« Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, na amin’ ny finoana, na amin’ ny teny, na amin’ ny fahalalana, na amin’ ny fahazotoana rehetra, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao.» 2 Kor 8/7
Notontosaina ny Alahady 14 martsa 2021 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina teto amin’ny Fitandremana FJKM Ankadimbahoaka, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany sy ny ankohonany. Ramatoa RATSIMANDRESY Estera Mpitandrina, izay vadin’ny Filohan’ny FJKM no nitarika ny fotoana, ary ny Mpitandrina RATSIMANDISA Haritiana Zo, Recteur Oniversity FJKM Ravelojaona no nitondra ny tenin’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny 2 Koritiana 8 and 7 manao hoe « Fa araka ny itomboanareo amin’ ny zavatra rehetra, …, na amin’ ny fitiavanareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’ izao fahasoavana izao ». Notsindriny manokana tamin’izany fa :
Izay tia
mahafoy
Izay tia
mandray fahasoavana
Toy ny fanao dia ny Biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana. Tsy diso anjara tamin’izany ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky sy naman’ny Mpitandrina.
Nandritra ny lahateny izay nentin’ny Biraon’ny fitandremana no niarahabana sy nirarina soa ho azy mianakavy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ary nanolorana azy ireo ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe:
« Tsy hianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry
anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba omen’ny Ray
anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako na inona na inona ». araka ny Jaona 15 and 16
Tsy mora noho izany ny adidy sy ny asa hanirahan’ny
Tompo ny Mpitandrina ka notononina taminy ilay fiteniny manao hoe « MAHEREZA ».
Teo ihany koa ny fanentanana ny mpianakavin’ny finoana rehetra hahatsiaro mandrakariva hitondra am-bavaka azy mianakavy.
Aza matahotra intsony. Nahoana ? taloha dia natahotra noho ny heloky ny ray aman-dreny. Kanefa ny heloky ny ray aman-dreny dia tsy heloky ny zanaka. Rehefa miova fo ny zanaka dia tsara ny ho avy eo amin’Andriamanitra, tsy matahotra intsony. Andriamanitra mantsy rehefa tezitra no ny otan’ny ray aman-dreny teo amin’ny zanaka dia ataony mahita loza ny olombelona mampahatezitra Azy. Mahatezitra = mira olombelona manompo sampy. Fa rehefa miverina kosa dia honoiny vavaka sy hasiany soa, ary ilazany hoe « aza matahotra ». Milaza inona amin’ny finoana izany ? Manambara inona amin’ny mpino izany ?
Tezitra = nalainy ny Fanahy nataony ao anaty (Saoly mpanjaka
no voa tamin’izany).
Koa ny kapoka ataony dia milaza fa tsara Izy, ny olombelona
mantsy andrianin’Andriamanitra saingy ny olona no tia fanambaniana. Nivadika amin’Andriamanitra
dia manolo an’Andriamanitra amin’ny sampy, koa satria tsara Izy dia mikapoka. Kapoka
= fahatsaran’Andriamanitra.
Ny anarana hoe Jehovah Tompon’ny maro dia manana ny fahefana
rehetra amin’ny voary rehetra satria lehiben’ny tafika any an-danitra.
Tsy misy hahatohitra Azy. Milaza izany fa ny hoe, tsy misy
mahatohitra Azy dia tsara Jehovah. Toloroana Fanahy hendry mahatoky. Esoriny ny
Fanahy Masina amin’ny mivadika aminy.
Ohatra :
Solomona dia nomena fahefana tahaka ny fasika ny habetsany, Saoly tsara
tarehy lava ranjanana, nongotan’i Jehovah taminy ny Fanahy Masina dia lasa
gaigy. Fa ny hoe « aza matahotra » ny heviny dia izao, tsy ho
voakasiky ny loza, porofo fa tsara Jehovah. Famonjena tombony ny dikany, lasa
ny fanandevozana sy ny ozona ary mitahiry ny fitahiany. Vita ihany ny 70 taona
tany babilona.
I Hagay sy Zakaria dia samy ahitana fiverenana avy amin’ny
Babilona hanorina indray an’ny Jerosalema (manda lapa tempoly). Noho izany ny
fanorenana indray ny lapa sy ny tempoly dia midika fa aza matahotra
miara-monina amin’Andriamanitra indray ny zanak’Israely, izany hoe ny fanjakana
ampiana fivavahana (Saoly, Davida, Solomona miampy fivavahana) (Mosesy +
vahoaka + didy folo). Tsy misaraka amin’ny fivavahana ny fitondrana.
Misy andriamanitra ratsy eto an-tany hivavahan’ny olona
(andriamanitra lina ady, andriamanitra manome fanahy iray hahafaty ny
fahavalo). Fa Jehovah kosa dia Andriamanitra tsara, manitsy amin’ny alalan’ny
kapoka ka manome fahendrena sy fahazavana ary famonjena.
Ny finoana an’i Jehovah ary dia tsy mandeha ila fa misy lainy roa hatrany : kapoka = tsara Jehovah, fitahiana = tsara Jehovah.
Manisy soa Izy
Inona ny soa lazaina fa ataon’i
Jehovah ? eo amin’ny andininy faha 11-13 dia izao : « hamoha
amin’ny fiadanana ny voaloboka » (tsy vanona ny voaloboka amin’ny fotoana
mikorotona na be rivotra). Ny tany hahavokatra dia tany matsiro, ny andon’ny
tany hirotsaka. Tso-drano tanteraka izany. Ny famonjena iainana. Ny Israely no ilazana izany. Ny soa izany =
fiadanana, vokatra, ando ary tso-drano. Fiadanana avy amin’Andriamanitra. Vokatra
avy amin’ny tany, andon’ny lanitra avy amin’Andriamanitra ary tso-drano avy
amin’Andriamanitra.
Andriamanitra dia niasa mialoha
tany Kanana tamin’ny alalan’ny tso-drano, jereo ny Deotoronomia 28/3-12. Tsy mbola
nitsaka rano ny zanak’Israely dia nomena azy ny fitahiana. Jehovah hanandratra ny zanak’Israely, Jehovah
ny hamoha ny lanitra ho an’Israely. Ary nampanatena fa ho lasa firenena
manankarena ny Israely. Dia tanteraka daholo ireo rehefa nonina tao Kanana ny zanak’Israely.
Voky hanina sy maro anaka ny
Israely, misokatra isan’andro ny fitahiana, misandratra sy mitombo hery.
Voky ny soa (kapoka ohatra). Dia niova
ny Israely, rehefa nibebaka ny Israely dia nomen’Andriamanitra mpamonjy :
Deobra, Gideona sns.
Andriamanitra miverina amin’izay
miverina Aminy dia manisy soa « miverena amin’Andriamanitra dia miverina
aminao Izy, izany hoe hanisy soa anao Izy. » Fibebahana = fahazahoana soa,
soa azo = Andrimanitra. Miveren-dàlana amin’ny olona.
Hoy ny Salamo 34/8-10 : « Andramo
ka izahao fa tsara Jehovah, sambatra ny olona izay mialoka AMiny ».
Miverena amin’Andriamanitra dia ho sambatra ianao, tsy hanan-java-mahory, tsy
ho orin-javatsoa.
I Petera, rehefa tena niverina
teo amin’i Jesoa Kristy teo amin’ny tantara dia niteny hoe : « aza
atao mitovy fahafatesana amin’ny Tompo aho, aoka hitsingolika ny hazo fijaliako ».
Ny devoly hoy Petera dia toy ny
liona mandehandeha mierona mitady izay ho arapany. Ny devoly izany dia mijoko,
masiaka, mitady izay hahafaty haingana. Koa rehefa tsy matahotra dia soa avy
amin’i Jehovah ny tsy matahotra ny devoly.
Ao amin’ny Zakaria 8/14-17 : « maro ny olona manaradia ny Israely noho ny soa sesehena azon’ny Israely tamin’i Jehovah satria ny olona mahazo soa = omban’Andriamanitra, izany hoe tsy very mandeha, ny olon’Andriamanitra dia omban’Andriamanitra sy ny Anjely »
Fehiny
Aza matahotra intsony fa tsara Jehovah, manisy soa ny olona Izy. Amena.
« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia » Jaona 13/34-35
PERIKOPA: Salamo 133 ; Jaona 13/31-35 ; Romana 13/8-10
FITARIHANA
Fanasana
tongotra : fanetre-tena. Fidinana ho ambany. Fitaizana ho mpanompo.
Mpampianatra sady Tompo aza manao izany ; nahoana moana raha samy
mpianatra tsy hahavita ve ?
Misy
mpamadika anefa : Jesoa vao avy nampianatra fanetren-tena teo anefa, no
nilaza mazava fa anankiray amin’ny mpianatra no hamadika Azy. Niteraka alahelo
na horohorom-panahy izany ; tsy ny hanatanteraka an’ny gologota anefa, fa
noho ny amin’ny iray izay ho very mantsy kanefa dia niray aina taminy ihany.
Araka
ny andininy 28-30 hoe : « Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka
nihinana nahalala ny antony nilazany izany taminy. Fa nataon’ny sasany fa
satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesoa taminy hoe : vidio
ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho
an’ny malahelo. Ary rehefa mandry ny sombin-kanina izy dia nivoaka niaraka
tamin’izay ; ary efa alina ny andro ». Noheverin’ny Apostoly fa
zavatra hafa mihitsy ny resaka ka tsy dia nahoany ny nandre izay voalaza.
Fa ny zava-dehibe, tohin’ny fivadihan’ny anankiray tamin’ny Apostoly dia ny fifankatiavana. Hianareo 11 lahy, mifankatiava, didiko izany, fanaoko izany, fijoroana amin’ny maha mpianatro izany.
MIFANKATIAVA FA DIDIKO IZANY
Aza mamaly ratsy no dikany.
Mamaly ratsy = fomban’ny olona mpanao andolom-po. Fitiavana soloina lolompo. Ny
didin’i Jesoa Kristy = ovana lolompo. Koa raha misy olona hanaovana lolompo,
itrangan-javatra sarotra dia lalovana fotsiny na iviliana làlana.
Ohatra : levita sy Mpisorona
ao amin’ny Lioka 10/25-41
Satria tsy Jiosy voaendaka no
hita ao, na dia misy lolo-po aza angamba eo amin’ny Samaritana sy Jiosy, tsy nandao
na nandalo ilay Samaritana fa namonjy. Ny olona mitahiry lolom-po = avelao ho
voa any.
Fianarana avy amin’Andriamanitra
izany. Ny devoly tokana ihany no fahavalon’Andriamanitra. Mianara avy
amin’Andrimanitra. Aza miangatra. Aza mizaha tavan’olona. Eny an-tsena dia misy
olona mizaha tavan’olona. Ny fitafinao ivelany no jereny vao tombanany ny
vidin-javatra. Asiako ity. Voako ity. Tsy misy fitiavana izany fa mety lolom-po
tsy ahoan-tsy ahoana.
Ry malala, ny mahatehotia, ny
voantson’Andriamanitra, ry masin’Andriamanitra. Raha tia an’Andriamanitra
hianao, aza mankahala olona fa mpandainga eo imason’Andriamanitra ny toy izany.
Manao ny asan’ny devoly ny toy izany. Izao no didy : « Izay tia
an’Andriamanitra tsy maintsy tia ny rahalahiny ». Fitiavana mitovy lanja,
mitovy refy ny fitiavana enti-mitia an’Andriamanitra sy ny manana.
Na faran’izay ratsy eo amin’ny fiaraha-monina
aza. Andriamanitra tia azy = tiavo izy.
« Raha velona koa aho hoy Jehovah, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany ». Didy izany. Tsy lany andro izany. Mahantra mandrakizay izany. Tsy ho levona izany.
MIFANKATIAVA AO AMIN’NY TOMPO
« Tahaka ny nitiavako anareo
no aoka hifankatiavanareo koa. » Mifankatiava ao amin’ny Tompo. Araka ny
fomban’ny Tompo. Araka ny fomba tsara ny
Tompo. Fomba tsy misy tsiny, tsy misy kianina, tsy misy fanamarihana azo atao.
Fomban’Andriamanitra = ny Azy irery no marina, ambony, tsy tratra ho hazavaina.
Mifankatiava ao amin’ny Tompo =
fifankatiavana tokana no miseho eo amin’ny kristianina rehetra. Tsy
manam-paharoa izany hoe tsy maintsy Jesoa eo amin’ny fiainana sy atao rehetra
ary aleha rehetra. Mifankatia tsy maintsy misy Jesoa.
Raha mbola misy hoe ao amin’ny
Tompo, sarotra ny tsy hifankatia, sarotra ny miziriziry. Miziriziry = nialan’ny
fanahin’i Jesoa Kristy Mpampihavana.
Raha mbola mino isika fa Jesoa
Kristy no niteny hoe : « Tahaka ny nitiavako ….. kosa » sarotra
ny tsy hifankatia. Ny olombelona efa mibasy
efa maty angamba : olombelona tsy miraharaha izay mety ho vokatry ny
teniny.
Ny mpianatry ny Tompo : tia ny Tompo. Tia ny teniny. Ao anatin’izany mifankatia ao amin’ny Tompo.
MIFANKATIA DIA FIJOROANA HO VAVOLOMBELON’I KRISTY
« Izany no hahafantaran’ny
olona fa mpianatro hianareo rehefa mifankatia ».
Anisan’ny marina sy rariny tsy
maintsy ijoroana ny fifankatiavana, mijoro tarihin’ny Fanahy Masina anefa.
Mitandrina ny didy eo imason’ny olona. Atao azo tsapain-tanana fa mifankatia sy
mitoetra amin’ny fifankatiavana ny Kristianina no dikany.
Ny olona tia fifankatiavana : olona
manan-kaja, milaza fa olona ambony fiainana. (Zanak’Andriamanitra ny
mpampihavana)
Noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mahita
soa ny manodidina ary misandratra (samaritana tsara fanahy)
Manao izay nataon’Andriamanitra. Manome ny
sarobidy indrindra (Zanany lahy tokana)
Madio ny olona mifankatia satria tsy misy ratsy
miserana akory eo aminy.
Noho izany ny olona ambony
tarihin’ny Fanahy Masina tia manome ny sarobidy indrindra ary madio dia
lazain’ny Jesoa Kristy fa mivelona, mandeha, manaraka ny didy tsy mavesatra (I
Jaona 5/3) izany hoe azo lanjaina tsara miaraka amin’ny tena eny rehetra eny ny
fitiavana. Sampona raha tsy manana izany.
Misy ohatra tsara lazain’ny
Salamo 133 dia ny mpirahalahy miara-monina, izay oharina amin’ny diloilo.
Diloilo : menaka fanosorana mpisorona : milaza fitahiana sy
fahaoavana ary fiadanana.
Azo itarina amin’ny mpirahavavy miara-monina. Azo velarina any amin’ny rafozana sy vinanto (Vavolombelon’i Kristy). Ahoana ny hoe ny havantiana tsy hiara-monina ? Ahoana hoy ny Soratra Masina : « raha azo atao dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra ». Tsy rariny hoe havan-tiana tsy iaraha-monina. « Aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara » (II Jaona 11). Tsara : tsara ataon’ny olon’Andriamanitra ka halain’ny olona tahaka.
FEHINY
Hoy ny hafatra
Mifankatiava
Mifankatiava ao amin’ny Tompo
Mifankatiava fa vavolombelon’ny Tompo ny manao
izany.
Ireo no hevitr’Andriamanitra
rehefa mifankatia.
Mifankatia ao amin’ny Tompo, vavolombelon’ny
Tompo.
Ny vavolombelon’ny Tompo dia
mifankatia ao Aminy ary mifankatia amin’ny olona rehetra.
Trosa tsy mety voaloa io izany
hoe na tsy voaloa aza ny fifankatiavana no ambony. Aleo very tsikalakalam-bola
…
Betsaka ny trosa tsy voaloa. Tsy
maintsy aloa anefa. Kanefa na tsy voaloa aza simbana ny fifankatiavana.
« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra » (Jaona 3/3)
Fanompoam-pivavahana: Alahadin’ny PENTEKOSTA 31 may 2020
Toriteny
« Nanatrika fampakaram-bady tao kana i Jesoa. Lany
vatsy ny tompon’ny fanasana, lany divay. I Jesoa dia manala fahasahiranana ny
olona. Nataony tonga divay ny rano tamin’ny siny vato 6. (6X6=36l).
manampahefana hanova ny zava-boary i Jesoa.
Tamin’ny fotoana niakaran’i Jesoa voalohany tany Jerosalema
dia nandroaka mpivarotra Izy sy nadrava tsena tao amin’ny kianjan’ny tempoly.
Fahefan’ny mesia izany, fahefana miseho izany. (Sal 69/5) Mesia i Jesoa.
Fa eto amin’izao Jaona izao dia fahefana milaza fa fahefana ara-panahy koa dia ao amin’i Jesoa Kristy. Ka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fanahy mandrakizay dia alalana avy aminy irery ihany no hahazoana miditra ao na any. Inona izany fahefana izany ? « Raha tsy ateraka indray ny olona… »
Ahoana sy ahoana indray ary izany ?
Mandray ny fanahin’Andriamanitra
Ny hevitry ny soratra masina amin’izany : nilatsahan’ny
fanahy masina. Nofenoina ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masia. N’iza
iharan’izany dia lazaina fa ateraka indray : tarihin’ny fanahy masina.
Mandray ny fanahy masina : miara monina amin’ny fanahy
masina. Ny sitrapon’ny fanahy masina no sitrapony. Départ zéro. Lasa ny taloha,
tonga vaovao ? vao teraka. Mitombo. Miha lehibe.
Ohatra : ra-olona : ra olombaovao, ambony, ambony.
Osa : sahy sns…
Petera : mientana, mivadika. Nony mandray ny fanahy
masina (nilatsahany, feno ny fanahy masina, indro olom-baovao, sahy, mientana,
miteny amin’ny manam-pahefana hoe : tsy ekena mihoatrano ho Andriamanitra
ianareo. Andriamanitra no ekena mihoatra noho ianareo.
Stefana : niteny mazava nohon ny fanahy masina tao
aminy. Indro ny zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra. Izay
anisan’ny nampirodana ny olona hanome azy.
Finoana mahafaty kanefa mahavonjy mandrakizay. Teraka indray :
olom-baovao mitombo, miova tsikelikely.
Tsy misy dia tonga lasa avy hatrany amin’ny fahaterahana. Ny fanahy
masina mahery kanefa miasa miandalana (pas à pas ; petit à petit)
Ny fanahy masina tsy manova ny momba anateo rehetra tampotampoka eo. Manova tsikelikely Izy. Misy olona te hiova tampoka, tsy mahandry, fanahy masina ka lasa toy ny olona mifoha tampoka amin’ny torimaso, ka izy no miasa fa tsy ny fanahy masina, vokany miraparapa, manaonao foana.
Ateraka avy any ambony (tamin’ny voalohany teraka teo an-tany)
Avy amin’Andriamanitra.a vy amin’ny tenin’Andriamanitra.
Mandray Azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Tsy azoazo amin’izao
fa katsahina, sainina ny any amin’Andriamanitra. Omena anaram-baovao. (ny 70
lahy) nanaiky satana. Hitako nilatsaka tahaka ny varatra. Mifaly fa voasoratra
any…. Tsy hoe manaiky anareo ny fanahy fa vaosoratra… lasa olon’ny
lanitra : citoyen n’ny lanitra. Rehefa tonga ny fotoana dia hita maso
izany.
Nikodemosy : hefa mihitsy ny heviny. Hiverina ho any
ankibo. Teraka, hirombo, départ zéro. Hafahaha te ho ela velona eto. Samy
fariseo i Paoly, na i NIcodeme f any an’i Paoly : mampiasa saina sy fo ary
fanahy izanh hoe mikatsaka. Fiovana mahery vaika indray izy amin’izany :
saoly = Paoly. Jodaisma : kristianina : olona mafy toto. Tsara
orina. Mahefa be. Manana tanjona avo dia avo. Manadino ny any aoriana fa
manatratra ny eo aloha. Olona karazany hefa noho ny olona rehetra. Tena Eugène
na Eugénie. (tsara karazana)
Tsy hoe olona super fa olona tsara no ilazan’ny voambolana
azy. Tsara orina. Tsy miova. Mafy toto. Mahatanty. Mahalala tena mahalala ny
ataony.
Ao amin’ny batisa ny olona no ateraka indray. Eo no voasoratra ho isan’ny fiangonana sy ao amin’Andriamanitra na ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny EEM dia ery aoriana ery ny fanaovana batisa.
Olom-baovao tanteraka
Manana ny fiainan-danitra. Manana ny fitiavana sy fifaliana
ary fiadanana. Manana vokatra betsaka amin’izany satria ny fanahy masina
mihitsy no mikarakara azy. Voafafy ny voa, dia maniry, dia ampitomboin’ny
fanahy masina. Tsy safidin’ny olona ny fitomboana fa asan’ny fanahy masina.
Saingy ny olona manaiky ny fanahy masina no toy izany. Manaiky iasan’ny fanahy
masina = tarihin’ny fanany masina ny fombany, ny fanao, ny fiasa ary ny fiteny
… ka ny eritreritra mifanaraka amin’izay ianarana izay ianarana mifanaraka
amin’izay lazaina ; ary izay lazaina mifanaraka amin’izay atao. Tsy misy
fifanoherana ny fiaina rehefa olom-baovao tanteraka. Mazava fiaina ny
olom-baovao tiaa dia tia. Faly dia faly. Fiadanana dia fiadanana.
Fiangonana tsy tia croix bleu, tsy tia safif kanefa izy
ihany no nanangana ireo. Fanahin’ny fampiviliana izany. DO RE MI = DOEMI
Vaovao fiaina ?
Manao izay tiana atao
Tsy maintsy tarihin’ny fanahy masina ka tsy misy
fifanoherana ny fiainany.
Nahatanteraka ny fihazakazahako aho. Nefa noho ny mena
miraviravy any amin’ny izao tontolo izao any dia mivadika izany hoe tsy tonga
hatrany amin’ny farany akory.
Tanteraka ao amin’Andriamanitra ny fitiavana
Rha misy reservoir iray misy menaka na rano na rivotra, mafy
be ny colle natao tamin’ny fanamboarana ny reservoir matoa tsy misy manary.
(Intense) ny fitiavana intense (intense relation d’amour) dia tsara orina ka ny
olom-baovao na olona nateraka indray dia olona miankina amin’ny fitiavana
mahery, tsy misy fepetra, lalina ny fitiavany.
I Petera raha
nanontanian’i Jesoa dia namaly ny fanontanian’i Jesoa tsy araka ny izy
Moa tia ahy va hianao ? fitiavana agape va ny
fitiavanao ahy ? tsy misy fepetra va ny fitiavanao ahy ? ianao no
mahalala fa izaho tia anao. Tia anao : fitiavan-kavana na sakaiza no
lazaina amin’izany. Misy fepetra. Fepetra : havana ka tiana (filia).
Tsy tanteraka ny fitiavana misy fepetra.
Hoy Jaona ao amin’ny I Jaona 4/7 : « ry malala (ry
mahate ho tia) aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana
ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra. »
Kristianina teraka indray = mahatehotia no iantsoan’ny
soratra masina azy.
Andriamanitra tia an’i Jesoa. Jesoa tia antsika. Isika tia
an’Andriamanitra. Isika tia ny olona.
Tia = mitovy daholo eto, na ny an’Andriamanitra na ny an’i Jesoa Kristy, na ny antsika. Mitovy fitiavana. Eo no milaza fa azo atao ny mitovy amin’Andriamanitra. « aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo ».
FEHINY
aAteraka indray ?
« lazaiko aminareo marina dia marina , raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra »
Tsy maintsy mandray ny fanahy masina
Ateraka avy any ambony
Olom-baovao tanteraka
Tanteraka amin’ny fitiavana anefa
Mifamatotra amin’ny fanahy masina
Tsy misy lalan-kafa intsony. Làlana tokana io.
Miala tamin’ny fatoran’ny devoly fa mandroso kosa ho
fatoran’ny fanahy masina. Tarihin’ny fanahy masina. Entanin’ny fanahy masina.
Tonge eo amin’ny teboka tsy afaka miverin-dàlana intsony.
Point de non retour. Tsy mahazo miala intsony fa m/sy. Miaraka amin’i Jesoa
Kristy Mpamponjy sy amin’ny Fanahy Masina mpanavao, ka tonga voaray vaovao
mandrakizay. Mpandova miaraka amin’i Jesoa.
« Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (Rom 8/14)
« Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (Rom 8/14)
« Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra » (Rom 8/14)
Betsaka marobe, sesehena, tsy ho voalaza, tsy ho voatanisa
ny halalaky ny hevitry ny teny hoe = « TARIHIN’NY FANAHY MASINA NO
ZANAK’ANDRIMANITRA. » NY HOE TARIHINY = Bitsihiny. Toroiny lalana.
Entaniny handeha amin’ny lalana tsara. Ampahereziny hahavita soa ny làlana.
Ny Zanak’Andriamanitra dia tarihin’ny Fanahy Masina
moramora. Tsy avelany hikorontana fa arindrany. Entaniny toy rano hananaina.
Fa misy hafatra dimy ireto amin’ny maha zanak’Andriamanitra
Tarihin’ny Fanahy Masina dia manara-dalàna (Gal 5/18)
Ny fanarahan-dalàna tsy maha zanak’Andriamanitra, fa ny zanak’Andrimanitra no manara-dalàna. Ny tarihin’ny Fanahy Masina no manara-dalàna ary ny zanak’Andriamanitra. Natsoina ho amin’ny fahafahana. TSY HOE = manaraha lalàna diaho afaka.
Tahirin’ny Fanahy Masina dia olon iantran’Andrimanitra.
Amindran’Andriamanitra fo mandrakariva. Tsy mahafoy zanak’Andrimanitra. Izany no fitiavana nasehon’Andriamanitra dia ny niantsoany hoe zanak’Andriamanitra. Zanak’Andriamanitra = efa ao aminy ny Fanahy Masina. Asan’ny tanany (Isaia 45/11)
Tarihin’ny Fanahy Masina = Tia fihavanana
Lazainy fa havany daholo ny olona rehetra. Izany no dikan’ny hoe = RY HAVANA malala. Asan’ny Fanahy ao amin’izay miteny izany. Ao anatin’ny Fiangonana Apostolika izany. Fiteny ao amin’ny toriteny. Fiantsoana ny Kristianina fa Mpihavana daholo ny Kristianina. Raha azo atao … (Rom 12/18)
Anarana mihitsy ny hoe Zanak’Andriamanitra noho ny asan’ny Fanahy Masina (Jaona 1/12)
« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery (nomeny
fahefana) ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny anarany ».
Mino an’i Jesoa Kristy. TARIHIN’NY FANAHY MASINA = manan-kery na mananna fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra. Finoana + asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olona iray = maha zanak’Andriamanitra. VOKATRY ny Asa Fitoriana ny FIlazantsara ny Fiangonana mijoro = NANTSOINA – NANDEHA – NINO – NOTARIHIN’NY FANAHY MASINA. « Izay rehetra nantsoin’Andriamanitra ka nandeha ary nino sy notarihin’ny Fanahy Masina no Fiangonana. » (Fiangonana = Zanak’Andriamanitra ).
Ny tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mandresy
Ny tarihin’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mandresy ary izay no maha Zanak’Andriamanitra
« Manotra noho ny mpandresy aza » (Rom 8/37). Ao amin’i Jesoa Kristy. Miaraka amin’i Jesoa Kristy. Omban’ny Fanahy Masina dia mandresy izao tontolo izao (I Jaona 4/4). Naterak’Andriamanitra hoy ny fiteny ao amin’ny Soratra Masina dia mandresy izao tontolo izao izany hoe n’iza n’iza avy amin’Andriamanitra sy mino an’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy dia MANDRESY.
FEHINY
Fa izay tarihin’ny Fanah’Andriamanitra no Zanak’Andriamanitra dia:
« Tsy nomen’Andriamanitra Fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (II Timoty 1/6-14)
« Tsy nomen’Andriamanitra Fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (II Timoty 1/6-14)
« Tsy nomen’Andriamanitra Fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena » (II Timoty 1/6-14)
Noho ny amin’i Timoty dia misaotra an’Andriamanitra amin’ny
fo madio Paoly ary tsy mitsahatra ny mivavaka ho azy i Paoly. FANIRIAN’I
PAOLY amin’ny vavaka ataony mba ho feno
fifaliana mandrakariva ny zanany. Mba ho tafatoetra amin’ny finoana tsy
mihatsaravelatsihy (hypocrite) sy hanompo amin’ny fiovana.
Noho izany, dia maniry i Paoly mba ho fanahy mahery no
entinh manompo an’Andriamanitra fa tsy fanahy osa.
Ndeha isika hianatra ny amin’ny hoe fanahy osa sy fanahy mahery. Ary hahatsapa isika fa vavolombelona azo antoka. Vavolombelon’i Jesoa Kristy tsy menatra ny amin’izany.
Raha tanisaina = tsy azo iaraha-monina. Satanika. Mahery amin’ny faharatsiana fa osa amin’ny fahasoavana. Miraparapa. Mampisaraka.
FANAHY MAHERY
Mifanohitra amin’ny teo aloha.
Efa mahafantatra tsara lasa zanak’Andriamanitra.
Omban’Andriamanitra amin’ny ady marove ka
tafavoaka hatrany. MIARAHA amin’Andriamanitra. Sahalain’Andriamanitra.
Loha-lalana ….
Mazoto amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Miasa
rehefa asaina miasa.
Ataon’ny olona modely na lasa fianarana, na lasa
FITARATRA. Fianarana ho an’ny mino.
Olom-boavonjy. Ny ataony rehetra dia ahitana fa
olom-boavonjy izy.
Itoeran’ny Fanahin’i Jehovah. Tsy izy no velona fa
ny Fanahy Masina.
FANOMEZAM-PAHASOAVANA izany
rehetra izany = fanahy mahery. Ny Fanahy Masina nomena no mahatanteraka an’izany. Ary AHALALANA fa FITIAVANA sy
MAHAFEHY TENA ny olona toy izany. ANTONINY ny ZAVATRA rehetra eo amin’ny
fiainany.
Ny olona mahery = olon’ny Fanahy sy olon’ny fitiavana ary olona mahafehy tena.
FEHINY
Adidy ny maha Mpitarika.
Ny olona manana ny Fanahy masina ka lasa mahery ny fanahiny, dia adidy koa izany. Adidy amin’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Adidy eo anatrehan’ny fahavalo. Adidy amin’ny fahoriana eo am-panaovana ny asa. Ary rehefa miasa amin’ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany ny Fanahy Masina dia miala ny fahosana rehetra fa lasa hery izany. Amena.
« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)
« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)
« NY ATAON’NY VOAHOSOTRY JEHOVAH NOHO NY FANAHY MASINA AO ANATINY » (Lioka 4/14-19)
Raha miverina mamaky ny Lioka 3 /1-22 sy ny 4/1-13 dia izao no tsapa sy voalaza ao.
Rehefa avy natao batisa Jesoa, dia nidina teo amboniny toy ny voromahilala ny Fanahy Masina ary voalaza tamin’ny feo avy any an-danitra fa hoe « HIANAO no zanako malalako ; hianao sitrako. »
Dia nentiny Fanahy Masina tany an’efitra Izy mba ho alain’ny devoly fanahy, dia nandresy ary nandao Azy aloha ny devoly.
Araka izany, raha vakiana indray ny Lioka 4/14-19 dia milaza ny tenany i Jesoa Kristy fa Jehovah no NANOSOTRA AZY ho Mpitory teny soa mahafaly. Nomena Azy ny Fanahy Masina rehefa vita batisa izany hoe VITA BATISA= Voahosotra.
Ny voahosota = mpitory ny vaovao mahafaly, tsy i Jesoa
Kristy ihany fa ny vita batisa rehetra.
Ny ANDRO PENTEKOSTA izany dia andro mampahatsiahy ny VITA
BATISA rehetra fa Mpitory ny VAOVAO Mahafaly izy. INONA AVY NY VAOVAO MAHAFALY
ARAKA IZANY ?
Vaovao mahafaly = Toriteny arahin’asa
Toriteny ihavian’ny finoana (Rom 10/17)
Inona no lazain’io toriteny iavian’ny finoana
io ?
Vaovao
mahafaly = filazana tsara fa voavela heloka ny mpanota, tsy misy fanamelohana
ny mpanota, tsy misy fanamelohana intsony. NOTAKONAN’NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA
NY OTA (Ohab 10/12b). « Izay te ho be fitiavana manaron-keloka » (Oha
17/9).
Ny toriteny, ny vaovao mahafaly izany dia Filazana
an’Andriamanitra manarona ota, manaron-keloka ary indrindra tsy misaraka
amin’ny olona intsony.
Ny Teny faha ilazany io teny io dia ny hoe =
FINOANA + ASA. « tsy vanona ny finoana tsy misy asa » (Jak 2/20). Fa
inona moa ny asa ? Mamonjy ny very.
Manome fitafiana ny tsy manana. Manolotra sakafo ho hanina. Mamangy ny marary…
Fa eto amin’ny Perikopa ny asa dia = mitory eny
soa mahafaly. Mitory fahafahana. Mampahiratra. Manafaka fahoriana. RAHA TOA
TORITENY TSY MISY IREO ASA IREO DIA Toriteny mololo, manidina.
Ohatra : mitory teny amin’ny noana = sarotra. Mitoriteny amin’ny olona tsy nandia fianarana manahirana. NY TENA IZY ary tena maha vaovao mahafaly dia ny MITORY + ASA : Manome sakafo, mampianatra.
FEHINY
Hitari-dalana antsika lalandava anie ny Fanahy Masina amin’ny Mpitory vaovao mahafaly antsika. Jesoa Kristy + Fanahy Masina + Asa = Vaovao Mahafaly. Amena.
ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)
ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)
ASAN’NY FANAHY MASINA AO AMIN’NY MALALAN’ANDRIAMANITRA (Matio 12/14-19)
Eto amin’ny Filazantsara eto dia misy FOTO-PINOANA toy
izao :
Maro dia maro ny asa tsy azo atao amin’ny andro
SABATA
Saingy, misy ASA KOSA, tsy hanana fitsaharana fa
manainga ny olona mba hiatrika izany amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra.
Ireto avy ny asa azo atao amin’ny SABATA : mamonjy biby
latsaka ankady. Manasitrana. Manao soa sy miantra. Mitory vaovao mahafaly.
Fa ny FARISEO tsy faly noho izay asa famonjena na asa soa izay ka niara-nisaina hahafaty an’i Jesoa Kristy. Amin’ny Fariseo dia FAHOTANA mahafaty ny manao asa soa amin’ny SABATA. Amin’i Jesoa Kristy kosa= TSIA. Andro hiasam-pamonjena ny SABATA.
Ohatra : Mpaminany, mitondra ny hafatr’Andriamanitra. Mpisorona, Mpitsabo…
Amin’ny andro ankehitriny : Pompier, Police, Mpitsabo sns. Manao soa ireny. Eken’Andriamanitra ny ASA SABATA ataon’ireny.
MALALAN’ANDRIAMANITRA KOA
Hoy ny teny eto ; « izay sitraky ny foko indrindra.
Jesoa Kritsy no voalaza amin’izany eto. Nefa ny Fiangonana dia voalaza koa fa
malalan’Andriamanitra sdy voantso no marina.
Afaka manao asa famonjena ny Fiangonana na dia andro alahady aza. Tombotsoa ny hoe malalan’Andriamanitra sady voantso no masina= adidy amin’ny Andraikitra no miandry sy manentana ary maniraka. Adidy amin’ny andraikitra = manao soa, mamonjy, mitory filazantsara. Asan’ny Fiangonana ny manao asa TSARA amin’ny SABATA.
IZAY IPETRAHAN’NY FANAHY MASIN’ANDRIAMANITRA
« Hapetrako ao aminy ny Fanahiko ary hitory ny rariny
Izy. »
Ny hoe « rariny » eto = lalàna ho an’ny olona
rehetra. Mampitovy ny olona rehetra ny lalàna. Mampitovy . samy MILA
FAMONJENA.SAMY mila soa. Samy mila ny tsara ho eo amin’ny fiainany. MITORY
FAMPITOVIANA ny ipetrahan’ny Fanahy Masina.
Koa ilay lehilahy maty tanana, n’iza n’iza teo amin’ny
toerany dia te-ho sitrana daholo. Anisan’izany ny FARISEO izay tsy tia
manasitrana andro sabata.
Koa ny asan’ny Fanahy Masina dia mamonjy ny olona rehetra misy fahavoazana ary mampitovy ny olona rehetra amin’izany.
FEHINY
Ry olom-boafidin’Andriamanitra ô ! RY malalan’Andriamanitra ô ! Ry Fiangonana fonenan’ny Fanahy Masina ô ! Miasà – Manaova soa. Mamonje. Aza mitsahatra. Fa i Jesoa Kristy izay maniraka INDRO MOMBA ANAO. Amena.
ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA (Matio 10/16-20)
ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA (Matio 10/16-20)
ASAN’NY FANAHY MASINA EO AMIN’NY HASAROTAN’NY IRAKA AMPANAOVIN’I JESOA
Eto amin’ny filazantsara eto dia latsaka ankaterena ny
Irak’i Jesoa Kristy
« ONDRY EO AMPOVOAN’NYAMBODIA »
« TORIAN’NY OLONA TSY AHOANTSIAHONA ANY
AMIN’NY FITSARANA »
Izao anefa ny fanomezan-toky :
Rehefa HENDRY sy MORA dia mandresy fa tsy resy
Raha MAHATOKY ny Fanahy Masina dia TAFAVOAKA
Inona ny hafatra amin’izany ?
Inona ny fahamarinana lazain’izany ?
MAHEREZA
Azo lazaina ireto teny ireto= Miorena tsara aza miova.
Mahefa be. Tsy misy very maina izany. Misy valiny daholo ny atao.
Samy hahazo satroboninahitra.
Samy ho tolorana ny valin’ny fisasarany avy ny tsirairay.
VALISOA = KARAMA= TOMBONY
ONDRY TAFAVOAKA eo afovoan’ny AMBODIA ve, tsy
hahazo ny VALIM-PITIA LEHIBE avy amin’ny Andriamanitra ? Tsy mendrika ny
homena FIFALIANA sy FIADANANA
mandrakizay ?
FAHAVALO MARO. FAHAVALO
MATANJAKA. FAHAVALO MAHERY SETRA. TSY MITSITSY. Nefa noho ny FAHENDRENA sy
FAHAMORANA dia hiala maina sy hangahiahy. Lava hoho maro anaka, maranitra nify,
henjana hozape mahereza.
MATOKIA NY TENY NOMENA
« Hendre – Morà – Aza manahy »
Hendre (aoka ho fetsy). Menarana= kinga maso fa
be marenina. TSY MAHENO FA MAHARAKA.
Ilaina ny be marenina. Ilaina ihany izany.
Aza manahy = Andriamanitra no miady fa hianareo
mangina. « TSY MITENY FA ALEO NY FANAHY MASINA NO HITENY »
Ny tenin’Andriamanitra dia hamarininy rehefa matoky an’Andriamanitra isika. Io tenin’Andrimanitra io di amarina amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny anonton-javatra rehetra. TSY MISY DISO NY TENIN’ANDRIAMANITRA.
FEHINY
ny Fanahy Masina rehefa miasa dia tsy misy mahasakana. Miasa
mampahery ka sahy miatrika fahavalo maro sady matanjaka. Ny Fanahy Masina
rehefa miasa dia mampiala maina ny mahery rehetra.
Jesoa Kristy tsy nanome Fanahy osa fa nanome Fanahy Masina
Izay Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra ihany koa no nomeny.