahiko ho aminareo avy amin’i RAY, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana… IZy no vavolombelon hanambara ahy » (Jaona 15/26)
Mitarika ny Kristiana ho Mpilaza
ny an’i Kristy ny Fanahy Masina. Mpitarika hanoa programan’Andriamanitra ho
amin’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Mitaona ny olona ho amin’ny AVO na ho
amin’ny maha Zanak’Andriamanitra.
Ny TARIN’NY FANAHY MASINA : vavolombelona tahaka ny
Fanahy Masina ihany. Mitovy asa amin’ny Fanahy Masina. Samy
Mpanampy
Solovava
Mpampahery
HO AVY HAMPIAIKY AN’IZAO TONTOLO IZAO IZY
Ny asan’ny Fanahy Masina eo
amin’izany dia ny hahatonga ny olona HANAIKY fa MPANOTA sy HANAIKY ny FAHAMARINANY
ary ny FITSARANY
Ny asan’ny Fanahy Masina izany
dia ny hahatonga nyolona hanaiky na hano FANEKENA fa i Jesoa Kritsy dia
Mpamonjy ary efa vita ny famonjena. Ny mandray azy sisa no ataon’ny Olona. Koa
ny olona mandray an’i Jesoa Kristy dia mahafantatra mazava tsara MPANOTA izy kanefa i Jesoa
Kristy manaiky ho ao aminy.
Ary koa ny olona mandray an’i
Jesoa kristy dia mahafantatra tsara fa tsy misy marina mihoatra an’i Jesoa
Kristy amin’izao fiainana izao na amin’ny hita na amin’ny tsy hita. Ary farany,
ny olona mandray an’i Jesoa Kristy dia miharihary mainy fa izay ln’ny
tenin’Andriamanitra dia efa toy ny didim-pitsarana.
Araka izany, ny asan’ny Fanahy Masina dia mahatonga ny olona mandray an’i Jesoa Kristy ho zanak’Andriamanitra koa. Homeny anarana Zanak’Andriamanitra.
Tsy misy fahamarinana na amin’ny iza na amin’ny iza afa tsy
ao amin’ny Jesoa Kristy.
Ary ny amin’ny faharesen’i Satana no tena lazaina amin’ny hoe FITSARANA.
NOHO IZANY REHETRA IZANY ARY :
Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina : feno ny Fanahy Masina. Olona resy lahatra fa ao amin’i Jesoa Kristy no resy ny OTA, mijoro ny fahamarinana, resy Satana.
Ny AFF ataon’ny Fiangonana : maneho ampahibemaso fa ny mpanota tsy maintsy mibebakan tsy maintsy manaiky fa ny marina ao amin’ny Baiboly no hany marina eken’Andriamanitra.
Ary ny Asa Fitoriana Filazantsara ataon’ny Fiangonana dia ny maneho fa resy ary efa resy Satana. TSIPAKY ny miala aina sisa ny azy.
fehiny
Ny andro fiakarana azy, dia andro milaza amintsika amin’ny alalan’ny FITARIHAN’NY FANAHY MASINA fa :
MIASA NY FANAHY MASINA
MAHATSARA ny FIangonana sy asan’ny FIangonana
ary tena mahatsara azy
NY FANAHY MASINA moa dia tsy Iza fa
Andriamanitra manohy ny asan’i Jesoa Kristy eo ampiandrasana ny fiverenany.
Ny asany dia : Mampahery, momba ny
Fiangonana, vavolombelon’i Jesoa Kristy ary miteraka FANEKENA eo amin’ny
Fiangonana fa Jesoa Kristy irery no efa nandresy ny OTA, Izy irery no marina
ary Satana efa tsy mahapoitra intsony.
Ary dia ho amin’ny FIBEBAHANA no anton’ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny OLona. AMENA
PERIKOPA : II Tantara 15/1-7 Lioka 4/1-13 I Jaona 4/12-16
Ny Epistin’ny I Jaona 4 dia misy
ireto fahamarinana ireto izay tsy azo avela :
Ny Fanahy manaiky fa tonga nofo Kristy no avy
amin’Andriamanitra
Mandresy fahanin’ny antikristy ny Fanahy manaiky
fa tonga nofo Kristy
Ny FIFANKATIAVANA no hery lehibe handresana ny
fanahy antikristy
Ny avy amin’Andriamanitra mihaino ny Soratra
Masina
Eto amin’ny Perikopa kosa,
andininy 12-16 dia milaza fifandraisan’Andriamanitra Ray Zanaka ary ny Fanahy
Masina amin’ny olona mino.
Inona avy no hafatra aterak’izany ?
1- NY MIFANKATIA DIA MANANA NY FANAHY MASINA ( and 12-13)
FITIAVANA iainan’olona mivelona amin’ny fahasoavana dia olona tia an’Andriamanitra, olona tia an’i Jesoa Kristy, olona tia olona. Mitovy ireo fitiavana ireo, porofo fa manana Fanahy Masina ; tarihin’ny Fanahy Masina; miara monina ao amin’Andriamanitra. Manana ny fanahy masina ; tia an’Andriamanitra RAY sy JESOA KRISTY Zanaka ary ny Olona rehetra.
2- NY MANAIKY AN’I JESOA KRISTY HO MPAMONJY = MITOETRA AO AMIN’ANDRIAMANITRA IZY
Ny Manaiky ny Mpamonjy sy vonona hitoetra amin’Andriamanitra dia milaza amin’ny fiainana fa Andriamanitra no tsy maintsy manao ny dingana voalohany vao ny olona. Mety amin’olombelona izany diaTsara ; tsy mety kosa miandry Andriamanitra. Ny Soratr’Andriamanitra aloha vao ny sisa manaraka ihany.
3- MITOETRA AO AMIN’ANDRIAMANITRA NY OLONA MIFANKATIA
Ry zanak’Andriamanitra ô ! tafatoetra va ny fonao ? Mifankatia amin’Andriamanitra va hianao ? mifankatiava amin’ny olombelona rehetra raha azo atao.
FEHINY
Manafatra ho antsika
Andriamanitra ankehitriny fa
Ny manana ny FANAHY MASINA no manana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy. Tafatoetra amin’Andriamanitra ny FO. Izany no azo lazaina sy ambara fa mifankatia amin’Andriamanitra ary teren’ny fitiavan’Andriamanitra fa tsy maintsy mifankatia amin’ny olona toa azy koa.
Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia milaza fa feno ny Fiaianana hita maso ary ny tsy hita maso koa. Aoka h oeo ambany FITARIHANY ISIKA, fa izany no maha zanak’Andriamanitra sy olomboavoanjy ary olona masina antsika. « velona amin’ny fanomezana isika dia velona noho ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina aty ny tenin’Andriamanitra. » AMENA
« Fa izaho koa, ry
rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay
mifananatra koa.» Romana 15/14
Hoy Paoly tamin’ireo Kristiana tao amin’ny vondron’olona mpiara-miangona tao Roma eto amin’ity Romana 15/14 « Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo…. »; azoko antoka hianareo ; azo iambohoana hianareo. Mahefa hianareo na dia tsy mifanatrika aza. Ny tian’i Paoly ambara dia ny lalàm-pivavahana izay lany andro, raha vao mandray an’i Kristy ny Mpino ary indrindra indrindra honenan’ny Fanahy Masina, fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina (Romana 14/17), lany andro ny resaka sakafo sy resaka andro sns.
Ny tena manana ny Fanahy Masina ary dia ny olona mahatoky, tsy mora mihozongonzona na mevembena tsy mirona atsy sy arao, izany hoe tsy mahajoro tsara fa mihilangilana tsy mitsahatra. Ny azo itokiana izany dia tsotra ny valin-teny omen’ny hafatra azy dia izao :
Feno
fahatsarana
Feno
fahalalana
Mahay
mifananatra
FEHINY
Ny fiangonan’Andriamanitra
dia :
Matoky azy ny Tompo
Mpanompon’i Jesoa Krsity Tokana
Sahy amin’ny zavatra rehetra
Mirehareha noho ny asan’ny Fiangonana
Ny Fiangonana izany dia
fiangonana Velona noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena tao amin’i Kristy
Jesoa sy ny Fanahy Masina. Noho izany dia mivelona :
Amin’ny fahatsarana, amin’ny fo madio
Amin’ny fahalalana, amin’ny saina hendry
Amin’ny fananarana, amin’ny anaran’ny Tompo sy
a :in’ny herin’ny tenin’ny Tompo
Ny Fiangonan’Andriamanitra izany dia MADIO = HENDRY = MIFANANATRA ary atao hoe MAHATOKY.
« Fa ny hita dia vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay » . 2Kor4:18b
Fanompoam-pavavahana Alahady 26 Aprily 2020
Toriteny: 26 aprily 2020
« Fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrikizay» 2Kor 4 18b
Hoy ny dikan-teny fototra « fa ny hitan’ny maso dia vonjimaika ihany, fa ny tsy hitan’ny maso kosa dia ny mandrakizay », hoy ny DIEM « ny hita manko dia miserana ihany, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay ».
Izao hita maso izao izany dia miserana sy vonjimaika, tsy
tena izy ary mandalo ihany. Fa ny tsy hita kosa dia maharitra mandrakizay na ny
mandrakizay tena izy. Ny fiainana izany dia miserana sy vonjimaika ary mandalo.
Toy ny trano lay, trano mora simba,trano mora mikoro. Fa ny tsy hita ny an’Andriamanitra,
miaraka amin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay na MANDRAKIZAY. Tsy azo
ferana, tsy mety simba, tsy mety lo, tsy mety mikoro. Trano tsy natao tanana.
Milaza inona amin’ny finoana Kristiana izany ?
Mampaninona antsika Kristiana izany teny izany ? Inona ny fahamarinana
amin’izany eo amin’ny fiainana ? Betsaka ny valin-teny azo atolotra,
fa ireto telo ireto no sainina vetivety ka hodinihina :
Ny fiheverana ny tsy hita dia manafoana ny fahaketrahana
Ny fiheverana ny tsy hita dia fanavaozana ny fiainana anaty
Ny fiheverana ny tsy hita dia ahazahoana ny satro-boninahitra mandrakizay
FEHINY
Ny olombelona mino, manantena, tia ny fiainana tsy hita izay maharitra mandrakizay dia olombelona :
Tsy ketraka. « Ary tsy ketraka izahay; fa
na dia mihalevona aza ny toetray ivelany» 2Kor4/16a
Olom-baovao. « dia havaozina isan’andro
isan’andro kosa ny toetray anatiny. » 2Kor4/16b
Ho voatafy voninahitra mandrakizay. « voninahitra
mavesatra maharitra mandrakariva ho anay » 2Kor4/17
Izany hoe ho Mpandresy eto an-tany, mandroso ho amin’ny
fiainana Mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra hahazo ny satro-boninahitra
mandrakizay. Miara mandova amin’ny Kristy. Marina amin’ny hita maso noho ilay
tsy hita maso. Amin’izay fotoana izay dia mazava fa zanak’Andriamanitra isika
ary zanak’Andriamanitra Mandrakizay.